PolitikaSongadim-baovao
ANDRY RAJOELINA ANY BRUXELLES : Mihaona amin’ny tomponandraikitra ambony samihafa ho fanamafisam-piarahamiasa
Mandray anjara feno amin’ny fivoriana an-tampony ny Vondrona Eropeana sy Vondrona Afrikana izay atao any Bruxelles ny Filoha Andry Rajoelina, nanomboka omaly. Feno ny fandaharam-potoanan’ny Filoha malagasy mandritra izao diany izao, izay saika miompana betsaka amin’ny fihaonana amin’ireo tomponandraikitra ambony maro samihafa ho fanamafisana ny fiarahamiasa eo amin’izy ireo sy Madagasikara. Mitohy anio ny fivoriana an-tampony sady famaranana ny fotoana. Andrasana ny fehinkevitry ny vondrona roa tonta ho an’ny vina amin’ny taona 2030.
Manana fandaharam-potoana feno ny Filoha Andry Rajoelina amin’izao diany any amin’ny fivoriana an-tampony ny Vondrona Eropeana sy Vondrona Afrikana izay atao any Bruxelles izao. Isan’izany ireo fihaonana amin’ny tomponandraikitra ambony samihafa ho fanamafisam-piarahamiasa. Ny 16 febroary 2022 teo ohatra, efa nihaona tamin’i Jutta Urpilainen, Commissaire européenne aux Partenariats internationaux, tao amin’ny Siège de la Commission Berlaymont au Rond-Point Schuman, ny Filoha. Omaly maraina kosa dia nihaona manokana tamin’ny Filohan’ny BEI- Banque européenne d’investissement Werner Hoyer sy ireo Filoha lefiny Ambroise Fayolle sy i Thomas Ostros ary i Maria Shaw-Barragan ( Directrice pays partenaire, direction des opérations) niaraka tamin’i Sean Fitzpatrick (Chef du bureau du Président) ny Filoha Andry Rajoelina, nialohan’ny fivoriana an-tampony. Efa mpiara-miasa akaiky amin’i Madagasikara nanomboka ny taona 1970 ny BEI tamin’ny sehatra maro. Isan’izany ny fanamboarana ireo lalana an-drenivohitra, ny fanarenana ny toho-drano sy ny fampidirana rano fisotro madio ao Antananarivo ary ny sehatry ny fitaterana. Omaly hariva kosa no notanterahana ny fiaraha-misakafo hanasana ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana atao ao amin’ny Musée Magritte, PI. Royale 1, 1000 Bruxelles, Belgique. Voaasa nanatrika izany ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina mivady.
Fivoriana an-databatra boribory
Marihina fa ao amin’ny Bâtiments Europa et Justus Lipsius, rue de la Loi 155, ao Bruxelles, renivohitr’i Belgique no tanterahina ny fihaonana an-tampony. Mandray anjara tanteraka amin’izany ny Filoha Andry Rajoelina. Nanatrika ny lanonana ho fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fivoriana an-tampony ny Filoha Andry Rajoelina niaraka tamin’ireo Filohampanjakana hafa omaly tolakandro. Taorian’izany, nanatrika sy nandray anjara ny fivoriana an-databatra boribory izay mandinika sy miady hevitra ireo lohahevitra mahakasika ny filan’ny firenena ny Filoha Andry Rajoelina. Isan’izany ny fivoriana an-databatra boribory tapany voalohany nandraisany anjara momba ireo lohahevitra mifantoka amin’ny fanatanterahana ny veliranon’ny Filoha Andry Rajoelina ho fanarenana ny fahataran’i Madagasikara. Isany lohalaharana amin’izany ny sehatry ny angovo sy ny fitrandrahana ny angovo hafa ( transition énergétique). Eo ihany koa ny lohahevitra momba ny fiovaovan’ny toetry ny andro izay tena mahakasika manokana ny Filoha Andry Rajoelina. Naverimberin’ny Filoha tamin’ireo lahateny samihafa sy fivoriana iraisampirenena samihafa nandraisany anjara fa mizaka ny mafy amin’ny vokatry ny fiovaovan’ny toetry ny andro ny ampahany amin’ny vahoaka malagasy kanefa tsy tompon’andraikitra niteraka izany akory izy ireo. Ny sehatry ny fitaterana ihany koa no isany lohahevitra an-databatra boribory, nandraisany anjara.
Mitohy anio…
Tsara ho fantatra fa miara-dalana amin’ny Filohan’ny Repoblika any an-toerana ny delegesionina nahitana ny Minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina, ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana Harifidy Ramilison, ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy Raharinirina Baomiavotse Vahinala ary teo ihany koa ny Masoivohon’i Madagasikara ao Belgique Omer Beriziky. Fantatra fa any an-toerana ihany koa ao anatin’izao dian’ny Filoha izao ny Vadin’ny Filohampirenena Mialy Rajoelina. Mitohy anio ny fivoriana an-tampony sady famaranana ny fotoana. Andrasana ny fehinkevitry ny vondrona roa tonta ho an’ny vina amin’ny taona 2030. Tao Abijan, Côte d’Ivoire no notanterahina ny fivoriana an-tampony faha-dimy ny Vondrona Afrikana sy Eropeana ny taona 2017, raha tsiahivina.


