
Fanadihadiana ManokanaTrangam-piaraha-monina
MPONINA MAHERIN’NY 20 000 LASIBATRA…: Tany mirefy 1 777Ha bodoin’olon-tokana ao Ankonabe Analavory
“Very fanahy mbola velona sahala amin’ny valala voatango” ireo mponina maherin’ny 20 000 ao amin’ny Fokontany dimy ao Analavory noho ny fibodoin’ny olona iray ny tany izay efa nitoeran’izy ireo nandritra ny 44 taona. Tany mirefy 1 777Ha io voasoratra amin’ny olon-tokana io. Araka ny efa nahafantarana azy hatrizay, hijoro sy hanampy ny vahoaka, ary vonona hifanohana hiady amin’ny tsy rariny ny Antoko Freedom. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Filoha Nasionaliny, Ramatoa Lalatiana Andriatongarivo tany an-toerana, ny sabotsy teo.

Fokontany dimy, ahitana an’Ankonabe, Amparihy, Ambohibola, Andranomavo, ary Andranonatoa no voakasika amin’ilay tany mirefy 1 777Ha izay vita soratra amin’ny olon-tokana ao amin’ny Kaominina Analavory, Distrikan’i Miarinarivo. Araka ny tantara, nisoratra tamina vahiny mpanjanan-tany antsoina hoe Gohier Camille Jules ny tany taloha. Antony nisafidian’ity vahiny ity ny toerana, dia noho izy mamokatra be. Isan’ireo tena novokarina tao amin’ity tany ity ny Hazo bakoly, izay akora fototra fanaovana menaka ampiasaina amin’ny fiaramanidina. Mponina maro avy any Androy sy Fianarantsoa no tonga niasa tao nanomboka tamin’izany fotoana. Rehefa lasa ny vahiny, raha ny lalàna manankery dia tokony miverina amin’ny Fanjakana malagasy ny tany satria efa voamarina fa tsy manana mpandova ilay vahiny. Efa nisy kosa ireo Malagasy nipetraka teo amboniny nifampizara sy nanajary ny tany nanomboka ny 1978.
Efa nisy mihitsy ny hitsivolana tamin’ny taona 1991 nandidiana fa atsangana ny vaomiera hikarakara ny famerenana amin’ny Fanjakana malagasy ny tany. Efa nitsangana ny vaomiera ka namoaka fanapahan-kevitra Laharana 026/FIV/MIAR/DOS tamin’ny 6 jolay 1992 momba izay famerenana ny tany amin’ny Fanjakana malagasy izay. Kanefa, nahagaga fa tsy vita mihitsy ny dingana ara-panjakana nanaovana izany, araka ny fanazavan-dRakotonirina Raymond, Filoha mpitarika ny tolona mahakasika ny fananantany eto amin’ny faritra Ankonabe sy ny manodidina. Nisy ihany koa tamin’ireo mponina nanajary teo ireo, no nangataka ny tany tamin’ny alalan’ny « prescriptions acquisitives » fa tsy nety nivaly ny fangatahana, araka ny fanazavana hatrany.
Didim-pitsarana nivoaka…

Ny tena tsy nampoizin’ny vahoaka, ny taona 2019, dia nipoitra ny olona izay nilaza fa taranak’i Dr Rafidinoro Zahoely Jean Aimé nampiseho « certificat de situation juridique » efa amin’ny anarany. Izany dia niainga tamina didim-pitsarana na « jugement civil » laharana faha-341 tamin’ny 3 septambra 2014 tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Miarinarivo nilaza fa nisy fifanarahana fifampivarotana teo amin’ilay mpanjanaka taloha Gohier Camille Jules sy io Rafidinoro Zahoely Jean Aimé io. Raha ny fanazavana, tsy mbola nisy nahita io lazaina fa « acte de vente » io hatreto, rehefa nosavaina na tany amin’ny tribonaly Miarinarivo namoaka ny didy na tany amin’ny sampan-draharahan’ny fananantany. Kanefa, io « Acte De Vente » izay tsy misy mahita io no antony namoahan’ny Fitsarana ny voalaza fa didiny tamin’ny 2014 nanome ny tany an’io olon-tokana io.

Niditra an-tsehatra ny Depioten’i Miarinarivo
Nanomboka teo vao nikoropaka ny fokonolona anatina fokontany valo (5 ao distrikan’i Miarinarivo ary 3 ao anatin’ny distrikan’i Soavinandriana). Niantso vonjy tamin’ny solombavambahoakan’i Miarinarivo, Fetra Rakotondrasoa izy ireo, izay nanampy tamin’ny fijerena ireo rehetra voakasik’ity olana goavana ity. Efa nahatafavoaka ny « état parcellaire » ny Vahoaka niaraka tamin’ny Solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa. Izany hoe, mifankafantatra tsara daholo izay efa nanajary ny tany hatramin’ny taona 1978 no nankaty. Milaza ho tsy mbola nisy nahita nivantana an’io Rafidinoro Zahoely Jean Aimé io kosa anefa ny vahoaka. Taty aoriana dia fantatra fa nisy 933 hektara tamin’ny tany namidy tamin’ny OFMATA, ka nanao « opposition » teo anivon’ny tribonaly Miarinarivo ny vahoaka. Mbola mihantona eo anivon’ny fitsarana ny raharaha amin’izao fotoana izao raha ny fantatra. Tsy hita nipoitra mihitsy kosa anefa ilay mitonona ho tompon’ny tany teo anoloan’ny fitsarana nitsipaka ireo « opposition » nataon’ny vahoaka ireo. Raha toa ka somary nangina ny raharaha nisy fotoana, vao haingana indray dia nahita ny solombavambahoaka fa misy mivarotra amin’ny vidiny 1.000 Ar ny m2 ny tany any anaty tambajotra facebook. Tsy manaiky izany ny vahoaka ka nisy ny hetsika nanehoan’izy ireo ny tsy fanekeny ny sabotsy teo. Tsara ho fantatra fa raha tany mirefy 1 777Ha izany, dia mitovy amin’ny tanànan’i 67ha eto Antananarivo in-26,5.
ANTOKO FREEDOM
Nanome mpisolovava sy ny manam-pahaizana amin’ny resaka fananan-tany hanohitra ny tsindry hazo lena

Manoloana ity olana mianjady amin’ny mponin’Ankonabe sy ny manodidina ity, nisy ny antso nataon’ny ben’ny tananan’Analavory, izay avy amin’ny Antoko Freedom, sy ny solombavambahoaka Freedom Fetra Rakotondrasoa. Araka izany, nidina tany an-toerana nihaino ny fitarainan’ireo vahoaka ireo ny Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Tamin’izany no nilazany fa “hifanampy amin’ny vahoaka hanao izay iverenan’ny taniny ny antoko Freedom, ka hanome maimaimpoana ny mpisolovava sy ny manam-pahaizana amin’ny resaka fananan-tany hanao ny dingana rehetra ara-pitsarana hanoherana ny tsindry hazo lena mahazo azy ireo”. Hanoro ny dingana rehetra araka ny lalàna koa amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra takiana mba hampiverina ny tany amin’ny vahoaka. « Hiantoka ny lany rehetra amin’izany raharaham-pitsarana ady tany tsy maintsy hatao izany ny Antoko », hoy Ramatoa Lalatiana Andriatongarivo, raha nitafa tamin’ireo vahoaka ireo.

Hoentina amin’ireo ambaratongam-pahefana mahefa
Marihana fa ny ankamaroan’ireo vahoaka 20.000 mahery ireo dia efa manana ny raiamandreniny tany aloha milevina eo amin’ny tany, ary manana ny famboleny sy fiompiany sy ny asa fivelomany amin’ny ankapobeny ampolo taonany maro ao ihany koa. Nampanantena koa ny Filoha Nasionalin’ny Freedom fa amin’ny maha-minisitra azy sy amin’ny maha Mpitondra tenin’ny Governemanta azy koa dia hitondra ny tenin’ireo vahoaka eo anivon’ny tompon’andraikitra mahefa isan-tsokajiny izy. « Mino aho fa tsy hamela anareo ho irery mihitsy ary tsy maintsy miaro ny vahoaka ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta », hoy izy. Marihana rahateo fa nanatrika ity fihaonana tamin’ny vahoaka ity ny Préfet Miarinarivo izay solotenam-panjakana mahefa any an-toerana, ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra Itasy ary ny solombavambahoakan’i Soavinandriana izay voakasika ihany koa.

Nandritra ny fihaonany tamin’ny vahoaka, ny sabotsy teo, no nanoloran-dRamatoa Filoha Nasionalin’ny Freedom jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny fokontany samihafa ao anatin’ny kaominina Analavory, sy lambahoany ho an’ny fikambanam-behivavy 8 marsa. Rehefa vita ny fihaonana tamin’ny vahoaka dia nisy avy hatrany fihaonana tamin’ny komity misolo tena ny fikambanan’ireo vahoaka ireo nanazavana ny pitsopitsony araky ny lalàna amin’ny dingana samihafa tsy maintsy harahina amin’ny fiatrehana ity ady tany goavana ity.