Tsy afa-misaraka eo amin’ny fampandrosoana ny faritra ny Governora sy ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ary ireo olom-boafidy sy tompon’andraiki-panjakana samihafa. Ho an’ny faritra Bongolava manokana, dia nambaran’ny Governora Jeneraly Ramiaramanana Joseph, fa maro ireo fampandrosoana efa notanterahina tao an-toerana, kanefa, tsy vitsy koa ireo mbola kasaina tanterahina amin’ity taona ity, izay taona heverina fa hanamafisana ireo ezaka efa vita sy ireo tsy tontosa tamin’ny taon-dasa. Tsy natao ho tompon-trano mihono tamin’izany ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ireo Talem-paritra isan-tsokajiny, ary ireo Sefo fokontany tao an-toerana, fa samy nilazalazana ireo zava-bita tokony hamafisina sy harenina amin’ity taona 2022 ity. Nisy, araka izany, ny jery todiky ny fiaraha-miasan’izy ireo, izay notarihan’ny Governoran’ny faritra Bongolava. Nambaran’ny Jeneraly Ramiaramanana Joseph, tamin’izany, fa ny fandaharam-potoanan’ny faritra ho an’ireo kaominina mbola tsy voajery hatramin’izay dia hatao laharam-pahamehana, amin’ity taona ity, manoloana ireo velirano napetraky ny Filoham-pirenena. Araka izany, tsy hisy intsony ireo kaominina ho adino ao amin’ny faritra hiadidiany, raha ny namafisiny, fa ny fampandrosoana ny Bongolava no tanjon’ny faritra, dia ny hisitrahan’ireo vahoaka ny fampandrosoana imatimatesana. Nisy ny toromarika nomen’ny Governoran’ny faritra, hoenti-manatsara ny fomba fiasa eo amin’ireo tompon’andraikitra toko telo mahamasa-nahandron’ny fampandrosoana ao an-toerana.



