Songadim-baovaoSosialy
LALANA, SEKOLY, HOPITALY, BIRAO, …: Tsy adino amin’ny fampandrosoana i Anosibe an’Ala sy Antanambao Manampotsy
Nitohy ny Sabotsy teo ny fitsidihina ireo distrika sy Faritra nitondra takaitra sy ahitana vahoaka sahirana noho ny fandalovan’ny rivodoza teto Madagasikara nataon’ny Filoha Andry Rajoelina sy ireo delegasionina niaraka taminy tamin’ny alalan’ny angidimby « gros porteur ». Ny Distrikan’Anosibe an’Ala sy Antanambao Manampotsy indray no notsidihan’ny Delegasiona, izay nahitana mpikamban’ny Governemanta vitsivitsy, Governoram-paritra, ary ireo mpiara-miombona antoka samihafa.
Natomboky ny Filoha tao amin’ny Distrikan’Anosibe an’Ala ny fitsidihina ao anatin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Distrika isany nitondra faisana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ity distrika ity. Tapaka, vokatr’izany, ny lalana mampitohy an’Anosibe An’Ala sy i Moramanga izay mirefy 71 kilometra na ny RN 23A. Nijery ny lalana tapaka ny Filoha Andry Rajoelina raha vao nigadona tao an-toerana. 62km amin’ny lalana no sokajiana ho « point noir » avokoa. Efa natomboky ny Faritra ny fanamboarana ny lalana saingy nivadika ho lalam-potaka tsy azo aleha indray ny lalana taorian’ny fahavian’ny orana. Tsy misy afa-tsy ny kamiao lehibe no mahafaka ny lalana. Telo andro vao afaka amin’ny lalana ny kamiao lehibe. Adiny 6-8 eo kosa ny moto no mandeha amin’ny lalana rehefa andro maina. Tsy misy afaka amin’ny lalana ireo fiara fitaterana ka tsy maintsy mandeha kamiao ny olombelona. Mifatratra amin’ny kamiao iray ny mpandeha 80 isa. Tokony ho vita ora roa monja ny lalana raha vita. Nandritra ny tafa nataon’ny Filoha tamin’ny vahoakan’Anosibe an’Ala, toromarika nomeny ny tsy maintsy hanamboarana ny lalana ka hahetsika amin’izany ireo fitaovana fanamboarana lalana goavana ( engin complet) izay nomen’ny Filohampirenena hampiasain’ny faritra. Hampiasaina hanaovana ny lalana ihany koa ny am-pahany amin’ny hetra amin’ny fitrandrahana ao Ambatovy.
Fotodrafitrasa sy fampitaovana
Nandritra izao diany izao ihany koa dia nitsidika ny hopitaly « Centre Hospitalier du district d’Anosibe An’Ala » ny Filoha Andry Rajoelina. Anisany nojereny manokana ny « radiologie » izay maty tsy mandeha intsony nanomboka ny taona 2018 raha toa ka nampidirina hiasa teto nanomboka ny taona 2008. Nanapa-kevitra ny handefa avy hatrany radiologie numérique izay hananan’ny Fanjakana tahiry ny Filoha ho an’ny vahoakan’Anosibe An’Ala.
Tsara ho fantatra fa betsaka ireo fotodrafitrasa efa mandeha ao amin’ny distrika amin’izao fotoana izao. Efa samy vita ny fametrahana ny vato fehizoro ho fanombohana ny asa fanaovana ny tsena manarapenitra saingy miala an-daharana ny orinasa nomena ny tolotr’asa noho ny faharatsian’ny lalana. Efa vita tanteraka kosa ny lalana rarivato mirery 1 kilometatra sy 200 metatra ao an-tampon-tananan’Anosibe An’ala. Efa mandeha ihany koa ny fanamboarana ny sekoly Epp izay tanterahin’ny Faritra any amin’ny kaominina. Mipetraka ihany koa ny jiro manazava ny tanana sy ny fanomezana ireo solosaina ampiasain’ny biraon’ny kaominina amin’ny tetikasa CIAD. Fangatahan’ny vahoaka kosa ny hanomezana ny jiro isan-tokantrano noho ny jiro tsy mandeha raha tsy ora 5 isanandro. Mangataka ny hanomezana rano fisotro madio ny mponina ihany koa ny olomboafidy. Ary mangataka ny handefasana fanitso 5.000 isa. « Mitoka-monina sy hadino foana ny distrika hatramin’izay saingy tsy hadino intsony manomboka izao antony nahatongavako aty an-toerana », hoy ny Filoha. Maro araka izany ireo tetikasan’ny Filohampirenena efa hita maso ao an-toerana, toy ny biraon’ny polisim-pirenena izay ho vita tsy ho ela. Nahazo tombony manokana ireo FRAM 51 isa tao Anosibe An’ala izay nahazo fanampiana avy hatrany tamin’ny Filoha.
Fitsidihana an’Antanambao Manampotsy
Nitohy tao amin’ny Distrikan’Antanambao Manampotsy anatin’ny Faritra Atsinanana, ny dian’ny Filoha Andry Rajoelina. Distrika niharan’ny rivodoza rehetra nifanesy ity distrika ity. Toromariky ny Filoha, araka izany, ny hanampiana manokana ireo distrika miisa 07 ao anatin’ny Faritra Atsinanana tratry ny rivo-doza. Isany izany i Toamasina, Mahanoro, Marolambo, Sahakevo. Na izany aza, miova endrika, araka ny efa nampanantenain’ny Filoha, ny distrika. Efa vita ny lalana rarivato mirefy 2 kilometatra latsaka. Vita ny tolotr’asa ho an’ny fanamboarana ny EPP trano vato miisa 20. Mandeha ny asa fanamboarana ny CEG manarapenitra, ny Hopitaly manarapenitra, ny biraon’ny polisim-pirenena, ny biraon’ny Ministeran’ny Mponina, ary hahazo émetteur ihany koa ny ao an-toerana. 50 %-n’ny tanana no mazava amin’izao amin’ny alalan’ny tetikasa CIAD. Efa mandeha ihany koa ny fametrahana ireo CSB II eny amin’ny kaominina. Mangataka ny hijerena ny momba ny fametrahana Tribonaly ao an-toerana ny olomboafidy. Tahaka izany ihany koa ny biraon’ny Topographie sy ny Fananan-tany. Tsy maintsy mandeha Vatomandry ny vahoaka noho ireo biraom-panjakana ireo tsy misy. Toerana mamokatra Antanambao Manampotsy toy ny café izay sokajiana ho « champion amin’ny hatsaran’ny kalitaon’ny cafe » saingy mihena ny fahazotoan’ny tantsaha nohon’ny olana amin’ny famoahana vokatra nohon’ny faharatsian’ny lalana. Fiantraikany ratsy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza ihany koa ny ranobe ahiana hanimba ny vary teraka.
Nandritra izao fandalovany tao Antanambao Manampotsy izao, nilaza ny Filoha fa tsy maintsy hapetraka haingana ny “maison des finances” ao an-toerana ho fikirakirana ny taratasy famoahana ny fisotroan-dronono sy ny karaman’ny mpampianatra sy mpiasam-panjakana. Mijaly izy ireo tsy maintsy mandeha amin’ny lalan-dratsy sady mandeha lavitra haka ny karamany. Nanome baiko, araka izany, ny Filoha fa tsy maintsy hamboarina io lalana mampitaraina mafy ny vahoaka io mba tsy hitoka-monina intsony ny vahoaka. Tonga nitondra ny fanampiana vatsy tsinjo ny vahoaka tao an-toerana ihany koa ny Filoha. Ary nozarainy baolina sy maillot ihany koa ny tanora.




