Songadim-baovaoSosialy

RIVODOZA BATSIRAI : Tany amin’ny 1 815 Km Atsinanan’i Sainte-Marie ny ivony omaly

Nisy ny filazana manokana momba ny toetry ny andro navoakan’ny « Météo » malagasy, omaly 30 Janoary 2022. Nivoitra tao anatin’izany fa efa tany amin’ny 1 815 Km atsinanan’ny Nosy Sainte Marie no nisy ny foiben’ilay rivodoza Batsirai io omaly io, tamin'ny 03 ora tolakandro tany ho any. Notsindrian’ny teknisianina kosa anefa fa mbola ho maina hatrany aloha ny andro eto Madagasikara hatramin’ny Alarobia faha 02 Febroary 2022.

« Batsirai », io indray no anaran’ny andro ratsy niforona tao amin’ny ranomasimbe indianina efa ho andro vitsivitsy izay. Efa tany amin’ny 1 815 Km no nisy ny foibeny omaly tamin’ny 03ora tolakandro, ary voasokajy ho rivodoza mahery vaika. Raha ny fanazavana hatrany dia mahatratra 150Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 210 Km/ora. Tato anatin’ny 12 ora lasa dia nikisaka niakandrefana somary Avaratra Andrefana izy ka nahafaka 16 Km/ora.

Ato anatin’ny andro maromaro ho avy kosa dia hikisaka miakandrefana izy amin’ny ankapobeny amin’ny hafainganam-pandehany manodidina ny 17 Km/ora. Raha ny vina lavitra ezaka (amin’ny tapany faharoa amin’ny ny herinandro) dia hanambana ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy ity rivodoza mahery ity. Mbola tsy dia mazava loatra kosa anefa ny toerana mety hidirany an-tanety, araka ny fanazavan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro hatrany.

Mbola ho maina ny andro eto Madagasikara

Eo anatrehan’ny fisian’ity rivodoza ity, izay efa manambana ny morontsirak’I Madagasikara, nanentana ny teo anivo’ny “Météo” malagasy, fa ny mponina rehetra amin’ny morontsiraka Atsinanana manomboka eo Analanjirofo ka hatrany Taolagnaro dia tokony hanaraka akaiky ny fivoaran’ny vaovao momba izany. Na izany aza, nilaza ny teknisianina fa mbola azo antoka ny fahamainan’ny andro eto Madagasikara hatramin’ny Alarobia faha 02 Febroary 2022 izao. Etsy ankilany, tokony ho efa hiomana kosa ny rehetra amin’ny mety ho fiakaran’ny rano indray noho ny rotsak’orana mety ho entiny. Raha ny zava-misy tokoa mantsy, dia toa mbola avo dia avo ny haavon’ny renirano mandalo an’Antananarivo hatramin’izao. Izany ihany koa no antony dia tsy maharitra aingana ny rano amin’ny toerana sasany eto an-drenivohitra. Dikany, efa misy tokony horaisina sahady manoloana ity rivodoza ho avy ity. Ohatra amin’izany ny fialana amin’ireo trano fonenana amin’ny toerana iva ka mety ho mora iakaran’ny rano. Eo ihany koa ny fialana amin’ireo toerana ahina hitrangana fihotsahana sy ny sisa.

Fermer