PolitikaSongadim-baovao

RAHARAHA IMBIKI HERILAZA: « Aleo hitohy ny fanadihadiana hivoahan’ny marina »

Mbola raharaha mitana ny sain’ny mpanara-baovao hatramin’izao ny mahakasika ny raharaha maha voatonontonona ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha, Imbiki Herilaza, izay efa nametra-pialana ny zoma lasa teo. Tena meloka tokoa ve sa madio Andriamatoa Imbiki Herilaza? Nilaza ny heviny omaly ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, sady Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, izay nanamafy ny tokony hanohizana hatrany ny fanadihadiana.

“Aleo hitohy ny fanadihadiana. Aleo hivoaka ny marina. Tsy hitora-bato azy isika, na hiaro azy, fa tokony hijery amin’ny fomba mahitsy”, izay raha fintinina ny fanehoan-kevitry ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, omaly raha nanontanian’ny mpanao gazety mahakasika ny raharaha fametraham-pialan’ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha, Imbiki Herilaza. Ny raharaha rahateo mbola ao anaty fanadihadiana ka manahirana ny miresaka azy. Notsindriany kosa anefa fa nanana ny antony ny Filohan’ny Repoblika matoa nanaiky ny fametraham-pialan’ny Minisitra Imbiki Herilaza. Nodisoany, araka izany, ireo milaza fa nisy tsindry avy amin’ny tambajotran-tseratsera sosialy Facebook ireny fanapahan-kevitra rehetra ireny. Misy mihitsy aza ireo milaza fa miainga amin’ny tambajotran-tserasera sosialy Facebook ny fanapahan-kevitra rehetra raisin’ny Fitondram-panjakana ankehitriny. Fanambarana izay nodisoany ihany koa. Nambarany fa manana ny fototra itoerany ny fanapahan-kevitra raisin’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra. Na izany aza, tsy misy afaka milaza hatreto fa meloka na tsia ny Minisitra teo aloha Imbiki Herilaza.

 Fanjakana tan-dalàna

Tsiahivina fa taorian’ny fametraham-pialàna izay nataon’Atoa Imbiki Herilaza amin’ny maha-Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana azy, ny zoma faha 11 febroary 2022 teo, dia noraisina ny didimpanjakana laharana faha 2022 – 227 tamin’ny 12 febroary 2022 izay anamarinana izany fametraham-pialàna izany. Ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy no voatendry hisolo toerana azy, mandra-panendry izay ho Minisitry ny Fitsarana vaovao.

Tany mandala ny Fanjakana tan-dalàna I Madagasikara. Ny Fitondram-panjakana ankehitriny ihany koa dia nametraka ho vaindohan-draharaha ny ady amin’ny kolikoly sy ny fangaraharahan’ny asam-pitsarana. Eo anatrehan’izany, ara-dalàna ny fametraham-pialan’Andriamatoa Imbiki Herilaza mba hahafahana miroso, amin’ny fomba mangarahara kokoa ny tena marina mahakasika ireny raharaha ireny. Na ny Minisitra teo aloha Imbiki Herilaza tenany aza dia efa niteny mahitsy, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety tamin’ny herinandro lasa teo, fa maniry ny hisian’ny fanadihadiana sy ny hivoahan’ny marina mahakasika ireny horonam-peo sy horonan-tsary miparitaka ireny.

Fermer