KolontsainaSongadim-baovao
KOLONTSAINA INDIANINA SY MALAGASY: Samy mametraka ho zava-dehibe ny fivoizana fa “Iray ihany isika”
Kolontsaina nofohazin’ny Ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ankehitriny, nanomboka ny taona 2019 ny maha iray ihany ny malagasy, ao anatin’ilay fandaharanasa “Iray ihany isika”. Mifanojo tanteraka amin’izany ny Kolontsaina indianina antsoina hoe "Vasudhaiva Kutumbakam", izay manome lanja ihany koa izay maha iray ihany antsika izay. Omaly, nisy ny lanonana ho fanamarihana io Kolontsaina indianina io, izay natrehin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo.
« Iray ihany izao tontolo izao ary fianakaviana iray ihany koa », io no hevitra fonosin’ny filozofia indianina iray antsoina hoe « Vasudhaiva Kutumbakam ». Omaly, tonga nanatrika ny fanamarihana izany Kolontsaina indianina izany ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, izay nasain’ny Ambasadaoro Indiana, Andriamatoa Abhay Kumar hiahy ny fanamarihana. Fotoana ihany koa izay nametrahana ny takelaka manamarika izany Kolontsaina Indiana izany tetsy Tsaralalana manoloana ny Ambasady Indiana. Nisy ny fampirehetana labozia ho fanamarihana ihany koa ity lanonana ity araka ny fomba amam-panao Indiana amin’ny fotoana toy izao.
Nambaran-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina fa « fa mifandraika tanteraka amin’ny fandaharanasa noforonin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina « Iray Ihany Isika » ity filozofia Indiana iray ity ka isan’ny antony lehibe nanekena izao fanasana hiahy ity lanonana fanamarihana ity izao. Zava-dehibe amin’ny Fanjakana Malagasy ny maha iray ihany antsika Malagasy, satria na eo aza ny mety ho fahasamihafana ara-pinoana, ara-pihodirana, ara-poko na ara-batana dia iray ihany tokoa isika Malagasy satria efa natambatr’Andriamanitra ho iray ao anatin’ity Nosy ity« .
Fandranitana adim-poko
Manoloana ny fandranitana adim-poko ataon’ny mpanao politika sasantsasany sy ny fivoizana izany eo amin’ny adihevitra politika ankehitriny dia nanao antso avo Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mba tsy ho latsaka ao anatin’izany vela-pandrika izany ny vahoaka Malagasy satria loza ho an’ny firenena ny fampizarazarana na ny fanavakavahana ara-poko. Misy olona sasany, hoy izy, tsy manana hevitra intsony entina hanoherana sy hanenjehana, hany ka lasa any amin’ny resaka foko sy ny fiaviana sisa no atao anton-dresaka. Tranga izay tsikaritra tato ho ato izany, hatramin’ny nampafampana ny resaka fanoloana sy fanesorana Minisitra eo anivon’ny Governemanta. Zava-doza ho an’ny firenena anefa izany, raha ny nambaran’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo.
Tsara marihina fa Masoivoho maro sy solotenan’ny sehatra iraisam-pirenena maromaro no nanatrika ity lanonana ity, toa ny masoivohon’i Soisa, Iran, Indonezia, Vatican, Nosy Komoro, Japana sy ny solontenan’ny Vondrona Eropeana sy ny ONUDI. Ity hetsika ity izay tafiditra ihany koa, ao anatin’ny fanamarihana ny faha 75 taona nahazoan’I Inde fahaleovantena. Nandritra ny fotoana omaly ihany koa no nisian’ny fanehoana manokana ny mombamomban’ny filozofia “Vasudhaiva Kutumbakam”.




