PolitikaSongadim-baovao

GOVERNEMANTA: Nametra-pialana ny Minisitry ny Fitsarana, Imbiki Herilaza

Anaty lojikany tanteraka ny fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Repoblika nanaiky ny fametraham-pialan’ny Minisitry ny Fitsarana Imbiki Herilaza, taorian’ireo resabe mahakasika ity farany. Efa nisafidy ny andala ny tany tan-dalàna i Madagasikara. Ny Fitondram-panjakana ankehitriny koa nametraka ho laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly. Na izany aza, ny fanekena ny fialan’ny Minisitra Imbiki Herilaza dia tsy manamarina avy hatrany ny maha meloka ny tenany tao anatin’ireny raharaha ireny. Ny fanadihadiana no hanamarina na handiso an’izany.

“Taorian’ny fametraham-pialàna izay nataon’Atoa Imbiki Herilaza amin’ny maha-Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana azy, ny zoma faha 11 febroary 2022 teo, dia noraisina ny didimpanjakana laharana faha 2022 – 227 tamin’ny 12 febroary 2022 izay anamarinana izany fametraham-pialàna izany. Ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy no voatendry hisolo toerana azy, mandra-panendry izay ho Minisitry ny Fitsarana vaovao”, io no fanambarana nataon’ny seraseran’ny Fiadidiana ny Repoblika omaly hariva.

Ho an’ny mpanara-baovao, dia nahafantatra tsara ny fivoahan’ny raharaha kolikoly avo lenta niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera sosialy Facebook, izay naha voatonontonona ny anaran’Andriamatoa Imbiki Herilaza. Honoram-peo sy horonan-tsary vitsivitsy no niparitaka, izay nahenoana hatrany ny feon’ny Minisitra teo aloha Imbiki Herilaza. Tsy voafaritra mazava ny tena anton-dresaka fa ny iarahan’ny rehetra nahare dia ny fisian’ny adivarotra ara-bola teo aminy sy ilay olona mifampiresaka taminy, izay vola anjatony tapitrisa maro. Vola atao inona tokoa moa izany? Raha ny fanambaran’ilay olona nanaparitaka azy tamin’ny tambajotran-tserasera, dia kolikoly naloan’ny teratany vahiny iray tany amin’Andriamatoa Imbiki Herilaza io volabe mahatratra 400 tapitrisa ariary io, natao antoka hanafahana olona izay voasaringotra tamina raharaham-pitsarana. Nandiso izany anefa ny Minisitra, araka ny fanambarana nataony tao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook ihany, izay nilazany fa vola nifampivarotana tany no nifampiresahana tamin’io fotoana io, fa tsy resaka kolikoly amina raharaham-pitsarana izany. Eo indrindra no mijanona ny raharaha ankehitriny, inona no tena marina?

Tsy midika fa meloka izy…

Everin’ny rehetra, araka izany, fa noho iny raharaha iny no nahatonga izao fanapahan-kevitra rehetra izao. Tsara tsindriana kosa anefa, fa ny fametraham-pialany, na ny naneken’ny Filohan’ny Repoblika ny fametraham-pialana, dia tsy manamarina velively ny maha meloka ny Minisitra teo aloha Imbiki Herilaza. Efa misokatra rahateo ny fanadihadiana momba ireny raharaha ireny.

Tany mandala ny Fanjakana tan-dalàna I Madagasikara. Ny Fitondram-panjakana ankehitriny ihany koa dia nametraka ho vaindohan-draharaha ny ady amin’ny kolikoly sy ny fangaraharahan’ny asam-pitsarana. Eo anatrehan’izany, ara-dalàna ny fametraham-pialan’Andriamatoa Imbiki Herilaza mba hahafahana miroso, amin’ny fomba mangarahara kokoa ny tena marina mahakasika ireny raharaha ireny. Na ny Minisitra teo aloha Imbiki Herilaza tenany aza dia efa niteny mahitsy, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety tamin’ny herinandro lasa teo, fa maniry ny hisian’ny fanadihadiana sy ny hivoahan’ny marina mahakasika ireny horonam-peo sy horonan-tsary miparitaka ireny.

Fermer