Songadim-baovaoSosialyToekarena
NILAHARANA IREO TOBY MPANINJARA SOLIKA: Mbola manana tahirin-tsolika mihoatra ny 15 andro isika
Vantany vao niseho ny voina mahakasika ny fahatapahan’ny lalam-pirenena faharoa, nidina avy hatrany tany an-toerana ny solontenam-panjakana isan-tsokajiny nijery ny fomba hamerena faran’izay aingana ny fifamoivoizana. Ity lalam-pirenena ity izay miantoka ny fitaterana ny solika mihazo an’Antananarivo. Tsy vitsy, araka izany, no nikoropaka noho ny fanahiana amin’ny tsy hisian’ny solika eto an-drenivohitra intsony io fahatapahana io. Omaly, nilaza ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoronafo fa mbola ampy hatramin’ny 17 andro ny tahirin-tsolika eto Antananarivo.
Nisahotaka indray ny tanàna. Tobin-tsolika maro teto an-drenivohitra omaly no nahitana filaharam-be noho ny fahenoana fa tapaka ny fitaterana solika mihazo an’Antananarivo, noho ny fahatapahan’ny lalam-pirenena faharoa. Tsy vitsy ireo naka solika nihoatra ny tokony ho nalaina andavanandro, noho izay fanahiana izay. Teo ihany koa ireo nanao feno mihitsy ny fitoeran-tsoliky ny fiara mba hitsinjovana ny fotoana mety tsy hisian’ny solika intsony eto Antananarivo, araka ny fanazavana. Vokany, maro no sahirana vao nahazo solika, raha ny tontolo andron’ny omaly no asian-teny.
Teo anatrehan’izany indrindra, nilaza ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo, Andry Andriatongarivo, omaly fa tsy misy tokony hampikoropaka ny mpanjifa mihitsy, indrindra ireo mpampiasa fiara, satria araka ny tatitra azo avy amin’ny Tale Jeneralin’ny OMH dia maharitra 17 andro ny tahirina Gazoala sy lasantsy ao amin’ny Logistique pétrolière. Nambarany fa mihena ny fandaniana solika amin’izao vanim-potoana izao noho ny andro ratsy. Araka izany, dia mihena ny fifamezivezen’ny mponina, ny mpianatra rahateo tsy mianatra, ka mahavitsy ny mpampiasa ny arabe. Ny Fanjakana foibe rahateo efa miezaka manarina ireo lalana tapaka rehetra amin’ny lalam-pirenena faharoa, izay lalan’ny kamiao mpitatitra solika. Dikany, tsy misy tokony hatahoran’ny vahoakan’Antananarivo mihitsy ny fahatapahan’ny famatsiana solika, hoy hatrany ny nambarany. « Mahazo mitony ny Malagasy, fa mbola hitohy ny famatsiana eny amin’ireo tobin-tsolika”, hoy ny fanazavana.
Fahatapahan-jiro
Tetsy ankilany, nitondra fanazavana mahakasika ny fahatapahan-jiro ateraky ny fahatapahan’ny lalam-pirenena faharoa ihany koa ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Angovo. Nambarany fa rehefa tapaka ny ao Andekaleka, izay mamatsy ny hampahany betsaka amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo, dia tsy maintsy mampiasa solika fandrehitra, dia ny Gazoala sy ny menaka mavesatra izany. Eo amin’ny Gazoala dia tsy misy olana ny famatsiana satria mbola manana ambiny betsaka isika. “Eo amin’ireo milina mandeha amin’ny menaka mavesatra kosa no misedra olana, satria mbola mikatso any an-dalana any ny kamiao tokony hitondra izany”, hoy ny fanazavana. “Tsy mamorona akory izahay na faly itady fialantsiny amin’ny fahatapahan-jiro, fa kosa, kamiao ampolony mitatitra ny menaka mavesatra ankehitirny no mikatso ao amin’ny RN2. Efa andalana ny fanarenana ireo lalana tapaka ireo. Antenaina fa tsy ho ela dia hivaha ireo olana ireo”, hoy hatrany izy nanampy fanazavana. Ity tomponandraikitra ity izay nanambara fa tsy maintsy hisy ny fandrindrana ny fifamoivoizana amin’ny fotoana hisokafan’ny lalana hisorohana ny loza, fa ihany koa, mba hanafaingana ny fahatongavan’ny menaka mavesatra aty amin’ny Jirama.




