SamihafaSongadim-baovao

HAINO AMAN-JERY: Mpanentana fandaharana sy teknisianina miisa 44 nahazo mariboninahi-pirenena

Mpisehatra anisan’ny manana ny lanjany eo amin’ny tontolon’ny haino aman-jery ny mpanentana fandaharana sy ny teknisianina, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Ramatoa Lalatiana Andriatongarivo. Ho fankasitrahana azy ireo tamin’ny asa vitany, nisy omaly ny fanolorana mariboninahitra ho an’ireo mpanentana fandaharana sy ny teknisianina amin’ny Haino aman-jery miisa 44, tetsy anoloan’ny tokontany malalaky ny Tranombokim-pirenena Anosy.

Ankoatra ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety, sokajin’asa mitana anjara toerana lehibe ao anatina haino aman-jery ihany koa ny asa fanentanana sy ny fikirakirana ny lafiny teknika. Ho an’ny eto Madagasikara manokana, dia mivondrona ao anatin’ilay antsoina hoe « Tek’Anim Mada » ireo mpanentana fandaharana sy ireo teknisianina. Nambaran-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo,  nandritra ny fanolorana mariboninahitra ho fankasitrahana azy ireo, fa manana ny lanjany ny asan’ireo mpanentana fandaharana sy teknisianina,  satria izy ireo no mamelona ny haino aman-jery iray. Marihina fa anisan’ny mamolavola ny fiarahamonina ihany koa ny haino aman-jery ankoatra ny maha fizaram-baovao sy fialam-boly azy. Nohamafisiny hatrany fa ny mpanentana fandaharana sy teknisianina dia tsy natao hiteny sy handahatra hira fotsiny fa olona tokony hahatsapa ny maha zava-dehibe ny andraikitra  sahaniny. Tomponandraikitra amin’ny teny izay avoakany ny mpanentana, izay tsy natao hampisara-bazana  fa hampihavana ny hafa sy hamolavola ho olom-banona ny fiarahamonina, hoy hatrany izy nandritra ny fandraisam-pitenenany.

Ho fankasitrahana ireo nahavita be sy naharitra tamin’ny asa fanentanana sy fikirakirana ny lafiny teknika tamin’ny Haino aman-jery, mpanentana sy teknisiana miisa 44 no nosalorana ny mariboninahi-pirenena, omaly, teny anoloan’ny Tranombokim-pirenena. Ny  amin’izany dia nakarina ho eo amin’ny laharam-boninahitra « officier de l’ordre National ». Miisa 36 kosa ireo nosalorana ny mariboninahitra «  chevalier de l’ordre national » ary miisa 7  no nahazo ny « Chevalier de l’ordre de mérite de Madagascar ». Nambaran-dRamatoa Minisitra fa anisan’ny sivana takina amin‘ny fanomezana mariboninahitra tahaka izao ny faharetan’ny fotoam-piasany sy ny tombana ny asa vitany. Marihina fa nisy tamin’izy ireo no efa nanao ny asa nandritry ny 40 taona tsy niato, misy ny manodidina ny 20 taona niasana ary ny zandriny indrindra dia niasa nandritry ny 12 taona tao anatin’ny haino aman-jery. Misy, avy eo, ny fandinihana ny antontan-taratasin’ireo mangataka izany  eny anivon’ny filankevitra mpanome ny mariboninahitra, ary izy ireo no manapa-kevitra izay olona mendrika hahazo izany. Ny anjaran’ny eo anivon’ny Minisitera dia ny manome azy ireo ny fanampim-baovao mahakasika ireo olona mangataka ny mariboninahitra.

Fanatsarana ny kalitaon’ny asa

Amin’ny maha famolavolana ho olom-banona ny haino aman-jery dia ilàna fahaiza-manao ny asan’ny mpanentana sy ny teknisianina eo amin’ny sehatry ny serasera. Ho antsika eto Madagasikara manokana dia tsy mbola tsy misy ny sekoly manofana mahakasika ny fanentanana amin’ny haino aman-jery. Izay indrindra no nahatonga ny teo anivon’ny  Minisiteran’ny Serasera nametraka ny fandaharanasa izay hampiofanana ireo mpisehatra amin’ny fanentanana sy ny fikirakirana ny lafiny teknika manerana ny Nosy mba hahafahana mampiakatra avo ny lentan’ireo mpanentana fandaharana. Nambaran-dRamatoa Minisitra fa anisan’ny fiofanana  omen’ny minisitera azy ireo koa ny fanamafisana ny fahalalana ankapobeny mba ho avo lenta kokoa ny endri-panentanana amin’ny haino aman-jery.

Celestin (Mpianatra asa).

Fermer