KolontsainaSongadim-baovao
FAMPIVOARANA NY SINEMA MALAGASY : Hisitraka fampiofanana ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny sarimihetsika
Natomboka omaly ny fampiofanana ireo mpisehatra isan-tsokajiny eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika, eo ambany fitarihin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Lafin-javatra maro amin’ny fanatontosana, manomboka any amin’ny fanoratana ka hatrany amin’ny fikirakirana ny lafiny teknika, dia ho voaresaka amin’izao fampiofanana izao avokoa. Samy manantena sy velom-bolo ireo mpisehatra rehetra ny amin’ny hivoaran’ny Sarimihetsika malagasy ho amin’ny tsaratsara kokoa aorian’izao fampiofanana izao.
Tsy mbola misy ny sekoly manokana manofana mahakasika ny Sarimihetsika eto amintsika. Saika ny ankamaroan’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny sarimihetsika eto amintsika, noho izany, no avy hatrany dia nisehatra amin’ilay asa teny an-kianja, na dia tsy nanana fototra teorika tena niaingana aza. Hany ka tsy vitsy ireo mahita lesoka sy tsy fahatomombanana maro amin’ny sarimihetsika malagasy, na izany eo amin’ny fanoratana, na eo amin’ny filalaovana, na eo amin’ny lafiny teknika, indrindra eo amin’ny lafiny fanatontosana. Izany indrindra no nanosika ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, tarihin’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, nikarakara fampiofanana ho an’ireo matihanina amin’ny tontolon’ny sarimihetsika eto Madagasikara.
Fampiofanana in-telo isan-kerinandro, mandritra ny 2 volana ho an’ny dingana voalohany, ary 2 volana hafa koa ho an’ny dingana faharoa, ahitana ny taranja fototra na « bases » amin’ny fomba fanoratana tantara amin’ny horonan-tsary (écriture cinématographique), ny filalaovana (actorat), ny famokarana (production), ny asa aorian’ny fanodinana (post-production), ny fanatontosana horonan-tsary (réalisation), sy ny pitsopitsony ara-teknika samihafa amin’ny sarimihetsika, izay no votoatin’ny tolotra omen’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, amin’ny alalan’ny ISSM (Ivotoeran’ny Sarimihetsika sy ny Sarimiaina) ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny sarimihetsika sy sarimiaina eto Madagasikara. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly ny fampiofanana, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely, ka nandritra izany no nampahafantarana ireo mpampiofana izay ahitana malagasy mipetraka eto sy any ivelany, ary koa mpampiofana vahiny izay manana traikefa nandritra ny taona maro teo amin’ireo asa samihafa mandrafitra ny sehatry ny sarimihetsika.
Misongadina ny ezaka vita ho an’ny Sinema malagasy
Nandritra ny lanonana nanamarihana ny fanombohana ny fampiofanana no nampahafantaran-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ny ezaka maro be nataon’ny Minisitera momba ny fanatsarana ity sehatry ny sarimihetsika ity nanomboka ny taona 2019 nametrahana ny ISSM. Anisan’izany ohatra ny fametrahana ny « visa de classement », ny fandaminana na « régulation »ny trano famokarana, ny trano fandefasana horonan-tsary, sy ny fametrahana ny « registre public du cinéma et de l’image animée » ka nahafahana nanoratra ireo mpisehatra mba hanana laharana ahafantarana azy ireo ara-panjakana.
Teo koa ny ady amin’ny hosoka izay nankasitrahan’ireo mpisehatra manokana ny vokatra lehibe azo nanomboka ny taona 2020 no nankaty, araka ny tarehimarika izay navoaka omaly. Anisan’ny vina goavana nampahafantarin-dRamatoa Minisitra koa ny fisian’ny famatsiana ara-bola hataon’ny Minisitera ho an’ireo manana tetikasa famokarana horonan-tsary, amin’ny alalan’ny « appel à projets », ka ireo vinana horonan-tsary mendrika dia hovatsian’ny Minisitera vola ny famokarana sy ny fanatontosana azy ary ampian’ny Minisitera koa ny fanaparitahana azy manerana ny Nosy.
Marihina fa afaka mampiasa ny toerana samihafa tahaka ny « Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina » manerana ny Faritra, ny « Ivokolo », ny « Havoria » eo Anosy sy ny « ANAC » ireo mpisehatra amin’ny sarimihetsika hanaovan’izy ireo ny « projection » an’ireo horonan-tsary izay vokariny izy ireo, araka ny nambaran-dRamatoa Minisitra. Amin’ny antonona sy lavitr’ezaka dia hanohy ny tosika ara-bola ny famokarana horonan-tsary manaraka ny fenitra maha-matihanina ny Minisitera.




