PolitikaSongadim-baovaoToekarena
FOTODRAFITRASA, FAMPIANARANA, FAMBOLENA, … : Vonona hanatsara ny fiarahamiasa amin’i Madagasikara ny Banky iraisampirenena
Na dia misedra olana goavana aza ny firenena noho ny fandalovan’ny rivodoza misesisesy tato anatin’ny herinandro vitsivitsy izay, mitohy hatrany ihany koa ireo fanatanterahana ireo Vina ho fampandrosoana ny firenena, izay efa napetraky ny Fitondram-panjakana hatrany am-boalohany. Ankoatra ny fandraisana anjara amin’ireo fihaonana an-tampony iraisampirenena samihafa, mitohy mandray sy mihaona amin’ireo mpiara-miombona antoka eto an-toerana ihany koa ny Fitondram-panjakana, mba hanamafisana ny fiarahamiasa.
Manohy ny asany andavanandro ny Fitondram-panjakana. Tsy lavina fa eo ny ambana lehibe noho ny mbola fisian’ny valanaretina Covid-19 eto amin’ny firenena, eo koa ny loza voajanahary izay miseho lany eto amintsika, fa ny fampandrosoana ny firenena koa tsy maintsy mandeha. Ankoatra ny fandraisana anjara amin’ireo fihaonana an-tampony iraisampirenena samihafa, mitohy mandray sy mihaona amin’ireo mpiara-miombona antoka eto an-toerana ihany koa ny Fitondram-panjakana, izay manamafy ny fiarahamiasa. Amin’izao fitsidihana ataon’ny solontena avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena an’I Madagasikara izao, noraisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian teto amin’ny Lapan’i Mahazoarivo ny Delegasiona notarihin-dRamatoa Idah Z. Pswarayi-Riddihough, Talen’ny fandraharahana eo anivon’ity mpiara-miombona antoka ity, mba hanomana ny dingana manaraka amin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.
Nifanakalozana nandritra ny fihaonana ny momba ireo sehatra tokony hohatsaraina na hohafainganina eo amin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta, mba hahafahana mampandroso ny firenena. Ohatra tamin’izany ny resaka fotodrafitrasa, ny fampianarana , ny fahasalamana, ny fiahiana ny mponina, ny fitaterana, ny fambolena , ary ny mahakasika manokana ny faritra Atsimon’ny Nosy. Tsara ho fantatra fa efa nisy ihany koa ny fihaonan’ity delegasiona ity tamin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, omaly. Araka ny fantatra, hihaona amin’ny Filoham-pirenena sy ireo Minisitra rehetra voakasiky ny tetikasa vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola eto Madagasikara izy ireo mandritra izao diany izao.
Fanamafisam-piarahamiasa nataon’ny Filoha
Raha tsiahivina, tomponandraikitra ambony maro hafa ihany koa no efa nihaona tamin’ny Filohan’ny Repoblika nandritra ny diany tany Bruxelles farany teo, ho fanamafisam-piarahamiasa. Ny 16 febroary 2022 teo, nihaona tamin’i Jutta Urpilainen, Commissaire européenne aux Partenariats internationaux, tao amin’ny Siège de la Commission Berlaymont au Rond-Point Schuman, ny Filoha. Ny marainan’ny 18 Febroary 2022 kosa, nihaona manokana tamin’ny Filohan’ny BEI- Banque européenne d’investissement Werner Hoyer sy ireo Filoha lefiny Ambroise Fayolle sy i Thomas Ostros ary i Maria Shaw-Barragan ( Directrice pays partenaire, direction des opérations) niaraka tamin’i Sean Fitzpatrick (Chef du bureau du Président) ny Filoha Andry Rajoelina, nialohan’ny fivoriana an-tampony. Efa mpiara-miasa akaiky amin’i Madagasikara nanomboka ny taona 1970 ny BEI tamin’ny sehatra maro, araka ny fanazavana. Isan’izany ny fanamboarana ireo lalana an-drenivohitra, ny fanarenana ny toho-drano sy ny fampidirana rano fisotro madio ao Antananarivo ary ny sehatry ny fitaterana.


