
Fanadihadiana ManokanaPolitikaSosialy
TAMBAJOTRAN-TSERASERA « FACEBOOK »: Sehatra fanehoan-kevitra vaovao mbola mila ianaran’ny Malagasy
Ara-dalàna sy araka ny tokony ho izy ve ny fampiasan’ny fiarahamonina malagasy ny tambajotran-tserasera sosialy ankehitriny, indrindra ny Facebook? Tena tahaka ny hampiasan’ny fiarahamonina azy amin’izao tokoa ve no tokony hampiasana ny Facebook? Nisy ny fanadihadiana nakana ny hevitry ny mpisehatra samihafa, hahafahana mamaly ireo fanontaniana ireo. Misongadina tao anatin’izany fa sehatra vaovao hahafahana maneho hevitra ny Facebook, saingy mbola mila mianatra sy mahafehy ny fomba fampiasana izany isika mba tsy hivaona.

Tafapetraka eto Madagasikara ny tanjona sy ny tena antom-pisian’ny “Facebook” voalohany, dia ny maha “Tambajotran-tserasera” azy, izany hoe, hiseraserana. Nohamafisin’Andriamatoa Lanto Ratsida, mpandinika fiarahamonina, fa tsy tokony hipetraka mihitsy ny olana amin’ny maha sehatra hahafahana maneho hevitra ny tambajotran-tserasera sosialy, toy ny “facebook”, saingy misy Etika tokony hajaina kosa ny fampiasana azy, indrindra rehefa hizara vaovao. Nambarany fa matetika tena hisehoan’ny adihevitra eny anivon’ny fiarahamonina ny famoahana dosie na raharaha mahakasika olona iray. Sarotra tokoa mantsy ny mamaritra ny fahamarinan’ny vaovao iray. Teo indrindra no nanambaran’ity mpandinika fiarahamonina ity fa “ilaina ny fahamatorana avy amin’ny mpampiasa ny Facebook mba hisorohana ny tranga mety hampiteraka adihevitra, na izany avy any amin’ny mpandefa ny vaovao, na ihany koa avy amin’ireo olona mandray ny vaovao”. Endrika fahamatorana voalohany indrindra takina dia ny fananana antoka ny fahamarinan’ilay vaovao haparitaka, na hita amin’ny tambajotran-tserasera. Notsindriany fa sehatra vaovao nahazoana fahalalahana maneho hevitra ny Facebook, ka vao mianatra miaina sy mampiasa izany isika eto Madagasikara.
Ambany ny adihevitra
Tsy azo ihodivirana ny tokony hisian’ny fanabeazana amin’ny fomba fampiasana ny Facebook. Ny fototr’olana eto amintsika anefa, araka ny nambaran’ity mpandinika fiarahamonina ity hatrany, dia tsy ny Facebook amin’ny maha fitaovan-tserasera azy loatra, fa ny fomba entina mamakafaka sy miady hevitra ao aminy. Izany hoe, ilaina fanabeazana ny fomba entina miady hevitra eto amintsika. Araka ny hita sy tsikaritra amin’ny “Facebook” tokoa, ambany dia ambany ny adihevitra entin’ny mpiserasera. Tsy fantatra mazava na noho ny antony ara-politika ve ? sa noho ny fankahalana olona iray diso tafahoatra ve ? sa fitiavana te hanala andro fotsiny tsotra izao ve? sa ihany koa tena hoe tsy fahalalana mihitsy? Raisintsika ohatra ny fizarana nataon’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny andron’ny Fetin’ny Mpifankatia, izay nanaovany fanehoam-pitiavana ny Vadiny niaraka tamin’ny sary sy ny firarian-tsoa. Tsy mifanaraka amin’izany velively anefa ny fanehoan-kevitry ny mpisera ao amin’ny Facebook, raha naneho hevitra, fa saika fanenjehana sy fandrabirabiana amin’ny resaka hafa izay tsy misy ifandraisany. Tranga hafa mateti-piseho ihany koa ny fanenjehana tomponandraikitra ambony, izay tsy noho ny asa sy ny andraikitra sahaniny, fa noho ny endrika amam-bika ananany. Tena izany tokoa ve ny tokony hanenjehana olona? Ohatra ihany ireo, fa betsaka ny tranga tahaka izany ao anatin’ny tambajotra. Mampametra-panontaniana ihany koa raha mba tahaka izany no fampiasan’ny Firenen-kafa ny Facebook any amin’izy ireo.
FANEHOAN-KEVITRA SAMIHAFA…
Ho an’i Patricia, 26 taona, renim-pianakaviana, « azo ampiasaina amin’ny sehatra marolafy ny fampiasana ny tambajotran-tserasera, toy ny amin’ny lafiny fianarana, eo amin’ny sehatry ny fitadiavana ary fizaram-baovao. Araka ny heviny hatrany dia ilaina ny hifehezana azy ity eto amintsika satria lasa zary manimba ny tanora izany ankehitriny. Misy amin’ireo olona sasany manely vaovao tsy marina ka isany miteraka savorivoro ny rehetra. Ao ihany koa ny fanaovana fiantsiana maro isan-karazany. Aminy, dia tokony hifanaja ny tsirairay ao anatin’ny fampiasana izany. Nohamafisiny fa tsy tokony hatao hifampihantsiana aman’olona ny fampiasana ny facebook fa natao hampiasaina, araka ny tokony ho izy, mba tsy hanafitohana ny olona manodidina ».
Ho an’i Fandresena, mpivarotra : « diso mivaona loatra ny fampiasana ny facebook eto amintsika. Satria ny tambajotran-tserasera natao hifanakalozana vaovao hoy izy fa tsy natao hanaovana zavatra hafa. Ilaina, hoy izy, ny fanabeazana ny tsirairay mba ahafahany maneho ny heviny an-kahalalahana. Aminy, dia tokony hatao ampahendrena ny fampiasana ny tambajotra tahaka itony ».
Nilaza kosa i Faniry, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo, fa « maro amin’ny Malagasy ankehitriny no tsy mahafehy ny fampiasana ny tambajotran-tserasera facebook fa manaraka be fahatany ny fanaon’ny hafa fotsiny, hany ka lasa manaonao foana. Vokany, tsy voahaja intsony ny kolontsaina maha malagasy. Ilaina amin’ny ankapobeny ny fifehezana izany, mba tsy hahasorena ny hafa. Tokony hampiharina amin’ireo mihoam-pefy kosa ny lalàna eo amin’ny lafiny ara-panehoan-kevitra mba ao anatin’ny fifanajana tanteraka. Ny faceboook dia natao hifampitaizana, hifanakalozam-baovao amin’ny maha tambanjotran-tserasera azy. »
NY LALÀNA NO AROFANIN’NY FAHALALANA MANEHO HEVITRA

Araka ny voalazan’ny fanambarana iraisampirenena momba ny zon’olombelona, ny 10 desambra 1948, ao amin’ny andininy faha 19, dia manana zo hanana hevitra sy haneho hevitra ny olombelona tsirairay. Etsy ankilany, mbola zo fototra iantohan’ny lalàmpanorenana malagasy ihany koa ny fahafahan’ny rehetra maneho hevitra. Araka ny voalaza ao amin’ny andininy fahafolo: “Ny fahalalahana maneho hevitra sy miteny, ny fahalalahana eo amin’ny fifandraisana, ny fahalalahana manao gazety, ny fahalalahana hiditra aminà fikambanana na hanorina fikambanana, ny fahalalahana hivory malalaka, ny fahalalahana mivezivezy, ny fahalalahana amin’ny fieritreretana sy amin’ny finoana dia samy iantohana ho an’ny rehetra ary tsy azo ferana raha tsy hoe ho fanajana ny fahalalahana sy ny zon’ny hafa sy noho ny fahaterena hiaro ny filaminam-bahoaka, ny fahamendrehan’ny firenena ary ny filaminan’ny Fanjakàna”. Araka io voalaza io, dia iantohan’ny lalàna fototra eto amintsika ny fahalalahana maneho hevitra, fa, voalaza ao ihany koa ny fetran’izay, hisorohana ny fihoaram-pefy.
Raha ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Serasera, Andriamatoa Fetra Rakotondrasoava, dia efa manana ny lalàna 2020-006, mifehy ny serasera amin’ny Haino Vaky Jery ihany koa isika eto Madagasikara, izay miresaka ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra, araka izay voalazan’ny andininy fahadimy. Mbola voarakitra ao amin’io lalàna io ihany koa ireo karazana sazy sy fepetra ho an’izay mihoa-pefy amin’ny fanehoan-kevitra ataony. Notsindriany, fa tahaka ny any amin’ny firenen-drehetra dia ny lalàna no fefin’ny fahalalahana maneho hevitra. Ny fametrahana ny lalàna anefa dia tsy midika ho jadona. Tsara ho fantatra fa misy firenena sasany any ivelany voarara ny fampiasana tambajotran-tserasera. Tsy vitsy ihany koa ireo firenena voafetra tanteraka ny zo maneho hevitra. Tsy tahaka izany isika eto Madagasikara, amin’ny maha tany demokratika antsika. Misy ny fahalalahana maneho hevitra saingy fefen’ny lalàna izany.

Iray amin’ireo tambajotran-tserasera sosialy malaza eran’izao tontolo izao ny Facebook. Ity farany izay hahafahan’ireo olona mampiasa azy, mandefa sary, horonantsary, hira, na antontan-kevitra. Azo anaovana fifampizarana hafatra ihany koa ny Facebook, hananganana vondrona, hamoronana rindram-baiko amin’ny fitaovana nomerika samihafa. Ny taona 2004 no niforona ny Facebook, tamin’ny alalan’i Marc Zuckerberg sy ireo namany tao amin’ny Université Harvard, nahitana an’I Chris Hughes, Eduardo Saverin, Andrew McCollum et Dustin Moskovitz. Tany am-piandohana, dia natokana ho an’ireo mpianatra tao amin’ity oniversite ity ihany ny Facebook. Taorian’izay, nisokatra tamin’ireo mpianatra tany amin’ny oniversite hafa tao Amerika. Ary nanomboka ny septambra 2006 no azon’ny rehetra natao ny nampiasa ny Facebook. Tafiditra ao anatin’ny telo voalohany amin’ireo tranonkala be mpitsidika indrindra maneran-tany ny tambajotran-tserasera Facebook, aorian’ny Google sy Youtube. Araka ny tatitry ny Alexa, ny volana jona 2017 dia efa mihoatra ny 2 miliara ireo mpampiasa ny Facebook maneran-tany.