PolitikaSongadim-baovao
ANTENIMIERAM-PIRENENA : Mitsipaka ny fikasana handrava Governemanta ireo Depiote maro an’isa
Nandritra ny fambolen-kazo nataon’ny Antenimierampirenena teny Alatsinainy Ambazaha, Distrikan’Antananarivo Atsimondrano omaly no nanao fanambarana ireo solombavambahoaka anatin’ny vondrona parlemantera IRD mahakasika ny fanohanan’izy ireo hatrany ny Governemanta, izay tsapan’izy ireo fa mahavita antsakany sy andavany ny adidiny, ka tsy hiroso amin’ny fitsipaham-pitokisana izay angatahin’ireo solombavambahoaka anatin’ny vondrona parlemantera TIM.
Nitondra ny valin-kafatra ho an’ireo Solombavambahoaka avy ao amin’ny Vondrona Parlemantera TIM ireo Depiote maro an’isa ao amin’ny Vondrona parlemantera IRD omaly. Nambaran’ny Depiote Paul Bert Velontsara, Filohan’ny Vondrona Parlemantera IRD, izay miara-dalana amin’ny Filohan’ny Repoblika, fa manonofy ny Solombavambahoaka TIM, raha mikasa hitondra tolo-kevitra mirakitra ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta am-perinasa amin’izao fotoana izao. « Taratasy maty an-tanana izany tolo-kevitra izany », hoy izy. Notsoriny fa tsy hahazo depiote 76 eo anivon’ny Antenimieram-pirenena mihitsy ny Vondrona Parlemantera TIM hanao Sonia izany tolo-kevitra izany. Raha tsiahivina anefa ny voalazan’ny Lalàmpanorenana, ao amin’ny andininy faha 103, dia “Azon’ny Antenimierampirenena atao ny maneho tsy fankasitrahana ny andraikitry ny Governemanta amin’ny alalan’ny latsabato fitsipaham-pitokisana. Tsy azo raisina anefa ny tolo-kevitra toy izany raha tsy ny antsasaky ny mpikambana ao
amin’ny Antenimierampirenena no manao sonia azy. Valo amby efapolo ora aorian’ny
fametrahana ny tolo-kevitra hotapahina vao azo atao ny latsabato”. Etsy ankilany, tsy manana Depiote mihoatra ny 100 ihany koa ny Vondrona Parlemantera TIM handatsa-bato hampandany izany fitsipaham-pitokisana izany ao amin’ny Antenimieram-pirenena.
Iray tsy mivaky ny IRD
“Tokana, iray tsy mivaky, ny vondrona parlemantera IRD, ka tsy azo rebirebena amin’ny fanakorontanana maro samihafa, ary mitsipaka marindrano izany fikasan-dratsy hanao motion de censure hanonganana ny Governemanta miasa amin’izao fotoana izao izany”, hoy izy. Raha hiverenana ny fanehoan-kevitry ny Depiote Fetra Rakotondrasoa notaterina teto omaly, dia notsindriany fa tsy mitombina ny eritreritra hoe misy tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy mpanohana ny Fanjakana ka izay no hanararaotana hanaovana ny fitsipaham-pitokisana. Nambarany fa ny hevitra mety tsy voatery hitovy foana, fa tsy izany mihitsy akory no handeha hivadihana amin’ny Governemanta ka hanaovana fitsipaham-pitokisana. Nambarany fa na ireo Depiote TIM koa aza efa ahitana tsy fitovian-kevitra. Saingy izany tsy midika hoe lasa nanohana ny Fanjakana ny sasany, fa mijanona ho mpanohitra foana.
Tao anatin’ny fanambarana izay nataony omaly kosa, nanamafy ny Vondrona parlemantera IRD, fa manohana ny Governemanta tarihin’Andriamatoa Ntsay Christian, ary mampirisika azy hanohy ny asany andavandro satria hita maso sy azo tsapain-tanana ny ezaka vita amin’ny fanarenana ny firenena, hoy ny fanambarana. Ny firenena malagasy izay vao avy nandalo rivodoza sy valanaretina.




