Politika

FANOHANANA ARA-TSOSIALY : Mpiasa 1500 nisitraka ny “Tsinjo Fameno”

Nosokafan’ny Filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry ny fanohanana ara-tsosialy, amin’ny alalan’ny tetikasa “Tsinjo Fameno”. Mpiasa miisa 1500 tao amin’ny orinasa Akanjo eny Ambatomaro no nisitraka izany. Ny 200 tamin’izy ireo no avy dia nandray izany omaly, teny an-toerana, raha miroso tsikelikely kosa, ny hafa…

 

Ireo mpiasa nisitraka ny “Tsinjo Fameno” avy amin’ny Fitondram-panjakana.

Tsy diso anjara amin’ny fanohanana ara-tsosialy avy amin’ny Fitondram-panjakana ireo mpiasa eny amin’ny orinasa afakaba. Nosokafan’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina omaly maraina, teny Ambatomaro ny fanohanana ara-tsosialy, amin’ny alalan’ny fampindramam-bola, “Tsinjo Fameno”. Afaka misitraka amin’ny tetikasa avokoa ireo mpiasa miasa amin’ny orinasa ka nandoa latsakemboka ara-dalàna tamin’ny CNaPs. Mpiasa 1500 avy ao amin’ny orinasa afakaba Akanjo no nisitraka ny “Tsinjo Fameno”, avy amin’ny Fitondram-panjakana. Karama iray volana, 2 ka hatramin’ny 4 hetsy ariary no azo amin’ity fampindramam-bola tsy misy zana-bola ity. “Misy fiantraikany goavana teo amin’ny sosialy sy toekarena ny coronavirus, ka isan’ny voakasika amin’izany ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina. Rehefa tsy mampidi-bola ny orinasa dia misedra olana. Maro ireo orinasa no tratran’ny fahasahiranana, hany ka tsy vitsy ireo mpiasa no tsy nandray ny tambin-karamany, tsy araka ny tokony ho izy. Na dia maro tamin’izy ireo aza no niezaka nahafaha-niatrika izany valanaretina izany”, hoy ny Filoha, Rajoelina Andry. Nasongadin’ny Filoha fa ny orinasa afakaba Akanjo dia reharehan’ny Firenena malagasy satria manao ireny akanjo mitondra ny marika fanta-daza ireny. Antony nahatonga ny Fitondram-panjakana nanosika ny nanampy ny orinasa tahaka izao, mba hahafahana mameno ny banga, vokatry ny krizy ara-pahasalamana.

Eo anilan’ny Malagasy mandrakariva…

Betsaka ireo mpiasa no te hihindram-bola, saingy tsy ampy ny antoka ka dia nanapa-kevitra ny hanohana ny mpiasa amin’ny alalan’ny “Tsinjo Fameno” satria mila mifampitsinjo isika. Tsy niolaka ny Filoha Rajoelina Andry nilaza fa

“mila mifankahery amin’izao andro sarotra izao. Tsy irery ianareo miatrika izao andro sarotra izao, fa eo anilanareo mandrakariva izahay”.

Mpiasa 1500 ao amin’ity orinasa afakaba Akanjo ity no hisitraka ny “Tsinjo Fameno”, saingy ny 200 tamin’izy ireo no avy dia nandray avy hatrany izany. Ny ambiny kosa, dia miroso tsikelikely amin’ny fikarakarana ny pitsopitsony isan-karazany.

Ilaina ny fifampitsinjovana amin’ny andro sarotra tahaka izao.

Ankoatra ny mpiasa teny amin’ny orinasa Akanjo Ambatomaro, tsy nohadinoin’ny Filoha koa ny fanohanana ara-bola ireo Ivon-toerana mpivarotra asa tanana Lisy Art Gallery, tetsy Antanimora. “Efa nisy tetikasa lehibe ataon’ny Fitondram-panjakana iarahana amin’ny minisitera mpiahy, fa hisy ivon-toerana momba ny asa tanana hisokatra manakaiky eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, tsy ho ela. Mba hahafahan’ny olona rehetra na teratany malagasy na vahiny, hitsidika azy io”, hoy ny Filohan’ny Repoblika. Manaraka ny fenitra sady ara-dalàna ny  fifehezana ny lafiny fandriampahalemana ao amin’io toerana io. Azo antoka ny tsy hisian’ny mpangarom-paosy ao. Hanana tombon-dahiny manokana ny  Lisy Art Gallery satria efa 30 taona nisehatra tamin’ny resaka asa tanana, ka mendrika ny ampiana sy tohanana.

Fermer