PolitikaSongadim-baovao
FIOVAOVAN’NY TOETRANDRO: Nitaky ny hampiharana ny votoatin’ny fifanarahan’ny COP 21 sy COP 26 ny Filoha Rajoelina
Nandray anjara tamin’ny fihaonana an-databatra boribory tapany faharoa, ao anatin’ny fihaonana an-tampony fahenina eo amin’ny Vondrona Eropeana sy ny Vondrona Afrikana ny Filoha Andry RAJOELINA omaly 18 febroary 2022 izay notanterahina tao Bruxelles renivohitr’i Belgique. Lohahevitry ny fihaonana ny « fambolena maharitra sy lovainjafy » na ny « Agriculture durable ».
Tafiditra indrindra ao anatin’ny Veliranon’ny Filoha Andry Rajoelina ny fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena, hanatratrarana ny tanjona hanaovana an’i Madagasikara hahaleo tena ara-tsakafo sy ho fanatanterahana ny vina hamokatra eto an-toerana izay azo vokarina rehetra. Voakasiky ny fambolena maharitra ihany koa ny fiompiana sy ny sehatra hafa. Mifampiankina ihany koa anefa ny sehatry ny fambolena sy ny toetry ny andro. Mbola namerina sy nanamafy ny fandresen-dahatra amin’ny tokony hampiharan’ny firenena eoropeana ny votoatin’ ny fifanarahan’ny COP 21 sy ny COP 26 ho an’ny vokatry ny fiovaovan’ny toetry ny andro ny Filoha Andry Rajoelina tao anatin’ny fivoriana an-databatra boribory omaly. Fifanarahana izay mametraka ny tokony hanampian’ireo firenena eoropeana izay tomponandraikitra amin’ny fanaparitahana ny entona « gaz à effet de serre », ka manimba ny sosona ozonina ireo firenena iharan’ny vokatry ny fiovaovan’ny toetry ny andro. Samy narovan’ny Filoha Andry Rajoelina avokoa ny tombontsoan’i Madagasikara sy ny firenena afrikana izay samy ianjadian’ny vokatra mivantan’ny fiovaovan’ny toetry ny andro.
Raha ny fifanarahan’ny COP 21 sy COP 26 io, hisy hatrany amin’ny anjatony lavitrisa dolara ny tahiry maitso ho an’ny toetry ny andro « fond vert pour le climat » avy amin’ny firenena eoropeana tomponandraikitra amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro sy ireo firenena ianjadiany. Isan’ny tokony mahazo anjara amin’izany fanampiana izany i Madagasikara ka manodidina ny iray lavitrisa dolara izany. Endrika isehoan’ny fiovaovan’ny toetry ny andro eto Madagasikara ny andro ratsy izay mamely mafy ny firenena sy ny mponina ao aminy amin’izao fotoana izao. Rivodoza efatra no mahazo an’i Madagasikara tao anatin’ny iray volana latsaka monja. Tsy miandry fotsiny ny fifanarahana sy ny fampiharana izany anefa ny Filoha Andry Rajoelina. Vao nandray ny Fitondrana izy dia nataony laharampahamehana ny politika maitso ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana sy hisorohana ny fiovaovan’ny toetry ny andro.
Voly misy ny singa protéines…
Ankoatra izany voaresaka nandritry ny fihaonana ihany koa ny drafitr’asa iarahana amin’ny Vondrona Eoropeana sy ny Vondrona afrikana ho an’ny fampiroboroboana ny voly misy ny singa protéines( plan d’action conjoint pour la production de protéines végétales). Efa dinihina ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny drafitr’asa hahafahana manatanteraka ny fampandrosoana maharitra. Efa miroso amin’ny fanadihadiana ny fanaovana ny fambolena mitodika kokoa amin’ny vokatra misy protéine ihany koa i Madagasikara. Noresahina ihany koa ny momba ny fiatrehana ny haintany amin’ny alalan’ny fahaiza-mitantana ny rano. Mijery ny paikady ho fiarenan-doha aorian’ny tondrandrano noho ny andro ratsy sy ny haintany ihany koa ny Fanjakana araky ny novelabelarina nandritry ny fihaonana an-databatra. Mifantoka amin’ny fampiroboroboana ny fambolena ny fiarenan-doha ka laharampahamehana amin’izany ny famatsiana masomboly ny faritra sy ny toerana mizaka ny vokatr’ireo loza voajanahary ireo. Voaresaka ihany koa ny fotodrafitrasa izay mahazaka ireo loza voajanahary indrindra ny rivodoza mba hisorohana ny faharavana. Toy ny toho-drano sy ny tobim-panangonana vokatry ny tantsaha. Firenena eropeana maro ihany koa no vonona hanolo-tanana an’i Madagasikara amin’ny sehatry ny fambolena. Isan’izany i Pologne izay vonona hanampy amin’ny traikefa sy ny fahaiza-manao amin’ny sehatry ny fambolena.




