PolitikaSongadim-baovao

FANATANTERAHANA NY PEM : Misokatra amin’ny fiarahamiasa hatrany ny Banky Iraisampirenena

Nihaona tamin’ny Filoham-pirenena teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny solontena avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena notarihin-dRamatoa Idah Z.Pswarayi-Riddihough, Talen’ny Fandraharahana eo anivon’izany rafitra izany, omaly.

Tetikasa maro no nahazoana fanampiana tamin’ny Banky Iraisam-pirenena mba ho fanohanana ny fampandrosoana an’i Madagasikara indrindra nandritra ny fiatrehana ny valanaretina COVID-19 teto amin’ny firenena. Tsy mijanona hatreo anefa izany fa mbola vonona hatrany ity rafitra ity hanatsara sy hanafaingana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta mba hahafahana mitondra fampandrosoana haingana amin’ny sehatra maro. Anisan’izany ny fametrahana fotodrafitrasa, ny fampianarana, ny fahasalamana, ny fiahiana ny mponina, ny fitaterana, ny fambolena , ary ny mahakasika manokana ny fiarenan-dohan’ny faritra Atsimon’ny Nosy.

Noresahan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina manokana tamin-dRamatoa Idah Z. Pswarayi-Riddihough, Talen’ny Fandraharahana « Directrice des opérations » eo anivon’ny Banky Iraisam-pirenena, misahana an’i Comores, Madagasikara ary Mozambika omaly, ny mahakasika ny fanatanterahana ny drafi-pampandrosoana an’i Madagasikara (PEM). Navoitra tao anatin’izany fa Vinam-pampandrosoana mikendry ny hampihena ny fahantrana eto Madagasikara ny PEM. Voarakitra ao anatin’izany ireo antsipirihan’ireo paikady hahafahana mametraka an’i Madagasikara ho isan’ny firenena misandratra hatramin’ny taona 2040. Zava-dehibe ho an’i Madagasikara, noho izany, ny fanohanan’ireo mpiara-miombona antoka amin’ny fanatanterahana io drafitra io. Mahakasika izany indrindra, naneho ny fahavononany amin’ny fiarahamiasa amin’i Madagasikara ny Banky iraisampirenena, amin’ny alalan’ny rantsamangaikany eto an-toerana.

Fiovaovan’ny toetrandro

Ankoatra ny firesahana ireo tetikasa sy programan’asa fampandrosoana eo amin’ny sehatra maro izay iarahan’i Madagasikara miasa akaiky miaraka amin’ny Banky Iraisam-pirenena, dia noresahan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ihany koa, ny sehatry ny tontolo iainana sy ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro. Nambaran’ny Filoha fa vonona hanatanteraka programan’asa misy fampiasam-bola lehibe, no sady misoroka ireo voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetrandro i Madagasikara. Marihina fa i Madagasikara dia anisan’ireo firenena tokony hisitraka ny « Drafitra Maitso » na ny « Plan Vert », kanefa mbola tsy tanteraka hatrany izany hatreto. Nampahatsiahivin’ny Filoham-pirenena nandritra ity fihaonana ity ny fisian’ireo fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny COP21, izay nohamafisina indray tamin’ny COP26 mikasika ny fametrahana ny Tahirim-bola Maitso na ny « Fond Vert » izay mitentina 100 lavitrisa Dolara ka tokony hisitraka ampahany amin’izany ny Firenentsika. I Madagasikara ihany koa no firenena fahadimy nahavita nandrafitra ny Politika Nasionaly ho Fiatrehana ny fiovaovan’ny toetrandro. Ary isika ihany koa dia efa nanao sonia ny fifanekena REDD+ mba ahazoana carbone 10 tapitrisa taonina ao anatin’ny 5 taona, ka tokony homena lanja manokana izany miaraka amin’ny Mpiara-miombona antoka toy ny Banky Iraisam-pirenena, hoy ny fanazavana.

Fermer