PolitikaSongadim-baovao

ANTENIMIERA ROA TONTA: Hanomboka anio ny fivoriana tsy ara-potoana

Araka ny tatitry ny filankevitry ny Minisitra ny alakamisy 20 aogositra 2020, mivory tsy ara-potoana ny Antenimierandoholona sy ny Antenimirampirenena manomboka anio. Fivoriana izay tsy mihoatra ny 12 andro. Ny lahadinika amin’izany ny fanatanterahana ny voalaza ao amin’ny andininy faha-96 ao amin’ny Lalampanorenana mikasika ny « commission mixte paritaire » hoentina mandany ny volavolan-dalàna laharana faha 001/2020 tamin’ny 26 febroary 2020. Tsara tsiahivina fa ahitana didy hitsivolana telo ity volavolan-dalàna ity. Isan’izany ny momba ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny lalàna fehizoro mahakasika ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny Antenimierandoholona , ny fifidianana sy fanendrena ireo Loholon’i Madagasikara ary farany ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Eo anatrehan’izany, efa nisy ny fiantsoana ireo Loholona sy Solombavambahoaka nataon’ny seraseran’ny antenimiera roa tonta. Amin’ny 4ora tolak’andro ny fanokafana ara-pomba ofisialy ity fivoriana tsy ara-potoana ity, ho an’ny Antenimieran-doholona, etsy amin’ny Lapa Maitson’Anosikely. Eny amin’ny CCI Ivato kosa hivory ny  Antenimierampirenena, izay hanomboka amin’ny 3ora tolak’andro. Nilaza ny serasera avy eo anivon’ny Antenimierampirenena fa ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana no antony hanatanterahana ny fivoriana eny amin’ny CCI Ivato.

Tags
Fermer