PolitikaSongadim-baovao
FAHAVEREZAN’NY LISITRY NY MPIFIDY: Tsy ahina hiteraka hosoka, hohamafisina ny fiarahamiasa amin’ny mpitandro filaminana
Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) omaly izay notahirihin’ny Filoha Lefitra Voalohany, Andriamalazaray Andoniaina sy ny Mpampaka-teny Randrianarivonantoanina Tiana Ifanomezantsoa ary ny Tonia Mpanantanteraka Nasionaly. Ny tranga fahaverezana lisi-pifidianana izay niseho ny zoma 11 Martsa 2022 teo, tao Maintirano no niompanan’ny resaka tamin’izany.
Niharan’ny fanafihan-jiolahy ny moto dimy (05) izay an-dalana hanatitra ny lisitry ny mpifidy ho an’ny Kaominina Bebaboky Atsimo sy Antsahidoha Bebao teo amin’ny 50km miala an’i Maintirano. Naratra tamin’izany ny filohan’ny Vaomieram-pifidianana eo anivon’ny Kaominina (CEC) iray any an-toerana, izay efa manaraka fitsaboana, araka ny fampitam-baovao. Saingy nisy ny fahaverezana fananana manokana sy lisitry ny mpifidy vonjimaika tamin’izany.
Manome toky ny olompirenena ny Ceni fa na eo aza ny asa ratsin’ireo jiolahy dia tsy misy atahorana ny mahakasika iny lisitry ny mpifidy iny. Tsy ahina hiteraka hosoka ny fisian’ny tranga nahavery ny lisitry ny mpifidy, hoy izy ireo. “Lisitra nofaranana vonjimaika iny fa amin’ny faha 15 may vao famaranana tanteraka. Ananan’ny Ceni foibe sy ny rantsa-mangaikany any amin’ny Faritra ny antontan-kevitra (base de donnée) momba ny mpifidy”, hoy ny filoha lefitry ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina. Notsindriany fa samy manana ny fototry ny antontam-baovao rehetra (base de données) na ny eto anivon’ny Ceni Foibe na ny eo anivon’ny Foibem-paritra ao Melaky. Hisy ny fanontana indray izany lisitry ny mpifidy izany ao amin’ny Vaomieram-pifidianana eo anivon’ny Faritra (CER) ao Maintirano ka ho alefa any amin’ireo Kaomininina roa ireo izany lisitry ny mpifidy voatonta mba hahafahan’ny mpifidy manamarina ny momba azy sy hahafahana manatantontosa ny asa rehetra amin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy. Manana 20 andro anaraha-maso sy itondrana fanamarihana ny mpifidy, araka ny voafaritry ny lalàna. Manana 7 andro, aorian’izay, ny vaomiera ifotony mpanisa mpifidy (CLRE) andraisana fanapahan-kevitra amin’ny fitarainana na fanamarihana voaray, araka ny fanazavana hatrany.
Fiarahamiasa amin’ny mpitandro filaminana
Tranga manokana ity fanakanan-dalana nahavery lisi-pifidiana ity saingy mety hiitatra raha tsy voafehy, hoy ny filoha lefitry ny Ceni. Nambarany fa hihamafy ny serasera sy ny fiaraha-miasa amin’ny tomponandraikitra misahana ny filaminana. Maneho ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasan’ny Ceni sy ny mpitandro filaminana ny tranga tahaka izao. Hohamafisina kokoa noho ny hatramin’izay, araka izany, ny serasera amin’ireo tompon’andraikitra misahana ny filaminana ho fikajiana ny fandriampahalemana eo amin’ny tontolon’ny fifidianana.
Lasan’ny dahalo niaraka tamina taratasin’omby maromaro
Raha hiverenana ny zava-nitranga, delege iray ao amin’ny kaominina Bebaboky Atsimo, ao amin’ny distrikan’i Maintirano no tratran’ny fanafihan-dahalo mpanakan-dalana, ny tolakandron’ny sabotsy lasa teo, teny am-pamitana iraka nitondra kodiaran-droa. Vokany, lasa tamin’izany ny lisi-pifidianana ho an’ny kaominina ao an-toerana, izay tokony hanamarinan’ny mponina isan-tokantrano ny anarany anatin’izany lisi-pifidinana izany. Lasa nanaraka izany koa ny taratasin’omby maromaro, fitombokase, ary finday sy vola mitentina 480 000 Ariary. Dahalo mpanao fanakanan-dalana miisa telo, nirongo kibay sy antsy lava no nanatanteraka ny fanafihana ity tompon’andraikitra ity, raha ny fantatra. Fantatra tamin’io fanafihana niseho io, fa niharan’ny herisetran’ireo olon-dratsy ka naratra teo amin’ny lohany, ity tompon’andraikitra iray ity. Nentin’ireo sendra nahita azy tany amin’ny toeram-pitsaboana, ity farany, ary efa nahazo fitsaboana sahaza azy.



