PolitikaSongadim-baovao

FANENJEHANA AZY AMIN’NY « FACEBOOK » : Nitondra ny fanehoan-keviny ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo

« Ny tenako dia tsy mbola tafiditra tanatina raharaha kolikoly na fanodinkodinam-bolam-panjakana, na ihany koa endrika tsy fanarahan-dalàna ka tokony hitarika hatramin’ny fanesorana ahy. Hatreto, resaka mahakasika ny fiainako manokana no hanenjehana ahy, zavatra izay tsy mbola voamarina ihany koa », hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly, raha namaly ireo mpikirakira tambajotran-tserasera Facebook izay mitaky ny fametraham-pialany.

« Tokony hametra-pialana amin’izay…, tokony ho esorin’ny Filohan’ny Repoblika fa ahenoana dosie matetika…, fa angaha tsy azo kitihina mihitsy ?… Hatahoran’ny Prezida mihitsy izy mivady ireto, sy ny sisa », tahaka ireo amin’ny ankapobeny ny fanehoan-kevitry ny mpikirakira tambajotran-tserasera Facebook sasany mahakasika ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo sy ny vadiny. Fanakianana sy fanehoan-kevitra izay tsy manana antony mazava sy mafonja, fa mitofotra amin’ny « halako bika tsy tiako tarehy ».  Nanamafy izany indrindra ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly, raha naneho hevitra, fa tsy mbola tafiditra tanatina raharaha kolikoly na fanodinkodinam-bolam-panjakana, na ihany koa endrika tsy fanarahan-dalana mihitsy ny tenany. Izany indrindra, hoy izy, no manahirana ny mpanohitra ka antony hamoronana ireo dosie mahakasika ny fiainana manokana. Ankehitriny, saika fanenjehana mikasika ny fiainana manokan’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo sy ny vadiny no ataon’ny mpiserasera amin’ny Facebook. Ilay fanenjehana mahakasika fiainana manokana ihany koa anefa tsy mbola voaporofo akory ny fahamarinany mandraka ankehitriny.

Fampiasana tambajotra sosialy Facebook ?

Mampametra-panontaniana, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly, hoe rehefa inona no tokony ho eken-teny ny Facebook ? dia rehefa inona no tsy tokony ho arahina? Notsiahiviny mantsy, fa raha nandray ny fanapahan-kevitra nanaiky ny fametraham-pialan’ny Minisitra teo aloha Imbiki Herilaza ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina dia nirehitra ny fanehoan-kevitra tao amin’ny Facebook nilaza fa, miainga ao amin’ny Facebook avokoa ny fanapahan-kevitry ny Fitondram-panjakana. Toa te haneho fa tsy manana fahamatorana amin’ny fomba fandraisana fanapahan-kevitra ny Mpitondra ankehitriny, fa miainga amin’izay resahan’ny Facebook fotsiny. Etsy ankilany anefa, mirehitra ihany koa ny fanehoan-kevitra fitakiana ny fialan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao amin’ny Facebook. Hatreto, tsy mbola nisy fanapahan-kevitra nanala azy tamin’ny toerany, ny tenany ihany koa tsy mbola nametra-pialana. Mitabataba indray avy eo ireo mpikirakira Facebook fa hoe tsy mihaino ny vahoaka mihitsy ny Mpitondra. Noho izany indrindra no mampipetraka ny fanontaniana manao hoe, rehefa iza na rehefa inona dia tokony ho eken-teny ny Facebook ? dia rehefa inona na rehefa iza dia tsy tokony ho arahina ?

Manana ny antony ny Filoham-pirenena

Notsiahivin’ity tomponandraikitra ity fa rehefa notendren’ny Filoha ny olona iray ao anaty Governemanta, dia manaiky ny hiala ihany koa rehefa tonga ny fotoana tokony hialana. Nambarany fa manana ny angom-baovao manokany ny Filohan’ny Repoblika sy ireo mpiara-miasa aminy. Diso tanteraka, noho izany, ny filazana fa miainga amin’ny Facebook ny fanapahan-kevitra raisin’ny Fanjakana. Mety efa mahalala vaovao mihoatra noho izay fantatry ny vahoaka aza ny Filohan’ny Repoblika amina tranga sasany. Dikany, manana ny antony ny Filoham-pirenena amin’ny fanalana na fihazonana ireo olona miara-miasa aminy, fa tsy voatery izay iniana voizina amin’ny Facebook sy ny haino aman-jery sasany akory. Na izany aza, nilaza ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, fa tsy hametraka olana mihitsy amin’ny fotoana rehetra izay tokony hialany ao amin’ny Governemanta. Tsy hitsanga-menatra, hoy izy amin’izay fotoana izay, satria mahatsiaro tena ho nahavita zavatra tao amin’ny departemanta minisiterialy izay notantanana. Tontosa daholo ny asa amin’ny maha Minisitra, ary koa ny amin’ny maha Mpitondra tenin’ny Governemanta, izay mbola hahazoany fanakianana betsaka ihany koa.

Ny Fanoratana.

Fermer