PolitikaSongadim-baovao

ADY EO AMIN’I OKRAINA SY ROSIA: “Mbola mivoatra ny raharaha, manara-maso izany isika”, hoy ny Praiminisitra

Vaovao mahaliana ny ankaramaroan’ny mpanara-baovao ankehitriny ny mahakasika ny toerana ho raisin’ny Fitondram-panjakana eo anatrehan’ny ady ifanandrinan’ny Okraina sy Rosia. Fanapahan-kevitra izay hisy fiantraikany amin’ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny, na eo amin’ny lafiny politika na sosialy, indrindra eo amin’ny lafiny toekarena. Omaly, nilaza ny Praiminisitra Ntsay Christian, fa mbola anaty fivoarany tanteraka ny toe-draharaha any amin’ireo firenena roa mpifanandrina ireo ankehitriny, ka mbola manara-maso izany ny Fanjakana.

Hiandany amin’ny Rosiana sa omban’i Okraina izay miara-dalana amin’ny Amerikana sy ny Vondrona Eoropeanina? Fanontaniana apetraky ny mpanara-baovao io, ary saika hifantohan’ny adihevitra rehetra mandeha eto amin’ny firenena ankehitriny. Tsy azo hodian-tsy hita, fa samy Firenena manana fifandraisana amin’i Madagasikara avokoa na ny Rosiana, na ny Amerikanina miaraka amin’ny Vondrona Eoropeanina. Omaly, nitondra ny fanehoan-keviny ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian, raha nanontanian’ny Mpanao Gazety, mahakasika ity raharaha ity. Nambarany fa “isika Malagasy dia nisafidy ny hiara-hiasa amin’ny firenena rehetra. Tsy misy intsony ny hoe firenena miandany amin’ny atsy na miandany amin’ny aroa”. Na izany aza, niaiky ny Praiminisitra fa ao anaty fahasahiranana izao tontolo izao noho ny raharahan’ny Rosiana sy ny Okraina. “Isika eto Madagasikara dia manana politika mifandray amin’ny rehetra, na amin’ireo firenena tandrefana na ny firenena Rosiana. Mbola mivoatra ny raharaha, manara-maso izany isika”, hoy ny fanambarany.

Mbola nohamafisin’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, fa tsy mbola nanapaka ny mahakasika izay tena fanapahan-kevitra horaisiny ny Fitondram-panjakana malagasy, na teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra izany, na teo anivon’ny Filankevitry ny Governemanta. Etsy ankilany, ny Filankevitry ny Fampihavanana malagasy (CFM) dia niantso ny Fitondram-panjakana malagasy mba handanjalanja tsara  ny fanapahan-kevitra raisina mahakasika ity raharaha ity. Nambaran’ny avy eo anivon’ny CFM, fa firenena samy ananantsika fifandraisana ireo, ka saropady ny fanapahankevitra raisina.

Antso ataon’ireo Masoivoho eto an-toerana

Na izany aza, mihazakaza ny toe-draharaha. Raha tsiahivina ny zava-misy teto amintsika nandritra izay andro vitsivitsy lasa izay, nisesisesy ny fanambarana ataon’ireo Masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara. Isan’izany ny Masoivoho Alemana izay niantso ny Fanjakana malagasy hanameloka ny fihetsika ataon’i Rosia izay voalaza fa tsy manaja zon’olombelona. Afak’omaly, nivory ny solontenan’ireo firenena monina sy miasa eto amintsika dia i Allemagne, Corée, États-Unis, de France, Japon, Norvège, du Royaume-Uni, Suisse, ny Union européenne, Turquie ary nanolotra ny ministry ny Raharaham-bahiny, Patrick Rajoelina, ny fehin-kevitra iraisana manoloana ny fanafihan’i Rosia an’i Okraina. Voarakitra ao anatin’izany taratasy izany ny fampirisihana an’i Madagasikara hanao fanamelohana ny fihetsika voalaza fa tsy mety ataon’ny Rosiana, tahaka izay efa nataon’ireo firenena Afrikana hafa toa an’i Gabon, Ghana ary Kenya. Tokony hanatsahatra tsy misy hatakandro ny herisetra sy ny fampidirana ny tafika any Okraina ny Rosiana, satria firenena manana ny fiandrianany i Okraina, araka ny fanambarana.

Tsy niandry ela anefa, fa ny alatsinainy teo ihany koa dia tonga  nihaona tamin’Atoa Patrick Rajoelina, Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy ny Masoivohon’i Rosia, Andrey Andreev, manoloana ireo fanambarana samihafa ataon’ireo firenena tandrefana eto amintsika. Nitondra fanazavana mikasika ny fanafihana ataon’ny Rosiana an’i Okraina ny tenany, izay nambarany fa mikendry ny fiarovan’i Rosia ireo Repoblika entim-bahoaka Donbass (RPD) sy Repoblika entim-bahoaka Lougansk (RPL). Andrasana ny tohin’ny raharaha…

Fermer