Fanadihadiana ManokanaSosialyToekarena

DISTRIKAN’I SOANIERANA IVONGO Kaominina maro nananganana tetezana hamaha olana ny mponina

Anisan’ireo distrika nijaly teo amin’ny lafiny fitaterana ny tao amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo, hatramin’izay, noho ny tsy fisian’ny tetezana sy faharatsian’ny lalana. Tamin’ity Fitondram-panjakana ity, kaominina maro no efa nananganana tetezana, tamin’ny alalan’ny CIAD sy ny ezaka manokan’ny Solombavambahoaka, entina hamahana ny olan’ny mponina…

Ny tetezan’i Sahamalaza, mirefy 36 m

Anisany fotodrafitrasa goavana indrindra amin’ny vahoaka sy notanterahin’ny Fitondram-panjakana ao amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo, ny tetezana. Fantatra, fa maro ireo kaominina sy fokontany izay voaelanelana rano ka mampanano sarotra azy ireo amin’ny fiampitana eo am-piatrehana ny fiainana andavanandro. Olana koa ny famomaham-bokatra avy amin’ireo kaominina samihafa any an-toerana, ka izao nanatanterahana fotodrafitrasa tetezana maro izao, amina kaominina maromaro any an-toerana, hatramin’ity Fitondram-panjakana mijoro ity. Misy notanterahina avy tamin’ny alalan’ny « Crédit d’Investissement pour l’Appui au Développement » (CIAD) ankehitriny, izay CLD teo aloha, raha misy ny avy amin’ny finiavana manokan’ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ity distrika ity. Teo amin’ny famatsiam-bola avy amin’ny CIAD manokana, izay notanterahin’ny Solombavambahoaka ao an-toerana, dia fantatra fa fotodrafitrasa telo goavana no tanteraka avy tamin’izany, dia ny tetezana mirefy 10 m ao Ambinanisakana, kaominina Fotsialanana, izay navaozina ka natao hahazaka kamiao, ankehitriny. Miandry ny fitokanana azy ity fotodrafitrasa ity, raha ny nambaran’ny Depiote Ramamonjisoa Jhon Whary. Anisany nanatanterahana fanavaozana koa ny tanàna ao an-dRenivohitry ny kaominina Fotsialanana, izay tsy nahitana endriny teo aloha, izay hotokanana tsy ho ela. Fahatelo, ny fanamboarana ny tetezana iray mirefy 36 m tao amin’ny ranon’i Sahamalaza, fokontany Antanetilava, kaominina Ambahoabe, izay fantatra fa efa mamarana ny asa ny orinasa ankehitriny. Ity tetezana farany natao tamin’ny alalan’ny CIAD ity, izay fantatra fa anisany nanaovan’ireo mpanao politika nifandimby tany aloha fampanantenana, saingy tsy vita raha tsy tamin’ity Fitondram-panjakana ity, tamin’ny alalan’ny finiavan’ny Solombavambahoaka Jhon Whary. Anisany fahagagana ho an’ny vahoaka tao Soanierana Ivongo tampon-tanàna, ny namboarany sy nanavaozany ka nahavitan’ny tranom-pokonolona, izay efa tamin’ny andron’ny Repoblika voalohany. Vita amin’ny « beton » hatramin’ny tafo, ary manana ny halava 30 m sy sakany 15 m, ity tranom-pokonolona ity.

Hetahetam-po namoaham-bola manokana…

Ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo, Ramamonjisoa Jhon Whary

Ankoatra ireo voafaritry ny famatsiam-bola avy amin’ny Fitondram-panjakana notanterahin’ireo Solombavambahoaka, izay fantatra fa mahita ny fahorian’ny eny ifotony sy misafidy izay toerana tokony hametrahana ireo fotodrafitrasa, dia nisy ny famoaham-bola manokana nanaovana tetezana maromaro notanterahin’ny Depiote voafidy tao Soanierana Ivongo. Anisan’izany ny tetezana Antsahamare, izay mirefy 52 m vita amin’ny « beton », ao amin’ny fokontany Ambodirafia, izay manasaraka azy sy ny fokontany Ambahavala, samy anatin’ny kaominina Ambahoabe. Fantatra fa efa manakaiky ny fahavitan’ity tetezana lavabe ity, amin’izao fotoana. « Natao hitsinjovana manokana ireo mpiteraka sy mpanao vaksinin-jaza, ary ireo mponina mifamezivezy no nanaovana azy io », nanampy fanazavana ny Depiote. Teo koa ny fananganana ny tetezana Ambatomihoatra, kaominina Fotsialanana, izay hiampitana ao amin’ny kaominina Andapafito, ary mirefy 30 m vita amin’ny « beton », izay efa vita herinandro lasa izay. Farany, ny tetezana mirefy 10 m ao Antseranamatso, kaominina Ambahoabe, izay be mpivezivezy, fa indrindra ireo mpandraharaha, izay efa vita koa raha ny fantatra. Mbola manam-pikasana hanatanteraka fanamboaran-dalana mirefy 18 km miala ao Soanierana Ivongo, mihazo ny kaominina Ambinanisakana, ity Solombambahoaka ity, amin’ny alalan’ny tetikasa CASEF.

Tetezana ao Ambinanisakana mirefy 10 m, mahazaka kamiao ary miandry ny fanokanana azy.

Maro ireo fotodrafitrasa notanterahin’ny Fitondram-panjakana…

Anisany distrika nahatanterahana fotodrafitrasa maro koa ny ao Soanierana Ivongo, izay niainga avy tamin’ireo vinan’ny Filoha. Anisan’izany ny EPP manara-penitra misy efitra 12, ary EPP ahitana efitra roa avy, izay napetraka amina toerana ambanivohitra samihafa, sy vita amin’ny 40% amin’izao fotoana. Teo koa ny CSB II napetraka any ambanivohitra, izay andalam-pahavitana ankehitriny. Ao koa ny Lisea teknika, izay efa vita ao Soanierana Ivongo, izay miandry ny fankatoavan’ny minisitera amin’ny fisokafany ara-dalàna sy ny fampitaovana, ankehitriny. Nambaran’ny Depiote ity, fa ho avy koa ny fanamboarana ny trano vaovao ho an’ny fanangonan-ketra, ary ny trano ho an’ny be antitra. Anisany nanaovan’ny Solombavambahoaka ezaka manokana tao an-toerana, ny fanavaozana ireo CSB any ambanivohitra, sy ny biraon’ny Distrika. Teo koa ny fangatahana ka nahazoana fiara mpitatitra marary, izay noraisin’ny Solombavambahoaka hatramin’izao, ny famatsiana solika hampandehanana izany, raha ny fantatra. Ho an’ny ezaky ny Governoran’ny faritra manokana, dia fantatra fa efa vita ny lalana « pavé » mirefy 500 m ao Soanierana Ivongo. Hanomboka tsy ho ela ny ampahany faharoa, amin’ireo Renivohitry ny kaominina tsirairay, araka ny baikon’ny Filoha. Anisany distrika mamokatra vary ny ao an-toerana. Barazy miisa efatra, no fantatra fa efa vita ao Soanierana Ivongo, ka anisan’izany ny ao Sahafary, kaominina Fotsialanana, ny ao Ampasimbola kaominina Soanierana Ivongo afovoany, Vohitsiny, kaominina Manompana, ary ao Marovinanto, kaominina Antanifotsy. Hanomboka ny volana aprily 2022 ny fanamboarana barazy hafa miisa dimy, amina kaominina hafa, raha ny fantatra.

Fermer