PolitikaSongadim-baovaoSosialy
TAKAITRA NOHO NY RIVODOZA: Nitondra vahaolana ho an’i Farafangana sy Fianarantsoa ny Filoham-pirenena
Taorian’ny Distrikan’i Manakara sy Mananjary izay notsidihin’ny Filoha ny Alatsinainy teo, anjaran’I Farafangana sy Fianarantsoa indray no nisitraka ireo anjara fanampiana sy tohana avy amin’ny Fitondram-panjakana, taorian’ny fandalovan’ny Rivodoza Batsirai, farany teo. Hamboarina ireo fotodrafitrasan’ny Fanjakana rava, hozaraina ny Vatsy Tsinjo, halefa hamatsy ireo tsena any an-toerana ireo Vary Mora, sy ny sisa maro hafa koa, ireo tamin’ny ankapobeny no fanampiana niraisan’ireo distrika notsidihin’ny Filoha.
Nanambara ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny mponina tao Farafangana fa na mora na sarotra dia tsy maintsy mifanampy isika fa tsy mifanary. Tsy maintsy hanampy anareo izahay hanorina sy hanamboatra an’i Farafangana hoy izy. Tamin’izany no nilazan’ny Filoha fizarana Vatsy Tsinjo izay misy ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Hisy koa tafo fanitso 753 omena maimaimpoana hozaraina amin’ireo rava trano ka ny Governora sy ny ben’ny tanàna no hitsinjara izany. Hisy koa fizarana Vary tsinjo sy Vary mora hamidy amin’ny vidiny mirary 1000 ariary ny kilao. Hojerena ny fotodrafitrasam-panjakana simba. Hojerena ihany koa ny herinaratra ary hasiana Park solaire ao Farafangana hamahana ny olan’ny fahatapatapahan’ny herinaratra. Eo koa ny gymnase hatao eto mba hanaovana hetsika maro sy handraisana ireo traboina rehefa tonga ny loza toy izao.
Taorian’izay dia nitsidika ny EPP Anivorano izay rava tanteraka ny Filoha mivady sy ireo minisitra vitsivitsy miara-dia aminy. Tsy mianatra ny mpianatra taorian’ny nandalovan’i Batsirai satria rava ny sekoly. 320 ny mpianatra ao an-toerana. Maro ireo niala an-daharana ary tsy ampy ny trano fianarana. Tokony ho efitrano 6 no ao farafahakeliny. Namboarina taminy taona 1958 ity sekoly ity kanefa dia tsy nisy fanamboarana mihitsy hatramin’izay. Nambaran’ny Filoha, araka izany, fa tsy maintsy amboarina daholo ny sekoly rava ary omena kits scolaires daholo ny ankizy any amin’ny distrikan’i Farafangana sy ny Faritra Atsimo Atsinanana. Nisy koa ny fizarana sakafo masaka tao amin’ny CEG Fenoarivo taorian’izay. Miisa 1330 ireo traboina nisitraka izany.
Lisea sy oniveriste tao Fianaranatsoa
Ny tolakandron’ny omaly kosa no nitsidika tao Fianarantsoa renivohitra ny Filoha mivady. Ny fitsidihana ny fahavoazana tao amin’ny Lycée Raherivelo Ramamonjy no nanombohana izany. Tamin’ny 1961 no vita ny Lisea. Namoaka olomanga betsaka ary anisan’izany ny Governora sy Ben’ny tanàna ao Fianarantsoa. Isan’ireo sekoly lasitry ny rivodoza Batsirai ity lisea ity, ka nanomezan’ny Filoham-pirenena toky ny fanavaozana azy indray, ary ho atao manarapenitra.
Taorian’izay dia nitsidika ny Oniversiten’i Fianarantsoa ao Andrainjato ny delegasiona avy eo. Nijery ny » kianjan’ny serasera sy ny LMD ». trano goavana vao nahorina ahafahan’ny mpianatra manao connexion gratuit. Misy solosaina 150 sy tablettes 50 eto. Toerana fanaovana hetsika lehibe sy fialam-boly ary fijerena baolina miaraka. Misy cache point sy snack ary services photocopie sy impression amin’ny vidiny mirary anaty cité. Nitondra takaitra ny trano saingy efa vita ny fanarenana. Nafana dia nafana ny fandraisan’ny mpianatra université Andrainjato ny Filoha. Tao anaty horakoraka sy hafaliana. Ahitana ny zanaky ny faritra rehetra ao an-toerana, isan’izany ny avy ao Androy, Sofia, Vatovavy, Fitovinany…
Hetsika asa tanamaro (HIMO)
Nidina teto amin’ny Fokontany Ambatomena avy eo ny Filoha. Fanombohana ny asa tanamaro (HIMO) fanamboarana fikorianan-drano. 450 ireo manao ny asa eto ka mandray 5000 ariary isanandro mandritra ny 20 andro. Mahazo 1 hetsy ariary araka izany izy ireo rehefa vita ny asa. Marihina fa traboina ireo manao ny asa ireo. Fametrahana gony sy fambolena bararata hiarovana ny toerana izay mihotsaka no atao. Hisitraka Tosika fameno 1 hetsy ariary ihany koa ireo mpisitraka ireto. Nanamarika ny Filoha fa tokony hoesorina ireo trano efa tena ahiana hihotsaka eto Ambatomena. 172 ny isan’ny mponina eto amin’ity tevana ity ary misy tokatrano ménages 48. Omena Vatsy tsinjo avokoa ireo tokantrano ireo.
Fizarana Vatsy Tsinjo tao Fianarantsoa
Nisitraka ny fanampiana Vatsy Tsinjo avy amin’ny Filoha ihany koa ireo mponin’I Fianarantsoa. Tsy mifanary isika ao anatin’ny sarotra, hoy ny Filoha. Betsaka ireo rava fananana sy tsy manan-kantenaina intsony. Araka izany, vary iray gony isaky ny tokatrano no natolotra ary ny fokotany voadona tamin’iny rivodoza iny dia mahazo avokoa. “Mila mifanohana isika amin’ny fotoan-tsarotra. Tsy maintsy atomboka ny Fanomezana Karinem-pokontany manarapenitra eto fianarantsoa handrindrana ny fizarana fanampiana”, hoy ny Filoha. Rehefa vita io dia hatomboka hizara Tosika fameno 100 000 ariary isaky ny fianakaviana. Sambany teto amintsika no nisy vola 40 tapitrisa dolara avy amin’ny mpiara-miombona antoka hozaraina amin’ireo sahirana manerana ny Nosy, hoy izy. Hahazo fanampiana toy izao avokoa ny distrika rehetra eto Fianarantsoa, Isandra, Lalangina ary Ambohimahasoa… Nohamafisin’ny Filoha fa tsy maintsy harenina avokoa ny biraom-panjakana, ny lalana izay simba. Hisy fikaonan-doha lehibe hijerena oe aona ny hanarenana ny tantsaha sy ny sehatry ny fambolena. Nisy ny fizarana hazavana ho anao teto. Nizara sakafo masaka ho an’ny vahoaka traboina ihany koa ny Filoha Rajoelina mivady.



