PolitikaSongadim-baovao

FILOHA ANDRY RAJOELINA : “… ny fahatontosan’ny iraka no zava-dehibe”

Nametrahana fitokisana ary notsongaina tao anatin’ny maro ireo Minisitra vao notendrena, hoy ny Filoha Andry Rajoelina omaly, raha nitafa voalohany tamin’ny Governemanta amin’ny endriny vaovao ankehitriny. Amin’ny maha tomponandraiki-panjakana ambony ny Minisitra, dia tokony ho modely sy fitaratra ho an’ny vahoaka izy ireo. Tokony hanana fitondran-tena mendrika, mahay mandanjalanja ny teny ambara, ny fihetsika atao eo anatrehan’ny vahoaka. Minisitra mahitsy, manakaiky vahoaka no andrasana ao anaty Governemanta, hoy ny Filoha.

Nisy ny Kere sy ny ady amin’ny valanaretina tao anatin’ny roa taona. Napetraka ny Drafitra nasionaly fanarenana. Mila miara-misalahy amin’ny fanatanterahana ny Velirano ny mpikamban’ny Governemanta, araka ny nambaran’ny Filoha. Izany rahateo no nanaovana ny “Contrat-programme” isaky ny Minisitera. Mitaky vokatra azo tsapain-tanana izany, ary andrasana amin’ny Minisitra ny hitondrana vahaolana amin’ny vahoaka, hoy hatrany izy. Tsy tokony hipetraka ho teknisianina fotsiny ny Minisitra fa tokony ho mpitarika sy mpitantana mahomby. “Mila miasa aingana, miasa tsara, mila miasa mafy. Entanina hidina ifotony amin’ny asa aman’andraikitra sahanina”, hoy ny Filoha. Nambara fa “tsy ny fandehanana amin’ny iraka, fa ny fahatontosana ny iraka no zava-dehibe”. Tsy tanjona ny toerana maha Minisitra, fa ny asa apetraka ho an’ny taranaka fara-mandimby no zava-dehibe, araka ny teny nambaran’ny Filohan’ny Repoblika hatrany. Mandalo, hoy izy, ny toerana maha Filoha sy ny maha Minisitra, ka tokony ho samy sarotiny amin’ny fahombiazan’ny Fitondrana ny Minisitra tsirairay. Ny fikatsahana ny tombontsoa ambonin’ny firenena no tokony hibaiko amin’ny asa miandry.

Fermer