Songadim-baovaoSosialy
VADIN’NY FILOHAM-PIRENENA: Mirotsaka an-tsehatra mitondra fanampiana ho an’ireo traboina
Mitohy hatrany ny fiahiana sy ny fandraisana an-tanana atao amin’ireo traboina isaky ny toeram-pandraisana rehetra eto an-drenivohitra. Misy hatrany koa ny fizarana sakafo maraina atoandro sy hariva, ary koba aina ho an'ny ankizy isa-maraina isaky ny toeram-pandraisana traboina. Omaly, nisy ny fitsidihana sy fitondrana fanampiana nataon’ny Vadin’ny Filoham-pirenena, Mialy Rajoelina, teny amin’ny toerana vitsivitsy mandray an-tanana traboina.
Tafiditra ao anatin’ny fiahiana ny maha olona eny amin’ireo toerana fandraisana an-tanana ny traboina ireny ny fanaraha-maso ny fitsaboana amin’ny alalan’ny « clinique mobile » izay mihodina manerana ireo toeram-pandraisana traboina ary mijanona ora 2 amin’ny toerana iray. Hatao amin’izany ny fitsaboana ankapobeny, fizahana ny fahasalaman’ny reny bevohoka, fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza ny ny fitiliana ny valanaretina Covid-19, fandrindrana fiainam-pianakaviana ary indrindra fanaraha-maso ny lanjan’ny ankizy ahafahana mitily ny tsy fanjariantsakafo. Mandodidina ny 50 ny mpiasan’ny fahasalamana ahetsika isaky ny toeram-pandraisana traboina mba hanomezana ny fahasalamana manakaiky vahoaka. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana dia maimaim-poana ihany koa ny fanafody ho an’ireo mila izany. Efa nisy rahateo ny fanafody marobe natolotry ny Fikambanana Fitia ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamana ny herinandro lasa teo, ka ampiasain’ny « clinique mobile » izay mitety toeram-pandraisana traboina avokoa izany. Ahitana rantsan’ny « Brigade féminine de proximité na BFP » ihany koa ny toeram-pandraisana traboina toy ny eto Ambohitrimanjaka. Mihaino sy mandray an-tanana ireo trangana herisetra izy ireo ary mitondra vahaolana avy hatrany.
Omaly maraina, nitsidika sy nankahery ireo traboina teny Antanimenabe Ambohitrimanjaka ny Vadin’ny Filohan’ny Repoblika sady Filohan’ny Fikambanana Fitia, Ramatoa Mialy Rajoelina. Niara-dia taminy ireo Minisitra vehivavy mpikambana amin’ny Governemanta. Nitondra fanampiana sy tohana ho an’ireo traboina mandodidina ny tokantrano 250 avy amin’ny amin’ireo fokontany 3 ato anatin’ny Distrikan’Antananarivo fahenina sy Ambohidratrimo ihany koa ny Vadin’ny Filohan’ny Repoblika. Isan’ny nozaraina tamin’izany ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro, kidoro sy bodofotsy, akanjo fitafy, Jiro Hazavana ho anao, ary arotava. Nozaraina koba aina sy Ferrozinc ihany koa ireo ankizy zanaky ny traboina teny Ambohitrimanjaka.
Fizarana sakafo
Taorian’izay dia nifanome tanana tamin’ny fizarana sakafo ho an’ireo traboina mitoby etsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano ny Filohan’ny Fikambanana Fitia sy ireo vehivavy ministra. Tokantrano 616, izany hoe, traboina miisa 1 786 sy zaza 365 ankehitriny no mialoka ato amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano. 105 kosa ireo tokantrano efa niverina tamin’ny trano fonenany nanomboka omaly alina satria efa azo onenana amin’izay ny tranon’izy ireo. Marihina fa niverina eto amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano avokoa ireo traboina avy amin’ny Fokontany Ankorondrano Andranomahery, Ankorondrano Andrefana, Ankorondrano Atsinanana, Tsaramasay ary Ankazomanga Andraharo, raha toa ka niparitaka tany amin’ny EPP sy CEG Antanimena ary EPP Ankorondrano izy ireo. Efa nofendrahana ranom-panafody avokoa ireo sekolim-panjakana telo ireo omaly ary efa nandray avy hatrany ireo mpianatra niverina an-tsekoly nanomboka omaly.



