Songadim-baovaoSosialy

FIATREHANA NY RIVODOZA BATSIRAI : Tsy mianatra ny mpianatra rehetra manomboka ny zoma izao

Efa tany amin’ny 840 Km atsinanan’Ambila Lemaitso distrikan’i Brickaville no nisy ny foiben’ilay rivodoza Batsirai omaly tamin’ny 4 ora tolakandro, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny foibe mpamantatra ny toetrandro. Eo anatrehan’izany, nisy ny fepetra samihafa noraisin’ny Filankevitry ny Minisitra omaly, ho fiatrehana ity rivodoza ity. Isan’izany ny fampiatoana ny fampianarana manomboka ny zoma izao. Eo koa ny tsy fiasana ho an’ny mpiasa rehetra any amin’ireo voasokajy ho “faritra mena”.

Fepetra maromaro no noraisin’ny Fitondram-panjakana, nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly, ho fiatrehana ilay Rivodoza Batsirai, izay efa mananontanona ny morontsirak’I Madagasikara tanteraka amin’izao fotoana. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiatoana ny fampianarana rehetra manerana ny Nosy manomboka ny zoma izao. Voakasik’izany fepetra izany avokoa ny mpianatra rehetra amin’ny fampianarana ankapobeny, ireo mpianatra eny amin’ny amin’ny anjerimanontolo, ireo eny amin’ny fampianarana teknika sy arak’asa, ireo mpianatra eny amin’ny toeram-panofanana mpiasam-panjakana. Miankina amin’ny fahalebiazan’ny fahavoazana na « ampleur des dégâts » eo amin’ny Faritra tsirairay no hiverenana any an-tsekoly na tsia ka ireo tompon’andraikitra isam-paritra no hanapaka izany fiverenana an-tsekoly izany.

Tsy miasa koa ny mpiasa izay tafiditra ao anatin’ny faritra mena. Araka ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjarampahefana, omaly, tao amin’ny fahitalavi-pirenena, dia tsy miasa ihany koa ireo ireo mpiasam-panjakana raha tsy ireo manao ny “services essentiels” tsy azo ialana ihany. Ny mpiasa tsy miankina ihany koa dia tsy tokony hiasa fa ankinina amin’ny orinasa tsirairay avy ny mamaritra ireo mpiasa tsy maintsy miasa noho ny antony tsy azo ialana.

Fepetra samihafa

“Tsy maintsy raisina haingana ny fepetra amin’ny zava-misy amin’ny toerana tsirairay, hialana amin’ny fahafatesana mety hateraky ny tondra-drano sy tany mihotsaka”, hoy ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana. Ny tomponandraiki-panjakana rehetra amin’ny faritra voakasika dia efa nomena baiko hanohy ny fiomanana sy fampiomanana ny olona, indrindra izay tsy maintsy hafindra monina. Efa vonona daholo ihany koa, etsy ankilany, ny sekoly sy toerana samihafa hametrahana ireo traboina. Vonona koa ny tomponandraikitra isan-tokony amin’ny fikarakarana ny sakafo sy ny fahasalamana ary rano ho an’ny traboina, hoy hatrany ny minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.

Araka izay dia zava-dehibe, hoy ny tatitry ny Filankvitry ny Minisitra omaly ny fiomanana amin’ny fandraisana ireo fepetra isan-tokantrano, toy ny labozia sy ny rano, ny tokony hanamafisana ny tafo, ny fanasiana gonim-pasika eny ambonin’ireo tafona trano hita hampiahiahy, ny fanapahana ny hazo avo manakaiky loatra ny trano izay mety hianjera, ny fialan’ireo olona rehetra monina sy mipetraka eny amin’ny toerana iva izay tokony mamonjy avy hatrany ny toeran-tsekoly fandraisana traboina efa voatokana ho amin’izany. Nampahafantarina nandritra ny filankevitry ny Minisitra omaly ihany koa fa hisy ny Fandaharana manokana handeha ao amin’ny Televiziona TVM sy Radio RNM manomboka anio. Izany dia hiarahana amin’ireo tompon’andraikitry ny BNGRC sy ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro ary hatao indrindra hanomezana vaovao tsy tapaka ny mponina rehetra ao anatin’ireo faritra voakasika ireo, ary hanomezana ireo toromarika hiatrehana ny rivodoza.

Fermer