PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

KOLIKOLY TEO ANIVON’NY CNAPS: Vola 12,5 miliara ariary voahodinkodina tamina fividianana tany mirefy 9 700m²

Mbola raharaha mitana ny sain’ny maro, ary mbola mahatonga resabe eny anivon’ny tambajotra sosialy ankehitriny ny zava-misy marina eo anivon’ny Tahirim-pirenena momba ny Fiahiana ara-tsosialy (Cnaps). Araka ny loharanom-baovao, vola mitentina hatrany amin’ny 12,5 miliara ariary no fantatra fa voahodinkodina tamina fividianana tany mirefy 9 700m² tao amin’ity sampandraharaha ity. Tranga izay maha voasaringotra ireo tomponandraikitra ambony mpitantana ny Cnaps.

Trangana fahazoana fananana tsy ara-dalàna sy fanangonan-karena tsy ara-drariny maha voasaringotra ireo mpitantana ambony eo anivon’ny Cnaps ankehitriny no nisy nitoroka teny anivon’ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny Kolikoly (Bianco), araka ny fantatra. Tranga izay efa niteraka resabe teny anivon’ny tambajotran-tserasera sosialy. Taorian’ny fahazoan’ny Bianco ny fampitam-baovao mahakasika ny tranga, nisy avy hatrany ny fanadihadiana sy ny fitsirihana natao, ka tamin’izany no nahafahana nahita fividianana tany mirefy 9 700m², izay mpikamban’ny Filankevi-pitantanan’ny Cnaps ihany no mpivarotra sady tompony.  Araka ny fanadihadiana dia nahazo fankatoavana avy tamin’ny tomponandraikitra voalohan’ny Cnaps io fifampivarotana io, rehefa avy nandalo ny filankevitra.

Tsara ho fantatra fa tafakatra hatrany amin’ny 12,5 miliara ariary ny voalaza fa vidin’io tany mirefy 9 700m² io. Vidiny izay mihoa-pampana raha mihoatra ny  tokony ho izy. Ny fanadihadiana ihany koa no nahafantarana fa nahazo 1,3 miliara ariary avy tamin’io vola io ny mpikambana sy ny mpitantana sasantsasany teo anivon’ny Cnaps, taorian’ny fifampizarana, ary efa nirotsaka any amin’ny Kaontin’ny bankin’ny tsirairay avokoa izany.

Ankoatra ireo, trangana kolikoly sy tsy fanarahan-dalàna samihafa ihany koa no hitan’ny Bianco teo anivon’ity Sampandraharaha misahana ny fiahiana ara-tsosialin’ny mponina ity. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana tsy ara-dalàna, ny fahazoana fananana tsy ara-dalàna, ary fahazoana tombontsoa tsy mazava. Efa nalefa eny anivon’ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny Kolikoly (PAC) avokoa ireo olona voasaringotra tamin’ity raharaha ity, taorian’ny fihazonana azy ireo teny amin’ny foibe toeran’ny Bianco. Andrasana, araka izany, ny ho tohin’ny raharaha…

Fermer