PolitikaSongadim-baovaoSosialyToekarena
TAKAITRA NAVELAN’I BATSIRAI: Tafaverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena fahafito
Omaly no andro fahatelo sady farany amin’ny fitsidihan’ny Filoham-pirenena ireo toerana tena nitondra takaitra mavesatra noho ny fandalovan’ny Rivodoza Batsirai. Niainga tao Fianarantsoa ny dian’ny Filoha, izay nihazo ny lalam-pirenena fahafito, ary tsy nijanona raha tsy tany Ambalavao. Isan’ny natrehin’ny Filoha manokana ny famerenana amin’ny laoniny indray ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena fahafito, taorian’ny fahatapahan’ny tetezana teo amin’ny Kaominina Iarintsena, ao amin’ny Distrikan’Ambalavao.
Nisongadina tamin’ny dian’ny Filoha Andry Rajoelina mivady tao amin’ny Distrikan’Ambalavao omaly ny fijerena ny tetezan’Iaritsena izay tapaka vokatry ny fandalovan’i Batsirai. Niakatra tany ambonin’ny tetezana ny rano ka nahatonga ny voina. Nirefy 6 metatra no nirodana tanteraka. Ny fametrahana tetezam-by ihany, araka izany, no vahaolana. Ity fahasimbana ity izay tsara ho fantatra fa nitarika fahatapatapahan’ny RN7 ary maro ireo olona sy entana tavela tao an-toerana efa andro maromaro izao. Niteraka fahasahiranana ho an’ny vahoaka izany ary niato ny famatsiana ireo entana ilain’ny vahoaka andavanandro. Taraiky tao ihany koa ny Vatsy tsinjo sy ireo fanampiana ho an’ny traboina any Toliara. Nalefa nanomboka omaly avokoa ireo taorian’ny fisokafan’ny lalana izay natrehan’ny Filoha Andry Rajoelina. Eo koa ny fiarabe mitondra fitaovan’ny Jirama hanavotana ny jiro tapaka rehetra any amin’ny Faritra Atsimo. Marihina fa naharitra valo ora ny fametahana ny “pont Bailey”, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Asa Vaventy. 40 taonina kosa no zakan’ny tetezana vaovao.
EPP Vohibato
Tsara ho fantatra fa nandeha tamin’ny fiara ny Filoha mivady nihazo ny Distrikan’Ambalavao. Teny andalana no nahitany ny fahasimban’ny EPP Atalata Ampano, Distrika Vohibato izay misy mpianatra 700. Tena efa antitra ny EPP Vohibato satria efa 120 taona. Ho vahaolana fohy ezaka aloha dia nangatahan’ny Filoha ny refin’ny tafo fanitso ilaina ka anio ihany Dia ho tonga any an-toerana izany mba hiverina hianatra haingana ny mpianatra. Hanamboarana sekoly manarapenitra ihany koa ao amin’ity sekoly ity, raha ny voalaza hatrany. Ankoatra izay, nidina nijery ny tetezana Andrianatara Mandranofotsy, eo amin’ny Fokontany Atalata centrale, Commune rurale Talata Ampano avy eo ny Filoha rehefa naheno ny fitarainan’ny mponina. Simban’ny rivodoza teo ity fotodrafitrasa ity. Na ny vy sy ny fitaovana rehetra ilaina amin’ny hanaovana azy aza lasan’ny rano avokoa. Kaominina telo anefa no ampitohizin’izy ity dia Vohimarina, Andoharanomaitso sy Talata Ampano. Difotry ny rano io tetezana io taorian’ny rivodoza. Nanome toromarika ny Filoha fa mila atao farak’izay haingana ny fanarenana azy io.
Fizarana Vatsy Tsinjo tao Ambalavao
Taorian’izay dia nihazo ny sekoly Ambalamahasoa Nord, Commune urbaine Ambalavao nanao ny fizarana Vatsy tsinjo hoan’ireo traboina ny delegasiona. Niaiky ny Filoha nandritra ny fandraisam-pitenenany, fa mafy ny takaitra nahazo ny Distrikan’Ambalavao. Hijery ny zavatra tokony harenina, araka izany, ny antondian’ny Filoha mivady. Betsaka ny rava fananana ary maha ontsa ny fo ny mahita ireo mpiray Tanindrazana Simba fotom-pivelomana sy traboina, hoy izy. Mbola betsaka koa ny mila arenina manerana an’i Madagasikara. Nanome toromarika ny Filoha fa manomboka zoma izao dia tsy tokony hisy minisitra mipetraka intsony eto Antananarivo fa tokony ho samy midina any amin’ny Faritra ahiany avy ny Minisitra tsirairay. Nitondra vahaolana amin’ny vidim-piainana sy ny sosialim-bahoaka ihany koa ny Filoha, tamin’ny fitondrana Vatsy Tsinjo, ny Vary Tsinjo izay amidy amin’ny vidiny mora, ary ny Vary Mora. Nampitandrina ireo mikasa hanararaotra ny fahoriam-bahoaka, noho izany, ny Filoha.




