PolitikaSongadim-baovao
FIAINAM-PIRENENA SY TONTOLO POLITIKA Nitondra am-bavaka ny taona vaovao ny vovonana IFi
Nanatanteraka fatoam-bavaka lehibe ny vovonana IFi, ho fanombohan’asa sy fitrotroana am-bavaka ny firenena sy ny mpitondra. Manoloana ny olana sedrain’ny Fitondram-panjakana eo anatrehan’ny fampandrosoana, nanambaran’ny Filoha nasionalin’ny vovonana IFi, fa mila vavaka ny firenena, fa indrindra ny fahatanterahan’ireo vinam-pampandrosoana katsahina amin’izao fotoana…
« Zava-poana izay kinasa rehetra raha tsy apetraka sy tanterahina eo ambany fitarihan’Andriamanitra, izay zava-dehibe ho an’ny firenena », raha ny fanentanana nentin’ny Filoha nasionalin’ny vovonana IFi, Ramanambitana Richard, omaly nandritra ny fonompoam-pivavahana notanterahin’izy ireo, tetsy amin’ny Chapelle Militaire Ampahibe, omaly. Notsiahivin’ity mpanao politika no sady filohan’ny vovonana IFi, ity, ireo teboka vitsivitsy nanamarika ny fiainam-pirenena, nanomboka tamin’ny taona 2020 ka hatramin’izao, izay nisedrana olana maro, kanefa, toa tsy nahasakana ny fampandrosoana tanterahin’ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry, raha ny fahitany. Isan’izany ny ady amin’ny valanaretina covid-19 nanomboka tamin’ny taona 2020 mbola mitohy hatramin’izao ity, ny fandalovan’ireo rivodoza nisesy nanapotika faritra maro, ka nampisy fahirano ny sosialim-bahoaka sy ny ara-toekaren’ny faritra sasany nandalovan’ny rivodoza ireny. Notsiahiviny koa ny fanoherana bontolo tsy mitondra fampandrosoana tanterahin’iro milaza ho mpanohitra amin’izao fotoana, manoloana ny ezaka fampandrosoana katsahin’ny mpitondra amin’izao fotoana. Nomarihan’ny Filoha nasionalin’ny IFi, Ramanambitana Richard, fa « maizina am-pototry ny fampandrosoana izy ireo, mody tsy mahita ny fisasaran’izao fitondrana izao. Anisany ezaka lehibe iompanan’ny fampandrosoana ifotony ireny fotodrafitrasa maro natao sy an-dalam-panatanterahana ireny. Manginy fotsiny koa ny fitsinjovana ny andavanandron’ny mponina, amin’ny fanenana ho 1 000 Ariary ny kilaom-bary, sy ny tsy voatanisa ». Izany rehetra izany no nahatonga ity vovonana ity ho resy lahatra ka hampiray ny vahoaka malagasy rehetra, hametrahana ny Soatoavina feno dia ny fihavanana sy ny fifankatiavana, ka antony hanatanterahany isan-taona ny fotoam-bavaka hametrahana eo am-pelatanan’Andriamanitra ny fanombohan’ny asa fampandrosoana toy izao. Manoloana ny zava-misy voizina an-tambajotran-tserasera misy amin’izao fotoana, dia nambaran’ny Loholona Ramanambitana, fa samy manana ny fanehoany ny fitiavan-tanindrazana ny tsirairay, ary ny fankatoavany ny fahatanterahan’ireo vinan’asan’ny Filoham-pirenena. « Ekena fa mety manana ny mahasolafaka azy ny tsirairay, saingy izany indrindra no antom-pisian’izao fotoam-pivavahana izao, mba hanan’ny tsirairay hery avy amin’Andriamanitra, miantomboka amin’ny mpitondra, mipàka amin’ny vahoaka tsy an-kanavaka hahafahana mampandroso marina », raha ny fanampim-panazavana.
Hanatanteraka Kôngresy nasionaly…
Raha ny fandaharan’asan’ny IFi amin’ity taona ity, dia misongadina tanteraka amin’izany ny hanatanterahina ny kôngresy lehibe manomboka ny volana Aprily 2022 izao, ho an’ny vovonana nasionaly. Hamondronana indray ny hery rehetra ho an’ireo nafana fo tamin’ny taona 2018. Ao amin’ny faritanin’i Fianarantsoa sy Toliara no hanombohany izany, raha ny fantatra. Hitohy any Ambatondrazaka sy Toamasina, hipàka hatrany Mahajanga sy Antsiranana, ary Antananarivo sy ny manodidina. Omaly no nanatanterahan’ny vovonana « Isika Fikambanana miara-dia amin’ny Filoha Andry Rajoelina » (IFi) ny tetiharana hitondrana am-bavaka ny taona vaovao 2022, ny firenena sy ny mpitondra tsy an-kanavaka manomboka amin’ny Filoham-pirenena. Amin’ity taona ity koa, no hankalaza ny faha efa-taona nitsanganan’ny vovonana, izy ireo, izay nitsangana tamin’ny taona 2018 talohan’ny fifidianana Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Hatramin’izao, mbola manolo-tena sy misafidy hatrany ny hiara-dia amin’ny Filoha Rajoelina Andry, hiara-hanatanteraka aminy ireo velirano 13, ny vovonana IFi tarihan’ny Filoha nasionaliny Ramanambitana Richard.



