PolitikaSongadim-baovaoSosialy

FAMATSIANA TSENA ANATINY: Tonga ny vary 21. 000 T sy simenitra 12.000 T nafaran’ny Fanjakana

Nitsidika an’i Toamasina renivohitry ny Faritra Atsinanana ny Filoha Andry Rajoelina sy Rtoa vadiny omaly. Nandritra izany no nijereny akaiky ny momba ny fahatongavan’ireo vary mora milanja 21. 000 taonina sy simenitra 12.000 taonina nafaran’ny Fanjakana ho fanalefahana ny fiakaran’ny vidim-piainana. Nisy koa fanolorana vatsy tsinjo tao amin’ny CRJST, ary ny fanombohana ny Tsena Mora tao Tanambao V.

Vary Tsinjo milanja 21.000 taonina no tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina izay haparitaka manerana ny Nosy. Misy 2.300 taonina amin’ireo vary nafarana ireo no efa an-dalana hamatsy ny tsena eto an-drenivohitra sy any amin’ny faritra Avaratry ny Nosy. Efa tonga ao Toamasina ihany koa ireo ny simenitra Lucky milanja 12.000 taonina izay azo jifaina amin’ny vidiny mora. Teny amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny nijery ny fahatongavan’ireo entana ireo omaly. Efa an-dalana ihany koa ireo sambo mitondra vary 20 000 taonina sy simenitra 9 000 taonina hafa izay vinavinaina ho tonga amin’ny tapaky ny volana febroary. Hahatratra 60. 000 taonina ny totalin’ny Vary Tsinjo kendrena ho tonga eto Madagasikara ao anatin’ny telo volana voalohan’ity taona 2022 ity. Haparitaka manerana ny Nosy izy ireo mba hifehezana ny vidim-bary. Efa manara-maso ny fitsinjarana ireo entana ireo eny an-tsena ny Minisitera tomponandraikitra ary tsy nahitana fiakarany ny vidim-bary ankehitriny, araka ny fanazavana. Nanome baiko ny Filoha Andry Rajoelina ny hanafainganana ny fanafarana ireo entana ilain’ny mponina andavanandro ireo, ary ho fiomanana amin’ny fiatrehana ny rivodoza dia misy amin’ireo vary nafarana no hozaraina maimaim-poana amin’ireo Faritra tena tra-doza

Vatsy Tsinjo ho an’ny traboina

Taorian’izay dia nanolotra fanampiana ho an’ireo traboina amin’ny alalan’ny Vatsy Tsinjo tao amin’ny CRJST (Centre Régional de la Jeunesse etu Sport Toamasina) ny Filoha ho fankaherezana azy ireo. Nomarihan’ny Governoran’Atsinanana fa maherin’ny 3000 ireo traboina vokatry ny fiakaran’ny rano sy ny andro ratsy farany teo. Misy fianakaviana 50 tena voakasika tamin’izy ireo no notolorana fanampiana. Efa vonona ihany koa ny trano handraisana ireo traboina ho fiomanana amin’ny loza mety hateraky ny rivo-doza ho avy. Nitsidika izany ihany koa ny Filoha mivady. Nanome toromarika ireo tomponandraikitra isan-tokony ny Filoha fa tokony ho mailo sahady ka mila mifandamina dieny izao hiatrehana ilay rivodoza ho avy. Hentitra ny tenany fa mila hafainganina ny fanaovana ny karinem-pokontany manarapenitra misy ilay « QR code » izay mandamina zavatra betsaka eo amin’ny fizarana famatsiana sy ny fanisana ny mponina.

Natomboka tao Tanambao V ny Tsena Mora

Isan’ny fandaharam-potoan’ny Filoha Andry Rajoelina sy tomponandraikim-panjakana niaraka taminy nandritra ity fidinana ifotony ity ny fanokafanana tamin’ny fomba ofisialy indray ny Tsena mora ao andrenivohitr’i Betsimisaraka. Tao amin’ny fokontany Tanambao V no nanatanterahana izany hetsika izany. Nambaran’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, Atoa Edgard Razafindravahy fa an’ny vahoaka ny Tsena Mora ka mila arovana. Nilaza ny Filoham-pirenena fa ho fanampiana sy ho fitsinjovana ny vahoaka ho fanalefana ny vidim-piainana izay hatrehan’izy ireo no antony namerenana ny Tsena Mora. Indroa isan-kerinandro no hanaovana izany, ary hapetraka isaky ny boriboritany ao Toamasina. Mikasika ny vidin’ny entana, dia nilaza ny Filoha Rajoelina fa 1000 ariary ny kilaon’ny vary raha 5000 ariary no hanjifan’ny vahoaka ny vidin’ny menaka iray litatra. Nanafatra ny tenany fa « tsy azo ekena ny fanararaotana sy kolikoly amin’ny fivarotana ny vary mora eny anivon’ny Tsena mora ».

Fermer