PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHA CNAPS : DG-n’ny Cnaps sy olona dimy hafa naiditra am-ponja vonjimaika
Tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Cnaps, nahitana ny Tale Jeneraly (DG), ny Filohan’ny Filankevi-pitantanana (PCA), mpikamban’ny Filankevi-pitantanana miisa telo (CA) ary olona iray hafa no fantatra fa naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny fiakarana fampanoavana omaly teny amin’ny tendrom-pitsarana iadiana amin’ny Kolikoly (Pac), mahakasikana raharaha fanodinkodinam-bola sy trangana tsy fanarahan-dalàna maro, voatsirika tao amin’ity sampandraharaha ity, araka ny fampitam-baovao voaray.
Fanodinkodinam-bolam-panjakana, fanararaotam-pahefana, fanomezana tsy ara-dalàna, fahazoana tombontsoa tsy mazava, famotsiam-bola ary firaisana tsikombakomba, ireo no vesatra anenjehana ireo olona naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora mahakasika ilay raharaha tao amin’ny Tahirim-pirenena malagasy misahana ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps), nahabe resaka tato ho ato. Tafiditra ao anatin’ireo nidoboka am-ponja vonjimaika ny Tale Jeneralin’ny Cnaps (DG), ny Filohan’ny Filankevi-pitantanana (PCA), ny mpikamban’ny Filankevi-pitantanan’ny Cnaps miisa telo (CA), ary olona iray hafa izay voalaza fa tafiditra tamin’izao raharaha izao ihany koa. Omaly no niakatra fampanoavana teny amin’ny tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly na ny Pac etsy 67ha ny raharaha. Omaly hariva kosa vao nivoaka ny fanapahan’ny Fitsarana nampiditra am-ponja vonjimaika azy ireo, mandrapaha tongan’ny fotoam-pitsarana. Mitohy hatrany kosa ny fanadihadiana, araka ny fanambaran’ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny Pac.
Fividianana tany mirefy 9 700m²
Raha hiverenana ny fampitam-baovao navoakan’ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly (Bianco) ny herinandro lasa teo, trangana fahazoana fananana tsy ara-dalàna sy fanangonan-karena tsy ara-drariny maha voasaringotra ireo mpitantana ambony eo anivon’ny Cnaps no nisy nitoroka teo amin’izy ireo, araka ny fanazavana. Taorian’ny fahazoan’ny Bianco ny fampitam-baovao mahakasika ny tranga, nisy avy hatrany ny fanadihadiana sy ny fitsirihana natao, ka tamin’izany no nahafahana nahita fividianana tany mirefy 9 700m², izay mpikamban’ny Filankevi-pitantanan’ny Cnaps ihany no mpivarotra sady tompony. Araka ny fanadihadiana dia nahazo fankatoavana avy tamin’ny tomponandraikitra voalohan’ny Cnaps io fifampivarotana io, rehefa avy nandalo ny filankevitra.
Tsara ho fantatra fa tafakatra hatrany amin’ny 12,5 miliara ariary ny voalaza fa vidin’io tany mirefy 9 700m² io. Vidiny izay mihoa-pampana raha mihoatra ny tokony ho izy. Ny fanadihadiana ihany koa no nahafantarana fa nahazo 1,3 miliara ariary avy tamin’io vola io ny mpikambana sy ny mpitantana sasantsasany teo anivon’ny Cnaps, taorian’ny fifampizarana, ary efa nirotsaka any amin’ny Kaontin’ny bankin’ny tsirairay avokoa izany. Everin’ny mpanara-baovao, noho izany, fa ireo raharaha ireo no nahavoasaringotra ireto tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Cnaps ireto, ka nidiran’izy ireo am-ponja vonjimaika.



