Politika

FANOVANA MINISITRA VITSIVITSY « Lalan-kizoran’ny fampandrosoana itakiana ny ezak’ireo mpanatanteraka » hoy ny Loholona Landy Mbolatiana

Inefatra nanova ireo mambran’ny governemanta ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tato anatin’ny fotoam-pitondrany, raha tsiahivina. Andraikitra tsy maintsy noraisin’ny Filoha izany, raha te ho tonga amin’ny fampandrosoana ny firenena, hoy ny Loholona Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, raha naneho hevitra mikasika ny fanovana minisitra vitsivitsy anatin’ny governemanta tarihin’i Ntsay Christian, farany teo. Fotoana mety indrindra ho amin’izany izao, hanarenana haingana ireo lesoka hita teo anatrehan’ny fampandrosoana ny firenena ankehitriny, izay niainga tamin’ny tomban’ezaka notanterahina. Amin’ny maha mpiahy ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ireo Loholon’i Madagasikara, dia nomarihany, fa mbola maro ny fitarainan’ireo Ben’ny tanàna voaray teo anatrehan’ireo fidinana ifotony notanterahin’izy ireo, izay itakiana sy hanamafisana indrindra ny ezak’ireo tompon’andraikitra ambony notsongaina tao anatin’ny maro ireo. Tsy latsa-danjan’izany, anefa, ny ezaka efa notanterahin’ny Fitondram-panjakana, raha ny nomarihany. Manoloana ireny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika, azy ireo ireny, dia tsy natao hijanona am-birao na hianona fotsiny amin’ny maha teknisiana, izy ireo, fa ho iraka hahatanteraka, fa tsy ho mpanatanteraka iraka amin’izao. « Andrasanay amin’ireo Minisitra, araka izany, ny hampisy vokany ny iraka ampanaovina azy ireo tsirairay avy, hahitan’ny isaky ny kaominina vokatra mivaingana azo tsapain-tanana », nanampy fanazavana ny Loholona Landy Mbolatiana. Nomarihany, fa amin’ny fanatanterahan’ny Loholona ny tatitra tanterahin’izy ireo amin’ny mpanatanteraka, dia tokony ho haingana manaraka izany ny valin-kafatra asetry sy tanterahin’izy ireo eny ifotony. Andrasan’ny Loholona amin’ireo Minisitra, araka izany, ny hahatanterahan’ny Politikam-panjakana hipàka amin’ny vahoaka, izay miankina betsaka amin’ny fomba fiasan’ireo Minisitra tsirairay avy, ka ho azo tsapain-tanana ny fanatanterahana ny hetahetan’ny vahoaka eny ifotony. Ezaka hikoriana manomboka any amin’ny fokontany tsirairay, ny kaominina, ary manerana ny firenena mihitsy no andrasana amin’ireo mpanatanteraka, araka ny fanirian’ny Loholona, manoloana ny fampandrosoana imatimatesan’ny Filoha Rajoelina Andry.

Fermer