PolitikaSongadim-baovao

FIFANDIRAN’I ROSIA SY OKRAINA : Mirazotra amin’ny eny an-kianja ny ady an-tserasera

Lasa ifandroritan’ny Tandrefana sy Rosiana ankehitriny ny tena “zava-misy marina” eo anatrehan’ny ady ataon’ny Okraina sy Rosia. Ho antsika eto Madagasikara manokana dia manao sesilany ny fanambarana izay milaza fa diso ny vaovao avoakan’ny andaniny, na ny ankilany. Ankoatra ny fifandonana mivantana any Okraina, araka izany, dia mihazakazaka tanteraka ihany koa ny ady an-tserasera ao anatin’ity raharaha ity.

Mila mitandrina mandrakariva amin’ny lainga mikasika ny Okraina sy ny ady eo amin’i Rosiana-Okrainiana. Mitana anjara asa lehibe eo amin’ny fanafihan’i Rosia an’i Okraina ny fandisoana vaovao. Manoloana ny ady eo amin’ny demokrasia sy ny fanapahana tsy refesi-mandidy dia ilaina ny fanoherana ireo kobaka am-bava amin’ny alalan’ny zavatra misy”, io no fampitam-baovao navoakan’ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina miasa sy monina eto amintsika, omaly. Fanambarana izay nampanarahana ireo karazana sary fanehoana manambara ireo voalazan’izy ireo fa vaovao diso aparitaky ny Rosiana. Amin’ny ankapobeny, ho antsika aty Afrika, raha tsy hilaza afatsy isika eto Madagasikara manokana, dia saika ireo fahitalavitra Tandrefana avokoa no mahazo laka, rehefa hanaraka vaovao iraisampirenena. Ny Tandrefana izay tsara tsindriana hatrany fa miara-dalana amin’ny Okraina amin’izao ady izao. Mazava ho azy, araka izany, fa manana ny fomba hitaterany ny vaovaon’ny haino aman-jery Tandrefana. Hiaraha-mahalala koa fa mitana anjara toerana lehibe ao anatin’izao ady izao ny lafiny Serasera sy ny fampahalalam-baovao.

Namaly ny Masoivohon’i Rosia…

Etsy ankilany, ankoatra ny fitondrana fanazavana mivantana tamin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Atoa Patrick Rajoelina, dia mbola nohamafisin’ny Masoivohon’I Rosia, miasa sy monina eto amintsika, tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao indray omaly, ny tena zava-misy marina mahakasika ity ady ity, araka ny fanambarany. Tanjon’io fampitam-baovao io ny fandisoana ireo vaovao rehetra naparitaky ny Tandrefana mahakasika ny hetsika ara-miaramila ataon’I Rosia amin’izao fotoana. Voambara tao anatin’izany fanambarana izany fa tanjon’ny Rosiana ny hanaisotra ireo miaramila okrainianina sy hiaro ny vahoakan’I Donbass, ary ny hanoherana ireo ambana ara-tafika ataon’ireo firenena mpikambana ao amin’ny OTAN ao amin’ny tanin’i Okraina, izay mifanila amin’I Rosia. Tsy ny haka an’I Okraina no tanjon’I Rosia. Ary koa, tsy mandefa “missiles” na baomba any amina tanàn-dehibe sy any amina sivily ny tafika rosiana, araka ny fanambarana hatrany. Ampahany ihany ireo, fa teboka maromaro no nitondran’ny Masoivohon’i Rosia fanamarihana, mahakasika ireo vaovao voizin’ny Eoropeanina sy ny Amerikana izay manohana an’i Okraina.

Fermer