KolontsainaSongadim-baovao

MOZEA “HAVORIA” ETSY ANOSY : Vita ny 70%-n’ny asa goavana, vinavinaina hotokanana ny volana Jolay izao

Ny 27 oktobra 2021 no napetraka ny vato fototry ny Mozea Havoria izay aorina etsy amin’ny tokotany malalaky ny ORTM Anosy. Omaly, tonga nitsidika ny fandrosoan’ny asa fananganana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra misahana ny asa.

Efa mananika ny 70%-n’ny asa goavana (gros œuvres) amin’ny ankapobeny no efa vita tanteraka ao anatin’ny asa fananganana ny Mozea Havoria izay aorian’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina etsy amin’ny tokotany malalaky ny ORTM Anosy. Araka ny fanazavana, mifanindran-dalana ny fomba fiasan’ireo teknisiana miantsoroka ny asa, ka misy ampahany amin’izy ireo no miandraikitra avy hatrany ireo faritra efa azo vitaina tanteraka (finition), mba hanafainganana ny asa rehetra. Raha ny vinavina dia ny volana Jolay izao no hanaovana ny lanonam-panokanana ity Mozea Havoria ity. Nosafidiana manokana izany fotoana izany mba hifanaraka ihany koa amin’ny fanokafana ny fankalazana ny jobily faha 55 taonan’ny Televiziona Malagasy.

Tsiahivina fa ny 27 Oktobra 2021, izay andro maneran-tany ho an’ny harem-bakoky ny haino aman-jery no nametrahan’ny Filohan’ny Repoblika ny vato fototry ny Mozean’ny haino aman-jery. Nifanindran-dalana ihany koa izany tamin’ny fankalazana ny faha 90 taonan’ny RNM. Ny Havoria izay Mozea natao hitahirizana ny vakoka tsy tontan’ny ela momba ny haino sy ny jery, ka ny an’ny RNM sy TVM no hahazo vahana ao anatiny. Haranty ao avokoa ireo fitaovana rehetra nampiasain’ny haino aman-jerim-panjakana tamin’izany fotoana (objet de collection). Nambaran-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo fa raha misy ireo fitaovana afaka haranty ao anatin’ity Mozea ity avy amin’ireo haino aman-jery tsy miankina dia azo aseho soa aman-tsara ao amin’ny HAVORIA.

« Auditorium » iray lehibe

Hampiavaka ny Mozea Havoria ny fametrahana « Auditorium » iray lehibe ho an’ny haino aman-jerim-panjakana manokana azo anaovana fampisehoana tahaka ny amin’ireo haino aman-jery tsy miankina sasany. Hahazaka olona hatrany amin’ny 700 mipetraka ny toerana. Sambany hoy Ramatoa Minisitra vao mba hanana an’izany ny TVM sy ny RNM hatramin’izay. Hisy ny toerana fanaovana fampirantiana (salle d’exposition). Amin’ny maha mozea moderna azy tahaka ny fahita any ivelany rehetra dia hisy toerana fisakafoana izay azo hialamboly ihany koa ao anatiny ankoatra ireo birao samihafa. Hisy toerana fijanonan’ny fiara mahazaka hatramin’ny 40 fiara any amin’ny farany ambany, raha toa ka 150 fiara kosa no zakan’ny toerana aty ivelany.

Fermer