PolitikaSongadim-baovao
ZOKIOLONA AO BONGOLAVA Mankasitraka ny ezaka tanterahin’ny Governoran’ny faritra
Ny sokajin-taona rehetra ao amin’ny faritra Bongolava dia mahita ny ezaka fampandrosona ny faritra tanterahin’ny Governora, avokoa. Anisany nanao fanamarihana izany ireo zokiolona tao an-toerana, nandritra ny fitsidihan’ny Jeneraly Ramiaramanana Joseph, azy ireo, omaly, tao amin’ny trano foiben’ny zokiolona, tao Tsiroanomandidy. Araka izany, naneho ny hafaliany tanteraka izy ireo, nandritra izany, noho io andro iray toa zato io teo amin’ny roa tonta, ka nahafahana nitafatafa sy nidinika, ary nanoloran’ity farany solombodiakoho ho azy ireo, amin’izao taom-baovao izao.

« Fanaoko matetika ny mitsidika ireo zokiolona ao amin’ity toby ity, satria mahafinaritra ahy ny mitafatafa amin’izy ireo, maka ny tso-drano sy ireo soso-kevitra avy aminy, hoenti-miatrika ny fampandrosoana an’i Bongolava », nanampy fanazavana ny Governoran’ny faritra, Jeneraly Ramiaramanana Joseph. Tetsy an-kilan’izany, nambaran’ireo zokiolona, fa ny fahatongavan’ity tompon’andraikitra ity teo amin’ny fitantanana ny faritra dia anisany nampiova endrika ny fampandrosoana ao an-toerana. Nankasitrahan’izy ireo, araka izany, ny fahavitan’ny rarivato tamin’ireo lalana nanjakan’ny riam-potaka hatramin’izay, ary ny fahazoana birao manara-penitry ny ankamaroan’ireo kaominina manodidina, izay nasiam-panavaozana avokoa. Anisan’izany koa ny fanavaozana ireo fotodrafitrasa efa antitra sy tsy manaraka toetrandro ankehitriny, ary ny fandriam-pahalemana izay efa mahazo laka tsikelikely ao amin’ny faritra, amin’izao fotoana. Nankasitraka ny Filohan’ny Repoblika izay tao ambadik’izany rehetra izany, araka izany, ny Governoran’ny faritra, izay nanosika sy nanampy betsaka azy ireo amin’ny fanatanterahana izany.



