Songadim-baovaoSosialy

FAMPITAOVANA, FAMORONANA ASA, VOLA: Hisitraka fanampiana ireo fikambanam-behivavy 8 marsa manerana ny Nosy

Ambohipihaonan’ireo vehivavy avy amin’ny lafivalon’ny Nosy omaly ny tao amin’ny Renivohitry ny Faritra Vakinankaratra, nandritra ny fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Hetsika maro no natao, izay teo ambany fitarihin’ny Filoham-pirenena mivady. Fotoana izay nanararaotan-dRamatoa Mialy Rajoelina, Vadin’ny Filoham-pirenena, niantsoana indray ny fitovian-jon’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny sehatra rehetra.

Ny vehivavy no loharano nipoirina, manome aina. Ny vehivavy no antoky ny fanabeazana, mizara fitiavana tsy manampetra. Izy ilay mpandrindra, mpikarakara, fanilo, ilay mpitantana ny tokantrano sy ny ankohonany. Anisan’ireo toetra mahafinaritra azo amaritana antsika vehivavy avokoa ireo”, hoy Ramatoa Mialy Rajoelina, Vadin’ny Filoham-pirenena, raha nanao ny lahateniny nandritra ny andron’ny vehivavy omaly, tany Antsirabe. Notsindriany fa mila tohana sy fanampiana ny vehivavy hahafahany miavotra sy mahaleotena ary miatrika ny fiainana. Izany ihany koa no maha zava-dehibe ny fijerena manokana ireo vehivavy iharan’ny herisetra sy marefo. “Amiko, mendrika ampiana sy tohanana ny olona toy izany. Nitondra tantsoroka hatrany izahay ho an’ireo vehivavy tamin’ny Faritra maro manerana an’i Madagasikara. Nanome fiofanana, nanolotra fitaovana sy akora mifanaraka amin’ny seha-piharian’izy ireo avy. Ny tanjona dia ny hanomezana azy ireo tosika mba hahatongavany amin’ny fahavitan-tena sy fahaleovan-tena ara-bola”, hoy ny Vadin’ny Filoha.

Fanampiana ny vehivavy

Tsiahivina fa ny lohahevi-dehibe tamin’ity taona ity dia ny hoe « Viavy miavotse, miatrika sy mifanampy, taratry ny fitovian-jo sy antoky ny fampandrosoana lovainjafy ». Antsirabe no nandray ny ivon’ny fankalazana. Tonga nanotrona an-dRtoa Mialy Rajoelina sy niara-nankalaza ny datin’ny 8 marsa tany an-toerana ny Filoham-pirenena. Hetsika izay natao tao amin’ny kianja Velodrome. Nandritra ny ny lahateny fohy nataony no niarahabany manokana ny vehivavy malagasy rehetra noho izao andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy izao. “Hita taratra ny firaisankinan’ny vehivavy satria dia ny avy any Atsimo, Avaratra, Atsinanana, Andrefana no mientam-po, mazoto, ary tonga eto Antsirabe”, hoy ny Filoha. Isan’ny zavatra goavana nambarany tamin’ny lahateny nataony ny nilazany fa hanampy ny fikambanam-behivavy 8 marsa manerana ny nosy, na ara-bola, na ara-pitaovana na eo amin’ny lafiny famoronana asa sy ny fanampiana eo amin’ny tetikasa ny tenany. Izany dia iarahany miasa sy manatanteraka amin’ny Minisiteran’ny Mponina. Ankoatra ireo dia nilaza ny Filoha fa hanao laharam-pahamehana ny fanajana ny zon’ny vehivavy eo anivon’ny fiaraha-monina. Mampirisika ihany koa ny fandraisana andraikitry ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana. Nahatsapa ny tenany fa manana toerana lehibe eto amin’ny firenena ny vehivavy mahay mandray andraikitra. Noraisiny ohatra tamin’izany ny eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika izay vehivavy avokoa ny 80%-n’ny tale. Noraisiny ho ohatra teo ihany koa ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Rtoa Christine Razanamahasoa, izay vehivavy voalohany nitantanana ity andrimpanjakana ity teto amintsika.

Nanararaotra ny fotoana omaly ny Vadin’ny Filoham-pirenena, Mialy Rajoelina, nanamafy ny antso ho an’ny fitovian-jo. Ity farany izay midika ho fiaraha-mientan’ny lahy sy ny vavy, araka ny nambarany. Mifanampy, ary mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy fa tsy sanatria akory mpifaninana na mpifanandrina, hoy izy. “Misy ireo Fikambanana nasionaly sy iraisam-pirenena, ireo vondrona miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana ary misy ihany koa ny fiarahamonim-pirenena izay mikaon-doha hanatrarana ny fitovian-jo. Koa manao antso ho an’ireo rafitra samihafa ireo aho mba hanamafy ny ezaka rehetra », hoy hatrany ny lahateniny.

Fermer