Songadim-baovaoSosialy

FAMPISITRAHANA RANO FISOTRO MADIO : Nanolotra vola 200 tapitrisa dolara ny Banky iraisampirenena

Ho fanatrarana ny tanjona napetraky ny Filoham-pirenena amin’ny fanomezana rano fisotro madio ho an’ny Vahoaka, araka ny velirano faharoa, dia nisy ny fihaonana teo amin’Andriamatoa Ladislas Adrien Rakotondrazaka, Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana sy  ny solontena maharitry ny Banky Iraisampirenena eto Madagasikara, Ramatoa Marie-Chantal Uwanyiligira sy ny mpiara-miasa aminy izay manampahaizana manokana momba ny Rano sy ny Fanadiovana, Andriamatoa Pierre Boulenger. Fihaonana izay niresahana manokana ny « Projet d’Amélioration de l’Alimentation en Eau Potable de Madagascar » na PAAEP. Ity tetikasa ity dia entina  hanatsarana ny fanomezana rano fisotro madio ho an’ny mponina eto Antananarivo sy tanàn-dehibe dimy hafa toa an’ Antsiranana, Mahajanga, Manakara, Antsirabe ary Fianarantsoa. Mitentina 200 tapitrisa dolara ny tetibidin’ity tetikasa izay ho vatsian’ny Banky Iraisampirenena vola ity. Nanambaran’ny Minisitra nandritra izany  fa «  Malagasy maro no hahazo tombontsoa amin’ity tetikasa ity, ary manaporofo izao fa atokisan’ny vondrona mpamatsy vola ny Fitondram-panjakana matoa izy ireo manome famatsiam-bola goavana be toy izao, indrindra ho an’ny sehatra rano, fanadiovana sy fidiovana eto Madagasikara ».

Tsiahivina fa notontosaina ny 01 febroary 2022 lasa teo  ny fihaonana teo amin’ny Ministeran’ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana sy  ny solontena maharitry ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara.

Fermer