Songadim-baovaoSosialy
MANANJARY: Manomboka miverina amin’ny laoniny ny famatsian-drano
Tsy olana teo anivon’ny herinaratra ihany no takaitra navelan’ny rivodoza Batsirai ny tanànan’i Mananjary, fa nisedra olana ihany koa ny famatsian-drano. Manoloana izany indrindra, ary araka ny toromarika avy amin’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, dia niverina tao Mananjary ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, Andriamatoa Ladislas Adrien Rakotondrazaka ny faran’ny herinandro teo, nijery ny famerenana haingana ny famatsian-drano ao antampon-tànanan’i Mananjary, Faritra Vatovavy.
Efa nanomboka ny zoma teo ny fijerena ifotony natao, ary hita tamin’izany fa miverina mihodina amin’ny ampahany ny famatsian-drano ka efa 40 isan-jaton’ireo vahoaka no misitraka izany. “Ny Filohampirenena dia nanome toromarika amin’ny famerenana haingana io famantsian-drano io ka efa ao an-toerana ihany koa ireo tekinisianina rehetra manampahaizana manokana amin’ny fanadiovana rano”, hoy ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Rano. Niaraka nitsidika ny « station de pompage » ary nanao ny tombana amin’ny famerenana 100 isan-jato ny famatsian-drano ao Mananjary ny Minisiteran’ny Rano Fanadiovana sy Fidiovana, Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo, ary ny Jirama sy ireo mpisehatra rehetra amin’izany. Nisy koa, araka izany, ny fivoriana fandrindrana ny tetikasa fanadiovana rano ao amin’ny distrikan’i Mananjary izay hiarahana amin’ireo mpisehatra sy mpiara-miombona antoka rehetra ao an-toerana.
Nandritra ny fandalovany tao Mananjary, nanotrona ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Andriamatoa Tahina Razafindramalo izay mpiahy ny ao amin’ny Faritra Vatovavy ihany koa ny Ministra Ladislas Adrien Rakotondrazaka ka nizara vary ho an’ireo vahoaka sahirana tao Mananjary izy ireo.




