Songadim-baovaoSosialy

CHUMET TSARALALANA: Nahazo fanampiana avy amin’ireo vehivavin’ny orinasa Star

Tsy diso anjara tamin’ny fanamarihana ny andron’ny 08 marsa ireo vehivavy miasa ao amin’ny orinasa Star, araka izay efa fanaon’izy ireo isan-taona. Amin’ny maha andro natokana ho an’ny fandinihina sy fanaovana asa ho an’ny vehivavy io andro io, dia nisafidy ny hanokana fotoana hitsidihana sy hanomezana fitaovana hanampiana ireo mpitsabo sy ireo marary tao amin’ny Centre Hospitalier Universitaire Mère-Enfants Tsaralalàna (CHUMET) ny solonten’ireo vehivavin’ny orinasa Star ny 08 martsa lasa teo. Tsara ho fantatra fa ny CHUMET dia efa mpiara-miasa amin’ny Star nandritra ny taona maro noho izy toeram-pitsaboana misahana manokana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Ny fahasalamana izay ampahany manana lanja lehibe tokoa ao anatin’ireo tetikasa RSE ao amin’ny Star. Anisan’ny fitaovana nomena tamin’izany ny “machine à laver”, “nébuliseurs pédiatrique”, “lunettes d’oxygène”, “EPI” ho an’ireo mpitsabo, ary “kits de naissance” sy rano ho an’ny zaza marary. Ireo fanomezana ireo dia manampy ny tohana izay efa atao mandavan-taona eny an-toerana, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny seraseran’ny orinasa, Seheno Randriambolamanana.

Fermer