PolitikaSongadim-baovao
GOVERNEMANTA: « Tsy kilalaon-jaza ny fanovana Minisitra », hoy ny Mpampakatenin’ny Sénat
Anton-javatra maro no tsy maintsy hirosoana amin’ny fanovana Minisitra ao anaty Governemanta, fa tsy voatery izay lazain’ny mpanao Facebook akory, araka ny nambaran’ny Mpampakateny Jeneralin’ny Antenimierandoholona, ny Senatora Raymond Rasolondratsimba omaly, raha naneho hevitra. Notsindriany fa tsy kilalaon-jaza ny fanovana Minisitra, fa misy fiantraikany hatrany amin’ny sehatra iraisampirenena, sy amin’ny fanaovana politika amin’ny ankapobeny mihitsy.
Naresaka tato anatin’ny herinandro vitsivitsy izay ny resaka fanesorana minisitra, izany hoe, raha ny marimarina kokoa dia taorian’ny fametraham-pialan’ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha, Imbiki Herilaza, izay efa neken’ny Filohan’ny Repoblika. Ara-dalàna sy ara-drariny ve ny fametraham-pialany? Tokony ho neken’ny Filohan’ny Repoblika tokoa ve? Ahoana ny mahakasika ireo Minisitra sasany izay hahenoana resabe ihany koa any amin’ny tambajotran-tserasera sosialy? Fa toa ireo Minisitra avy any amin’ny Faritra hafa hatrany no niharan’ny fanesorana sy mametra-pialana? Nitondra ny fanehoan-keviny mahakasika ireo ny Mpampakateny jeneralin’ny Antenimieranoholona, ny Senatora Raymond Rasolondratsimba, omaly. Nambarany fa misy antony maromaro mety nahatonga ny Filoham-pirenena, nanala, na nanaiky ny fametraham-pialan’ny Minisitra iray. Isan’izany ny tsy fahavitan’ilay Minisitra ny “contrat-programme” nifanarahany tamin’ny Fitondram-panjakana. Eo koa ny hoe nadio tanana ve ilay minisitra teo am-panatanterahana ny adidy aman-andraikiny ho an’ny firenena? “Mety ho voatery nandray fanapahan-kevitra ny mpitondra ho fitanana ny hasin’ny firenena raha toa ka tsy mifanaraka amin’izany ilay Minisitra”, hoy ny fanazavany.
Mety ho antony ihany koa ny fahenoana na fahatsapana ny fahamarinana vaovao isankarazany. Izany hoe, tsy ny Facebook irery ihany, na koa ny Facebook no iankinan’ny fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Repoblika, raha handray fanapahan-kevitra mahakasika ny Minisitra iray ny tenany. “Tsy kilalaon-jaza sanatria, fa zavatra saro-pady ary manahirana izany fanesorana minisitra izany. Eo anatrehan’izany, mino izahay fa miasa daholo ireo mpanolontsaina ara-teknika samihafa sy ireo tambajotra samihafa eo anatrehan’ny Filoham-pirenena, hahalalana ny fahamarinan’ny zavatra iray izay mitranga”, hoy ity tomponandraikitra ity.
Tsy misy idiran’ny resaka foko…
Etsy ankilany, mety azo anesorana tompon’andraikitra iray amin’ny toerany ihany koa ny fananan’ilay olona antoko tsy ao anatin’ny Fitondrana, ka hitan’ny Filoham-pirenena fa tsy dia manohana ilay Fitondram-panjakana mijoro intsony izy. Tombanana ho antony koa ny tsy fahavononan’ilay minisitra hanohy intsony ny asany ao anaty Governemanta noho ny tsy fitovian-kevitra na noho ny fanenjahana be fahatany ka tsy ananany intsony hery hiatrehana izany. Mety ho antony ara-pahasalamana ihany koa anefa. Mbola notsindriany fa tsy kilalaon-jaza ny fanalana Minisitra na olona ambony, fa misy fiantraikany amin’ny sehatra iraisampirenena sy ny fanaovana politika amin’ny ankapobeny. Tetsy ankilany, manoloana ireo olona sasany mivoy fa misy fanilihana ireo olona avy any hanindrana eo anivon’ny Fitondram-panjakana, nilaza ny Senatora Raymond Rasolondratsimba fa, raha ny fomba fijeriny, dia tsy miankina amin’ny foko velively ny fomba fisafidianan’ny Filohan’ny Repoblika ny mpiara-miasa aminy ao anaty Governemanta fa miankina amin’ny traikefa sy ny fahaiza-manao. Tsy mitombina koa, araka izany, ny resaka fiaviana sy ny foko amin’ny resaka fanesorana na fanovana minisitra fa miankina amin’ireo antony efa voalaza tetsy aloha ireo ihany.




