PolitikaSongadim-baovaoSosialy

HIHENA NY ROTSAK’ORANA: Tafakatra 67 042 ireo traboina, mitohy ny vonjy voina

Tafakatra 67 042 ireo traboina vokatry ny andro ratsy, araka ny antontanisa farany navoakan’ny BNGRC omaly. Nampiakatra aingana ny tarehimarika ny fahavakisan’ny renirano vitsivitsy, ka naha dibo-drano ny tanàna maro. Tsy mitazam-potsiny anefa ny Fanjakana, amin’ny alalan’ny Filohan’ny Repoblika, fa midina ifotony manao ny asa famonjena ireo traboina, ary mandray an-tanana azy ireo amin’ny lafiny rehetra. Antenain’ny rehetra fa hisy fidinany tsy ho ela izao fiakaran’ny rano izao satria araka ny vinavinan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, dia hisy fihenany ny rotsak’orana manomboka anio.

Mitoka-monina tanteraka ny tanànan’Ambodirano, Soavina , Atsimondrano. Tsy vitsy amin’ireo trano eny an-toerana no tena dibo-drano tanteraka, ka tsy maintsy afindra monina. Tonga namonjy ireo mponina teny, araka izany, ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina omaly. Maika ny famonjena ny mponina, hoy ny Filoha, raha toa ka vahaolana maharitra mihitsy no mila tadiavana hamahana ny olan’ny tondran-drano. Nanome toky ny mponina teny an-toerana anefa ny Filoha fa ho amboarina avy hatrany ny fefiloha vaky vantany vao ritra ny rano manondraka ny tanàna.

Maro amin’ireo mponina tsy maintsy nafindra toerana no efa noraisina avy hatrany ao amin’ny CEG sy EPP Tanjombato. Amin’ny maha mbola anaty krizy ara-pahasalamana antsika dia ny fepetra ara-pahasalamana no anisan’ny nitandrovina voalohany, amin’ny fandraisana ireo traboina ireo. Isan’izany ny fanaovana fitiliana avy hatrany ireo izay misy tranga mampiahiahy. Hatreto, tsy misy trangana Covid-19 ny ao amin’ny CEG Tanjombato, raha toa ka efa nisy efatra kosa ny tao amin’ny EPP, ary efa nalefa notsaboina tany amin’ny CTC avy hatrany ka tsy misy ahina  ho an’ireo izay mijanona ao an-toerana. Voaara-maso sy voakarakara tsara ihany koa ny sakafo sy ireo efitrano fandraisana. Ankoatra ny fanampiana izay efa omena azy ireo, dia efa mitsinjo ny fiverenan’ireo fianakaviana ireo amin’ny fiainana andavanandro aorian’ny voina ihany koa ny Filoham-pirenena. Efa raisina ny lisitra, hisy fanomezana manokana omena ireo traboina, toy ny akanjo, bodofotsy, sy kojakoja maro samihafa. Nanomboka omaly io fizarana io.

Omena karinem-pokotany manarapenitra

Mahakasika ny fizarana fanampiana kosa indray. Amin’izao fiatrehana ny fiakaran’ny rano izao dia hisy fandaminana hatao miaraka amin’ny ben’ny tanàna, hoy ny Filoha. Araka izany, ankoatran’Antananarivo Renivohitra, dia hatao aingana ny fanomezana karinem-pokontany manarapenitra, miaraka amin’ny QR Code, hahafantarana ny isan’ny olona isaky ny tokantrano. Ary ny olona rehetra, na tsy manana adiresy mazava aza, dia tsy maintsy omena adiresy amin’izay, hoy ny Filoha. Noho izany, rehefa vita io karine io, dia hisy fanampiana tsy maintsy omena an’ireo fianakaviana. Hisy ihany koa ny ketsa sy zezika hozaraina amin’ireo mpamboly rehefa midina ny rano, hanampiana azy ireo amin’ny fambolem-bary. Tsy maintsy ho tonga eny amin’ireo traboina koa ny vary mora, izay jifaina amin’ny vidiny 1 000 ariary ny kilao, hoy ny Filoha.

Fermer