PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FAMONOANA AN’I JUNNOT RAMANANARIVO : Nalefa eny Tsiafahy ilay Vazaha, raharaha maro hafa no mbola hanenjehana azy
Niakatra fampanoavana omaly tetsy amin’ny Fitsarana Anosy ilay raharaha famonoana ny Sekretera Jeneralin'ny "Union Emergence Madagascar", Junnot Ramananarivo, niseho tamin’ity herinandro ity, izay nahavoasaringotra teratany vahiny iray. Taorian’ny fihainoan’ny Fitsarana azy dia nalefa vonjimaika eny Tsiafahy miandry ny fotoam-pitsarana azy i Loïc Large, ilay Vazaha. Raha ny fanazavana hatrany dia efa manana raharaha hafa eo anivon’ny Fitsarana ihany koa ny tenany, mialohan’izao raharaha izao.
Tamin’ny alahady hariva teo no voatsatok’antsy ny Sekretera jeneralin’ny “Union Emergence Madagascar” (UEM), Junnot Ramananarivo, rehefa nifanao fotoana tamin’ny teratany vahiny iray antsoina hoe Loïc Large, noho ny fifampidirana ara-bola nisy teo amin’izy roalahy. Tranga izay niteraka ny fahafatesan’ity tanora malagasy ity, ka tsy naha afaka avy hatrany ihany koa ilay teratany vahiny nifanao fotoana taminy.
Omaly no niakatra fampanoavana ny raharaha. Araka izany, any amin’ny Fonjan’i Tsiafahy aloha nanomboka omaly Zoma 21 Janoary 2022, Atoa Loïc Large, no miandry ny tohin’ny fanadihadiana sy ho fitandroana ny ainy, araka ny fanazavana nataon’ny Tonia Mpampanoa Lalàna (Procureur de la République) eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) Antananarivo, Rtoa Rakotoarivony Marie Annick, sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky, nandritra ny fiantsoana mpanao gazety, tetsy Anosy.
Taratasim-bola tsy misy antoka
Raha ny fanazavana hatrany, tsy vaovao amin’ny Fitsarana intsony ity teratany Frantsay, voarohirohy tamin’ny raharaha famonoana ny Sekretera Jeneralin’ny « Union Emergence Madagascar » ny alahady lasa teo ity. Maromaro tokoa mantsy ireo raharaham-pitsarana maha voasaringotra azy, raha tsy hitanisa afa-tsy ny fanaovana taratasim-bola tsy misy antoka (chèque sans provision). Izany no mahatonga azy eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana nanomboka ny volana Aogositra taona 2021. Efa manana dosie tany amin’ny tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly ihany koa ny tenany. Nanamafy ny teo anivon’ny Fitsarana fa olona efa manan-draharaha aminy ihany io olona novonoina io. Hahafahana manenjika azy amina sokajin-keloka hafa no handefasana azy vonjimaika any Tsiafahy aloha, hitohizan’ny fanadihadiana.
Manaraka akaiky ity raharaha ity ny olom-pirenena, indrindra ireo mpiara-miasa sy akaiky an’I Junnot Ramananarivo. Na dia eo aza ny hetaheta ny hivoahan’ny didy faran’izay aingana mahakasika ity raharaha ity, ho an’ireo akaiky an’i Junnot Ramananarivo, dia samy nilaza kosa ny rehetra fa matoky ny Fitsarana malagasy amin’ny fandalana ny fahamarinana, ary miandry am-pitoniana ny dingam-pitsarana rehetra tsy maintsy arahina amin’izany.


