PolitikaSongadim-baovao
FITSIPAHAM-PITOKISANA NY GOVERNEMANTA: « Rediredy ny an’ny Solombavambahoaka TIM », hoy ny Depiote Fetra Rakotondrasoa
Miantso ny Solombavambahoaka hanao fitsipaham-pitokisana ny Governemanta ireo Depiote sasany ao anatin’ny Vondrona parlemantera TIM. Namaly izany ny Depioten’i Miarinarivo, Fetra Rakotondrasoa, omaly, izay nilaza fa tsy hitondra vahaolana ho an’i Madagasikara mihitsy ny fandravana Governemanta amin’izao vanim-potoana izao. Ary raha ny zava-misy eo anatrehan’ny Antenimieram-pirenena koa no jerena dia mbola sarotra ny hahatafitan’izany fitsipaham-pitokisana izany, amin’izao fotoana izao.
Araka ny andininy faha-103 ao amin’ny Lalàmpanorenana, “Azon’ny Antenimierampirenena atao ny maneho tsy fankasitrahana ny andraikitry ny Governemanta amin’ny alalan’ny latsabato fitsipaham-pitokisana. Tsy azo raisina anefa ny tolo-kevitra toy izany raha tsy ny antsasaky ny mpikambana ao
amin’ny Antenimierampirenena no manao sonia azy. Valo amby efapolo ora aorian’ny
fametrahana ny tolo-kevitra hotapahina vao azo atao ny latsabato”. Araka io andininy voalazan’ny Lalàmpanorenana io dia tsy nihambahamba ny Depioten’i Miarinarivo nilaza fa “Rediredy ny an’ny Solombavambahoaka TIM”. Na ny fepetra hahafahana manao izany aza dia efa tsy fenon’izy ireo, hoy izy. Ny fifidianana an’iny fitsipaham-pitokisana atolotr’izy ireo iny ihany koa mbola eo andaniny. “Fantatry ny Depiote TIM tsara fa tsy manana ny maro an’isa akory izy, tsy manana akory ireo fepetra ilaina amin’izany fametrahana fitsipaham-pitokisana ny Governemanta izany. Famonoana lolo fotsiny ireny”, hoy ity Solombavambahoaka avy amin’ny Vondrona parlemantera IRD ity.
Notsindrian’ity farany fa tsy mitombina ny eritreritra hoe misy tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy mpanohana ny Fanjakana ka izay no hanararaotana hanaovana ny fitsipaham-pitokisana. Nambarany fa ny hevitra mety tsy voatery hitovy foana, fa tsy izany mihitsy akory no handeha hivadihana amin’ny Governemanta ka hanaovana fitsipaham-pitokisana. Nambarany fa na ireo Depiote TIM koa aza efa ahitana tsy fitovian-kevitra. Saingy izany tsy midika hoe lasa nanohana ny Fanjakana ny sasany, fa mijanona ho mpanohitra foana.
Minisitra sasany mila soloina
Fotoana ve izao hanaovana Fitsipaham-pitokisana na “motion de censure”? Samy hafa ny hoe fanovana ny mpikamban’ny Governemanta sy ny hoe fanonganana ny Governemanta izay mijoro. Fanontaniana no napetraky ny Solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa ny amin’ny hoe laharam-pahamehana ve ny fandravana Governemanta taorian’ny rivodoza, ny fiakaran’ny vidin’entana, ny lalana tapaka, ny covid-19, izay vao natrehin’ny firenentsika? Sao tokony ny vahoaka no jerena, hoy izy. “Izaho manaiky fa tokony hisy fanovana eo anivon’ny Governemanta”, hoy izy. Isan’izany ny Minisiteran’ny Fitsarana, izay Minisitera iankinan-javatra lehibe kanefa lasa Minisitra mpisolo toerana no mitantana azy. Eo koa ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny Tany izay ain-dehiben’ny firenena.
Fanontaniana ihany koa no napetraky ny Depiote Fetra Rakotondrasoa ny amin’ny hoe « Tena ilaina ve ny “Motion de censure?” Nambarany mantsy fa manao tombana amin’ireo Minisitra tsirairay ao anaty Governemanta ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra. Ka raha hitan’ny Filoham-pirenena fa tsy mety intsony ny Praiminisitra amin’izao, eo anatrehan’ny zava-misy ara-politika na toekarena na hafa, dia azony atao tsara ny manala azy, sy manova ny mpikamban’ny Governemanta, izay tsy ilàna na iandrasana fitsipaham-pitokisana.




