Songadim-baovaoToekarena

VINAN’NY FILOHAM-PIRENENA : Miroso ny tetikasa « Centrale Solaire » ao Mahajanga

Antoka lehibe amin’ny famahana ny olan’ny mponina amin’ny lafiny ny herinaratra ny fampiasana ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Anisany vinan’ny Filoha Rajoelina Andry ny hampiparitaka izany manerana ny Nosy. Tetikasa izay mifanindra an-dalana rahateo amin’ny fitandroana ny tontolo iainana. Omaly, tonga nitsidika ny fizotry ny asa fananganana Foibe famokarana herinaratra mahatratra 17 Mégawatts mandeha amin’ny herin’ny masoandro, na Centrale solaire tao Andranotakatra, Belobaka, ny Governoran’ny Faritra Boeny, Andriantomanga Mokhtar Salim. “Misaotra ny Filoham-pirenena aho satria tsy araka izay tsikera mandeha fa manatanteraka ny vina nomeny ny Filoha ny amin’ny hanatsarana ny herinaratra” hoy izy. Tosika lehibe hahafahana manatsara ny famatsiana ny herinaratra ao Mahajanga sy ny manodidina ity “Centrale solaire “ity, hoy ihany ny Governora, no sady hampihena tsikelikeky ny vidin’ny herinaratra.

Hatao in-telo miantoana ny asa

Araka ny fanazavana, velarantany mirefy 42ha no hisy ity “Centrale solaire” ity. Takelaka na “panneaux solaires” miisa 35 000 no hapetraka eo hamokatra herinaratra hatramin’ny 17 Mégawatts. Ka in-telo miantoana no hametrahana izany, izany hoe, ho vitaina afaka roa vola ny  1,2 Mégawatts, amin’ny volana marsa 2021 kosa ny 10,8 Mégawatts no vita, ary 05 Mégawatts dia ho tratrarina amin’ny faran’ny taona 2021. Tsara ho fantatra fa ho ampifandraisina amin’ny herinaratra vokarin’ny Jirama ankehitriny ny vokatra azo amin’ity “Centrale solaire” ity ka hanome ny atao hoe “éléctiricité hybride”, ary ny Jirama ihany koa no miandraikitra ny fitsinjarana azy amin’ny mpanjifa. Ny orinasa Green Power, izay mpampiasa vola iraisan’ny Kanadiana sy ny Malagasy ary Maorisiana no manamboatra ity “Centrale solaire” ity. Efa vita ny tamboho manodidina, eo am-pandravonana ny toerana hametrahana ireo panneaux ankehitriny, no dingan’ny asa.

Fermer