PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHAM-PIRENENA, FANOVANA GOVERNEMANTA: “Zava-doza ho an’ny firenena ny fivoizana adim-poko”
Fototra iorenan’ny firenentsika ny maha iray ihany ny Malagasy, araka izay efa voarakitra ao amin’ny Savaranondanon’ny Lalàmpanorenana iainantsika amin’izao fotoana. Zava-dehibe ny firaisam-pirenena ka tsy tokony hopotehina amin’ny fifandranitana adim-poko, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, omaly, raha naneho hevitra mahakasika ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny, indrindra amin’izao ankatoky ny fanovana ny mpikamban’ny Governemanta izao.
Na inona na inona mety tsy ho fitovian-kevitra, na ara-pinoana, ara-piaviana, ara-politika, ara-pomba fijery, na antony hafa, dia tokony hatao ambony hatrany ny maha iray ihany ny Malagasy, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, sady Mpitondra tenin’ny Governemanta, Ramatoa Lalatiana Andriatongarivo omaly, raha naneho hevitra. Ny fototra iorenan’ny firenentsika mihitsy no efa miantoka izay firaisam-pirenena izay, hoy izy, ka tsy tokony ho tsinontsinoavina.
Nambarany tamin’izany ny voarakitra ao amin’ny Savaranonandon’ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika Fahefatra, izay mametraka mazava fa “Mametraka ny finoany an’Andriamanitra Andriananahary ny Malagasy, Hentitra amin’ny fanapahan-keviny hampandroso sy hampiroborobo ny fiaraha-monina
mivelona ao anatin’ny firindrana sy fanajana ny hafa, ny harena mbamin’ny havitrihana
ifotoran’ireo soatoavina ara-kolontsaina sy ara-panahy miainga avy amin’ny « fanahy mahaolona »,
Resy lahatra amin’ny tokony hiverenan’ny fiaraha-monina malagasy amin’izay niandohany,
ny maha-izy azy sy ny maha-malagasy, ary hidirana amin’ny rafi-baovaon’izao taona arivo
izao hitehirizina ny soatoavina sy foto-kevitra nentim-paharazana mifototra amin’ny fanahy
malagasy ahitana « ny fitiavana, ny fihavanana, ny fifanajàna, ny fitandroana ny aina », ary
manome hasina ny fiainam-piaraha-monina, tsy misy fanavakavahana ara-paritra ara-piaviana, ara-poko, ara-pinoana, ara-pirehan-kevitra politika, ary tsy anavahana ny lahy sy ny
vavy. Mahatsapa fa tena zava-dehibe ny fametrahana ny fomba izorana amin’ny fampihavanam-pirenena”.
Antoko politika mivoy fanavakavahana ara-pirazanana
Nambaran’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, fa mbola miantoka io firaisam-pirenena io ihany koa ny andininy faha-14 ao amin’ny Lalàmpanorenana, ao amin’ny andalana fahatelo, izay milaza fa “Raràna ny fikambanana sy ny antoko politika izay manohintohina ny maha-iray tsy mivaky ny Firenena sy ny foto-kevitra repoblikana, sy izay manindrahindra fanjakazakana na fanavakavahana ara-pirazanana, ara-poko na ara-pinoana”. Ary ao amin’ny andininy voalohan’ny Lalàmpanorenana dia mazava fa Firenena iray ny Vahoaka Malagasy ka mivondrona ho Fanjakana masi-mandidy, tokana, repoblikana ary tsy mampifangaro ny Fitondram-panjakàna sy ny finoana.
Raha ny fomba fijerin’ity tomponandraikitra ity, dia lasa any amin’ny fivoizana adim-poko sisa no atao lahasa, rehefa tsy mahita hevitra hanoherana intsony ny mpanohitra eto amintsika. Notsindriany anefa fa tsy tokony ho tafajoboka ao anatin’izany lalao maloto izany ny vahoaka malagasy, satria zava-doza ho an’ny firenena ny fivoizana adim-poko.
Diso kajy ireo manao “serasera”
Nandritra ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano Mihono” nataony omaly no nanambaran’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta fa ho diso kajy avokoa ireo manao kajikajy rehetra ka mampiasa olona manokana hanao serasera hanatsarana sy handokafana Minisitra iray. Notsindriany fa tsy karazana olona voarebireby na hilefitra eo anatrehan’ny tsindrin’ny tambajotran-tserasera sosialy ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra, fa manana ny mason-tsivany. Mahakasika ny tenany manokana, nilaza ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, sady Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina fa mbola vonona hanohy ny asany, raha tazomina amin’ny andraikiny. Tsy mametraka olana ihany koa anefa raha esorina, noho izay antony miankina amin’ny Filoham-pirenena manokana.




