Voalaza fa nitombo ny isan’ny gadra namoy ny ainy tamin’ireo nitsoaka ny fonjaben’i Farafangana, ny alahady teo. Raha ny antontanisa voaray, 21 ny maty hatreto, 38 ny voasambotra ary 8 ireo naratra mafy. Mbola misy 22 ny ambiny mbola miriria karohina amin’izao. Efa nahetsika avokoa ny tompon’andraikitra any an-toerana hatramin’ny afak’omaly. Nandray fepetra hanamafisana ny fiambenana ny fonja rehetra ihany koa ny Ministeran’ny fitsarana.
Manoloana ity tranga ity, nivoaka tamin’ny fahanginany ny eo anivon’ny fandraharahana ny fonja momba ny antony nahatonga ireo mpiambina nitifitra ireo gadra nandositra. « Feno tanteraka ny fepetra tokony hampiasana fitaovam-piadiana. Aza hadinoina fa nanohitra ireo voafonja ka voatery nampiasa basy ny mpitandro ny filaminana. Raha misy ny fitsoahan’ny voafonja toy izao dia ahiana hikorontana ny filaminam-bahoaka ka tsy maintsy miezaka mandamina sy manenjika avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana. Ny ankamaroan’ireo gadra maty sy nandositra ireo ihany koa dia manana sazy faran’izay mavesatra, satria saika ho misazy mandra-pahafaty sy asa an-terivozna ny ankabeazany. Fifanjevoana henjana tao amin’io fonjan’i Farafangana io », raha ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny fandraharahana ny fonja eto Madagasikara, Tovonjanahary Ranaivo Andriamaroahina.
Gadra 88 ireo namaky fonja
Raha tsiahivina, ny alahady teo, tokony ho tamin’ny mitataovovonana, no niseho ny vaky fonja nataon’ny andiana gadra miisa 88. Nizara vondrona roa izy ireo, ka nisy ireo avy any amin’ny lafiny atsinanan’ny fonja, ary nisy ireo avy any andrefana. Tokony ho tamin’ny 12 ora, nanomboka nitoraka vato ireo mpiandry fonja ireo gadra avy ao amin’ny lafiny andrefana. Niaraka tamin’izay, niroso tamin’ny fitadiavana lalana avy amin’ny faritry ny toeram-pivoahana koa ireo voafonja avy tao atsinanana. Tsy nijanona tamin’izay, fa nataon’ireo gadra izay nahazoana ireo fitaovam-piadiana teny am-pelatanan’ireo mpiandry fonja, indrindra ny basy, izay nataon’izy ireo an-keriny. Tsy niandry ela, fotoana fohy taorian’izay, nahare ny zava-nitranga ny avy eo anivon’ny « Organe mixte de Conception » na ny OMC, ary nandray andraikitra avy hatrany ary izao niafara tamin’ny fahafatesan’ny sasany tamin’ireo gadra nitsoaka izao.


