PolitikaSongadim-baovaoSosialy
FITATERANA ENTANA, SOLIKA, OLONA,… : Hatomboka ny fanamboaran-dalana mampitohy an’i Marolambo sy Mahanoro
Nihazo ny distrikan’i Marolambo ny delegasiona avy amin’ny Fitondram-panjakana notarihin’ny Filoha Andry Rajoelina, niaraka tamin’ireo mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara, omaly. Ankoatra ny fitondrana fanampiana ho an’ireo mponina noho ny fandalovan’ny rivodoza, noresahan’ny Filoham-pirenena tamin’ny vahoaka tany an-toerana ihany koa ny mahakasika ny fampandrosoana an’i Marolambo. Laharam-pahamehana voalohany indrindra amin’izany ny fanamboarana ny lalana mirefy 130km mampitohy an’i Marolambo sy Mahanoro.
Tsy niharan’ny vokatry ny rivodoza mivantana ny mponina ao an-tampon-tanànan’ny Kaominina Marolambo. Tsapan’ny Filoha Andry Rajoelina kosa, nandritra ny fandalovany tany an-toerana omaly, fa miaina anaty fahasahiranana ny mponina noho ny faharatsian’ny lalana mampitohy an’i Marolambo sy i Mahanoro, ka mila ny fanampiana sy ny fandraisana andraikitry ny Fanjakana. Anisan’ny miteraka fahasahiranan’ny mponina voalohany, amin’ny fahasimban’ny lalana, ny amin’ny fitaterana ireo kojakoja ilain’ny vahoaka amin’ny fiainana andavanandro toy ny solika. Efa ho roa volana izao no nanainga avy ao Mahanoro ny kamiao mpitatitra solika saingy tsy mety tonga ao Marolambo hatramin’izao noho ny faharatsian’ny lalana, araka ny fanazavana. Miankina amin’ny solika anefa ny famatsiana ny herinaratra ao Marolambo. Tapaka efa ho telo volana, araka izany, ny jiro ao an-toerana noho ny tsy fisian’ny famatsiana solika.
« Tsy hitoka-monina intsony i Marolambo », hoy ny Filohampirenena. Tsy handrasana ela fa hatomboka ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’i Marolambo sy i Mahanoro mirefy 130km. Efa nangataka hatrany ny fanamboarana ny lalana any amin’ny tanindrazany io ny Kardinalin’i Madagasikara Son Éminence Désiré Tsarahazana rehefa miresaka amin’ny Filohan’ny Repoblika. Andrasan’ny vahoakan’i Marolambo ny fahavitan’ny asa izay manantena ny fahatongavan’ny Kardinaly any an-toerana ny volana septembra ho avy izao. Efa tonga ao Mahanoro ny fitaovana fanamboaran-dalana miainga avy ao an-toerana. Etsy ankilany, hatomboka ihany koa ny fanamboarana ny lalana miainga avy ao Marolambo mankany Mahanoro ka atao endrika asa tanamaro ny fanamboarana ny lalana rarivato. Hifanena ny lalana roa tonta ary ho vita haingana ka hamahan’ny olan’ny vahoaka.
Fanamboarana ny biraom-panjakana
Tsy nahasakana ny Filoha Andry Rajoelina tsy hijery ny vahoakan’i Marolambo ny lalana ratsy ka tsy maintsy nijereny ny fomba rehetra hahatongavana any an-toerana. Nangetaheta fandrosoana ny vahoaka raha tonga tao an-toerana ny Filoha tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra. Efa mandeha tsikelikely ny fahatanterahan’ny fampandrosoana ao Marolambo, araka ny hitan’ny Filoha. Isan’izany ny fahavitan’ny lalana rarivato mirefy 1km 300 metatra ao an-tampon-tanàna. Efa mandeha ihany koa ny fanamboarana ny biraom-panjakana « circonscription financière » izay hanamaivana tanteraka ny fahasahiranan’ny mpiasam-panjakana amin’ny fakana ny karamany amin’ny alalan’ny « bon de caisse » ka isany izany ireo mpampianatra. Tsy maintsy mandeha eto Antananarivo na miakatra Mahanoro izy ireo teo aloha noho ny tsy fisian’ity sampandraharaha ity. Nampantena ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina fa hanomboka ny fananganana ny sekoly ambaratonga fototra faharoa – CEG manarapenitra ao Marolambo.
Fametrahana ny « parc solaire sy ny plaque solaire»
Hamboarina ihany koa ny lalana « Marolambo – Antanifotsy » ao anatin’ny tetikasa SAHOFIKA. Ho tonga ao an-toerana ny “groupe électrogène” izay miainga avy ao Mahanoro hanampy amin’ny fanazavana ny distrika. Vahaolana maharitra ho an’ny fanomezana herinaratra ny vahoakan’i Marolambo kosa ny fametrahana ny « parc solaire sy ny plaque solaire» ao an-toerana. Hisitraka ny kits solaire ihany koa ny Tokantrano ao Marolambo mba tsy hividian’ny isan-tokantrano labozia na solintany intsony izay lafo sy tsy maharitra. Nanome baiko ny hanaovana “forage” ihany koa ny Filoha mba hahafahan’ny vahoaka misitraka rano fisotro madio.
Nojeren’ny Filoha manokana ny lafiny fandriampahalemana any an-toerana ka antony nitondrany manokana ny SEG. Taorian’izay, nanainga nankao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Sahakevo ny Filoha Andry Rajoelina. Any amin’ny 60 kilometatra Atsimon’i Marolambo no misy azy ary ara-jeografika dia i Sahakevo no « limitrophe »n’i Marolambo sy i Fanadiana. Kaominina isany tena voadoana mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza roa farany teo, dia Batsirai sy i Emnati, i Sahakevo.




