PolitikaSongadim-baovaoSosialy
DRAFITRA NASIONALY FANARENANA: Harafitra miainga amin’ireo filàna isam-paritra
Taorian’ny Filankevitry ny Minisitra mahazatra dia nisy ihany koa ny Filankevitry ny Minisitra manokana izay notanterahina teny Iavoloha, ny alarobia teo, niarahan’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ireo Minisitra manana andraikitra manokana mikasika ny “Drafitra nasionaly fanarenana”. Drafitra izay hirakitra ireo tetikasa fanarenana ireo Faritra tena voa mafy taorian’ny fandalovan’ireo rivodoza nifanesy teto amin’ny Nosy .
Nandritra ny filankevitra manokana ny Alarobia teo, nisy ny toromarika izay nomen’ny Filoham-pirenena mikasika ny famaritana ireo filàna na « besoins » isam-paritra mba hahafahana mandrafitra ilay Drafitra nasionaly fanarenana, natao hitondrana vahaolana ho an’ireo Faritra tena voa mafy taorian’ny fandalovan’ny rivodoza farany teo. Rehefa vita izany, dia hirosoana ny fanombanana ara-bola ireo filàna ireo. Ity drafitra nasionaly fanarenana ity dia tokony hanova tanteraka ny fiainan’ny mponina, sy ireo sehatra rehetra iankian’izany tany amin’ireo Faritra nandalovan’ny rivodoza teto Madagasikara, hoy ny Filoha. Rehefa vita soa amantsara ity drafitra ity dia irosoana ny fampahafantarana azy amin’ireo mpiara-miombona antoka sy mpamatsy vola maro isan-karazany, hoy hatrany izy.
Ho an’ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina manokana, mba ahafahana mitondra fiovana sy fanatsarana ny fiainan’ny mponina, hisy ny asa miteraka fidiram-bola sy fampiofanana ataon’izy ireo izay ahazoana fitaovana. Ny Minisiteran’ny Mponina no miandraikitra izany any amin’ireo Faritra vitsivitsy toa an’Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Alaotra Mangoro, Atsimo Atsinanana, Anôsy ary Analamanga. Hisy ihany koa ny fizarana sakafo mafana, toy ny Kaly Tsinjo, izay sitrahan’ireo Faritra vitsivitsy izay tena voakasikan’ny fandalovan’ilay rivodoza toa an’ny Faritra Alaotra Mangoro, Atsinanana, Analanjirofo, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Anôsy, Analamanga, Betsiboka, Sofia. Tafiditra ao anatin’ny drafitra napetraky ny Minisitera ihany koa ny fizarana sakafo, toy ny Vatsy Tsinjo izay hotanterahin’ny CPGU – BNGRC ary ny fanampiana ara-bola, toy ny Tosika Fameno, izay hiandraiketan’ny FID. Ho fanampiana ireo mponina marefo, hisy Vola ho tambin’asa na « Argent contre travail », miaraka amin’ny fepetra tosika, izay ho sitrahan’ny Faritra Atsimo Atsinanana, (Analanjirofo, Vatovavy, Fitovinany, Alaotra Mangoro, Atsinanana ary Anosy).
Fanohizana ny fifamoivoizana
Mahakasika ireo fahatapahan-dalana niseho tamin’ireny lalam-pirenena ireny, laharam-pahamean’ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa vaventy ny mikasika ireo asa ahafahana manafoana ny fitokana-monin’ireo Distrika sasany izay saro-dalana vokatry ny fandalovan’ireo rivodoza. Tao anatin’izany dia nisy ny famaritana ireo lalam-pirenena sy lalana maromaro izay harenina sy hamboarina ary ny fanaovana tombana mifandraika amin’izany.
Fanarenana ny fambolena
Manoloana ny fahapotehan’ny tanim-bary sy ireo voly isan-karazany, nanome toromarika ny Filoham-pirenena fa mila jerena ny hanampiana ireo mpamboly sy mpiompy ahafahana manavotra ny taom-pambolena sy mampitombo ny fidiram-bolan’izy ireo izay tsy misy raisina ny ankamaroany. Mila jerena ihany koa hoy ny Filoha ny fampitomboana ny masomboly sy fidirana amin’ny fanondranana entana. Ankoatr’izay dia hodinihina ny fambolena vokatra vaovao toy ny katsaka ohatra any amin’ny toerana maromaro eto Madagasikara.
Fananganana Sekoly
Araka ny toromarika nomen’ny Filoham-pirenena, ankoatry ny asa fanarenana ireo sekoly, hisy karazany efatra ny fotodrafitrasa hapetraka ary tokony apetraka ny fanaovana sekoly vaovao na « nouvelles constructions ».
Nangonin’i Celestin (mpianatra asa)



