
Non classé
Tsenan’ny lavanila: Ao anatin’ny 8 volana sy tapany no anondranana ny vokatra rehetra
Manana valo volana sy tapany ireo mpandraharaha lavanila amin'ny fanondranana eo amin'ny tsena maneran-tany amin'ity taom-piotazana ity. Manampy amin’ny lafiny maro ny fanjakana mba hampiroboroboana ny fanondranana lavanila natoraly.
« Hisokatra ny 15 septambra ho avy izao ny fanondranana lavanila, ary tsy hijanona izany raha tsy amin’ny 31 may 2021, amin’ity taom-piotazana 2020-2021 ity »,
hoy ny minisitry ny indostria, ny varotra ary ny asa tanana (Mica), tamin’ny alalan’ny taratasy fampahafantarana. Manana valo volana sy tapany ireo mpandraharaha lavanila amin’ny fanondranana eo amin’ny tsena maneran-tany amin’ity taom-piotazana ity. Araka ny nambaran’ny MICA, manamafy hatrany ireo ezaka atao hijerevana kalitao vaovao sy tsenam-barotra vaovao hitazomana ny laharana voalohany ho an’ny lavanila malagasy.
Mba ahafahan’ireo mpanondrana mandefa ny entany any ivelany, tokony ahita mpividy lavanila amin’ny vidiny 250 dolara ny kilao izy ireo. Io vidiny io no fenitra tokony arahana farafahakeliny. « Io no arahana mandritra ny tsenan’ny lavanila 2020-2021. Tokony hanaraka izany avokoa ny mpandraharaha amin’ny lavanila na eto an-toerana na ny mpividy avy any ivelany ihany koa aza », hoy ny fanazavana.

Napetraka ho 650.000 Ariary ny vidin’ny lavanila « préparée stabilisée » eto amin’ny tsena anatiny. Izany hoe nanao izay hahatsara ny vidin’ny entana ny fanjakana ary nitsinjo ireo mpamokatra, fa tsy araka ny menomenona ataon’ny sasany. Milaza mantsy ny mpanondrana sasany fa matahotra ny mety ho fiantraikan’ny vidin’ny lavanila, lazain’izy ireo fa natao mitovy daholo na ireo antsoina fa kalitao ambany sy ireo kalitao ambony atao hoe lavanila mainty. Ny ministeran’ny indostria, ny varotra ary ny asa tanana anefa nanazava hatrany fa ny fanarahana atao eny ifotony dia ahafahana manaraka ny kalitao, ny mitady fampandrosoana ny varotra ialana amin’ny hosoka, ary ny fandefasana ny lavanila natoraly amin’ny tsena iraisam-pirenena. Hahazo tombony ireo mpandraharaha rehetra amin’ny lavanila amin’ny fampahafantarana azy ireo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, mba ahafahana mampahalala ny fahazai-manao eny ifotony , ny faharetan’ny orinasa ary ny mahampiavaka ny lavanila avy aty Madagasikara. Marihina fa faritra sivy no mpamokatra lavanila eto amintsika, ary samy manondrana ireo vokatra any ivelany avokoa ireo.

