PolitikaSongadim-baovaoSosialy

FANAMPIAN’NY FITONDRAM-PANJAKANA : Vola 40 tapitrisa dolara hotsinjaraina amin’ireo tokantrano traboina

Ankoatra ny « Vatsy Tsinjo » izay efa natomboka omaly ny fizarana azy, dia hisy koa vola mitentina 40 tapitrisa dolara ho entin’ny Fitondram-panjakana hanampiana ireo traboina. Hozaraina amin'ny alalan'ny « Tosika Fameno » io lelavola io, ka hisitraka izany avokoa izay rehetra nitondra takaitra. Hijery ny fanampiana ny olona amin'ny fanarenana ny simba koa ny Fitondrana, araka ny nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina hatrany, omaly.

Araka ny efa nambaran’ny Filohan’ny Repoblika, natomboka omaly ny fizarana Vatsy Tsinjo ho an’ireo traboina vokatry ny andro ratsy nandalo teto amintsika, ho fifampitsinjovana. Ahitana vary 25 kg, voamaina 3kg, menaka iray litatra, sardines roa boaty, savony 5 isa, koba aina 1kg, sira ary CVO Tambavy fonosana iray avy ny Vatsy Tsinjo natolotra ny fianakaviana traboina. Nanombohana ny fizarana omaly kosa ny boriboritany voalohany sy fahatelo, izay notanterahina tao amin’ny Kianja Alarobia sy Kianja Maki Andohatapenaka. Tonga tany an-toerana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny nanomboka ny fizarana ireto fanampiana ireto ary indrindra nitondra ny teny fankaherezana ho an’ireo fianakaviana tra-pahasahiranana noho iny andro ratsy iny. Traboina miisa 1018 avy amin’ny boriboritany voalohany sy 683 avy amin’ny boriboritany fahatelo no nisantatra ny fizarana ireo fanampiana ireo, ary nohamafisin’ny Filoham-pirenena fa hisitraka izany avokoa ireo kaominina sy fokontany rehetra niharam-boina. Ho voarakitra ao anaty karinem-pokontany vaovao misy QR code avokoa ireo fanampiana azon’ny tokantrano tsirairay.

Nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina fa ankoatran’ny Vatsy Tsinjo dia hisitraka Tosika Fameno mitentina 100.000 ariary avy ireto tokantrano traboina ireto. Vola mitentina 40 tapitrisa dolara no hotsinjaraina amin’ireo fokontany rehetra mitondra takaitra tamin’ny fandalovan’ny rivodoza. Araka izany, tsy mijanona amin’ny Vatsy Tsinjo ihany ny fanampiana hoentin’ny Fitondram-panjakana ho an’ny traboina. Hozaraina amin’ny alalan’ny « tosika fameno » io lelavola io, araka ny fanazavana, ka hisitraka izany avokoa izay rehetra nitondra takaitra. Nambaran’ny Filoham-pirenena ihany koa fa tsy maintsy hatao ny fanarenena farany haingana ireo fotodrafitrasa rehetra rava noho iny rivo-doza iny, ary hiantsoana ny fiaraha-mientan’ny tsirairay izany.

Hihazo an’i Toamasina ny Filoha anio

Taorian’ny fanombohana ny fizarana ny Vatsy Tsinjo omaly, dia hihazo ny Renivohitr’i Betsimisaraka indray ny Filoham-pirenena amin’ity anio ity, araka ny fandaharam-potoana. Anton-diany any an-toerana ny fiomanana amin’ny fiavian’ny rivodoza Batsirai izay efa manambana ny Morontsiraka Atsinanan’I Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Vaomieram-paritra misahana ny fitantanana ny tandindona sy ny loza voajanahary,  sy ny fanolorana ny fitaovana sy fanampiana. Ny Tale Jeneralin’ny BNGRC, ny Jeneraly Elack Olivier Andrianjaka izay efa any Toamasina rahateo mandrindra ny fiomanana amin’ny rivodoza. Nitondra fitaovana vitsivitsy ity tomponandraikitra ity, raha nihazo an’I Toamasina, toy ny Moto-pompes hanafainganana ny fanesorana ny rano aorian’ny fandalovan’ny rivodoza sy ny sisa.

Fermer